Eksôdy
Toko faha-29
1 Toy izao no zavatra hataonao rehefa hanokana an'i Aharona sy ny zanany lahy ho mpisorona ho Ahy ianao: -Maka vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy roa tsy misy kilema.2 Maka kobam-barimbazaha, ka manaova mofo tsy misy leviora, mofo mamy misy diloilo saingy tsy misy leviora, ary mofo manify tsy misy leviora sady voararaka diloilo.
3 Ataovy ao anaty harona iray ireo, ary ento ao amin'ny Toeramasina miaraka amin'ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy roa.
4 Ento hankeo am-baravaran'ny Tranolay fihaonana i Aharona sy ireo zanany lahy, dia ampandroy amin'ny rano fandroana.
5 Avy eo dia ampiakanjoy an'i Aharona ny fanamiana voatokana: dia ny akanjo lava ivelany, ny akanjo vita peta-kofehy, ny efoda ary ny saron-tratra, ka afatory ny samboadin'ny efoda.
6 Apetraho eo an-dohany ny satroka fehiloha, ary apetraho amin'ny satroka fehiloha kosa ny marika maha voatokana.
7 Dia alao ny ilomasina fanokanana ka araraho eo an-dohany, ary atokany izy.
8 Ampanatony ireo zanakalahin'i Aharona, ary ampanaovy ny akanjo vita peta-kofehy;
9 apetaho ny fehikibony sy ny satroka boribory. Manomboka hatreo dia ho anjara raikitra ho azy ireo ny fisoronana. Ary toy izao no hanamarihanao ny fidiran'i Aharona sy ny zanany lahy amin'ny raharahany:
10 Hoentina eo anoloan'ny Tranolay fihaonana ny ombilahy, ka hametrahan'i Aharona sy ny zanany lahy tanana eo an-dohan'ny ombilahy.
11 Hovonoina ho faty eo anatrehako Izaho TOMPO izany, eo akaikin'ny varavaran'ny Tranolay fihaonana.
12 Hanalanao ny rany ka hatentinao amin'ny fanondro eo amin'ny tandroky ny alitara, ary ny sisa kosa dia haidinao eo am-pototry ny alitara.
13 Halainao ny sabora izay mandrakotra ny tsinainy mbamin'ny saron'atiny ary ny voany roa mbamin'ny sabora eo aminy, dia hodoranao eo ambony alitara avokoa.
14 Ho sorona fanalana ny otan'ny mpisorona izany. Fa ny sisa rehetra amin'ilay ombilahy kosa, toy ny henany, ny hoditra mbamin'ny tain-drorohany, dia dory amin'ny afo any ivelan'ny toby.
15 Avy eo dia halaina ny ondrilahy iray, ka hametrahan'i Aharona sy ny zanany lahy tanana eo amin'ny lohany.
16 Hovonoinao ho faty ilay ondrilahy ary hotantazanao ny rany, dia hafafinao amin'ny lafiny alitara manodidina.
17 Hotetehinao ho vongana madinika ny ondrilahy; hosasanao ny tsinainy sy ny tongony ka hapetrakao eo ambony alitara, eo ambonin'ireo vongana madinika sy ny lohany.
18 Hodoranao ilay biby manontolo mba ho sorona dorana manontolo ho Ahy TOMPO: ho hanitra ankasitrahina ho AHY io sorona io.
19 Avy eo dia halaina koa ny ondrilahy faharoa, ka hametrahan'i Aharona sy ny zanany lahy tanana eo amin'ny lohany.
20 Hovonoinao ho faty ilay ondrilahy, ary hanalanao ny rany ka hatentinao amin'ny tendron-dravintsofina ankavanan'i Aharona sy ny zanany, ary amin'ny ankiben-tongotra aman-tanany ankavanana avy; avy eo dia hafafinao amin'ny lafin'ny alitara ambony manodidina ny ra sisa.
21 Hanalanao kely ny ra eo ambony alitara sy ny ilomasina fanokanana, dia hafafinao amin'i Aharona sy ny fanamiany ary amin'ny zanany lahy sy ny fanamiany; amin'izay dia ho masina i Aharona sy ny zanany lahy mbamin'ny fanamiany.
22 Ny ondrilahy faharoa dia mariky ny fametrahana ny mpisorona amin'ny raharahany. Koa halainao ny hofany, ny sabora mandrakotra ny tsinainy sy ny saron'atiny, ny voany roa mbamin'ny sabora eo aminy, ary ny sorony havanana.
23 Hakanao mofo boribory iray sy mofomamy misy diloilo iray, ary mofo manify iray avy ao amin'ny harona misy ny mofo tsy misy leviora izay apetraka eo anatrehako Izaho TOMPO.
24 Hapetrakao eo am-pelatanan'i Aharona sy ny zanany ireo, ka hasainao ahevahevany eo anatrehako ho fanatitra ahevaheva.
25 Avy eo dia halainao eny an-tanany ireo ka hodoranao hanetona eo ambony alitara miaraka amin'ny sorona dorana manontolo: ho sorona atolotra Ahy TOMPO izany, ka ho hanitra ankasitrahina ho AHY.
26 Ary halainao ny tratran'ny ondrilahy faharoa izay nanokanana an'i Aharona ka hahevahevanao eo anatrehako Izaho TOMPO toy ny fanatitra ahevaheva fa iny no anjara ho anao.
27 Hambaranao fa masina ny tratrany sy ny sorony nalaina tamin'ny ondry fanokanana an'i Aharona ka nahevaheva sy nasandratra teo anatrehako.
28 Noho izany, rehefa manao sorom-pihavanana amiko ny Israelita rehetra, dia hanavaka ny soron-kena sy ny tratrany amin'ireo biby mba ho anjara raikitra ho an'i Aharona sy ny taranany: zavatra avahana ho Ahy TOMPO izany.
29 Rehefa maty i Aharona, dia hafindra amin'ny taranany ny fanamiana masina; ka ireo no hiakanjo azy amin'ny andro hanokanana sy hametrahana azy amin'ny raharahany.
30 Ny mpisorona hisolo an'i Aharona dia hitondra ireo akanjo ireo mandritra ny fito andro, rehefa miditra ao amin'ny Tranolay fihaonana mba hanatanteraka ny raharahany ao amin'ny Toeramasina.
31 Halaina ny ondrilahy fanokanana, ilay faharoa, dia handrahoina ao amin'ny toerana iray voatokana ny henany.
32 Hohanin'i Aharona sy ny zanany, miaraka amin'ny mofo sisa ao amin'ny harona, eo am-baravaran'ny Tranolay fihaonana izany.
33 Izy ireo ihany no mahazo mihinana izay nampiasaina tamin'ny fanokanana sy ny fametrahana azy eo amin'ny raharahany mba hahazoany famelan-keloka amin'ny Tompo. Tsy misy olon-kafa mahazo mihinana ireo, fa sakafo masina ireo.
34 Raha misy sisa tsy lany tra-maraina ny hena sy ny mofo, dia hodorana fa tsy azo hanina satria sakafo masina.
35 Mifanaraka tanteraka amin'ny torolalana efa nomeko anao no hataonao amin'i Aharona sy ny zanany. Haharitra fito andro ny lanonana fametrahana azy amin'ny asany.
36 Isan'andro dia hanolotra ombilahy iray ho sorona ahazoana famelan-keloka ianao. Hataonao izany hanadiovana ny alitara fisoronana; ary horarahanao diloilo ny alitara mba hanokanana azy.
37 Haharitra fito andro koa io lanonana io; ka raha afaka izany, dia ho masina indrindra ny alitara, ary izay rehetra mahakasika azy na olona na zavatra dia hiharan-doza.
38 Zanakondry iray taona roa isan'andro no hatolotra tsy tapaka eo ambony alitara.
39 Ny iray hatolotra ny maraina, ary ny iray hatolotra ny hariva.
40 Miaraka amin'ny zanakondry amin'ny maraina sy ny hariva, dia hitondrana koba telopolo kilao efa voakapoka amin'ny diloilo tsara iray litatra sy sasany sy fanatitra divay iray litatra sy sasany. Ireo dia ho sorona atolotra Ahy TOMPO, ka ho hanitra ankasitrahina ho Ahy.
42 Amin'ny hoavy dia tsy ho tapaka na oviana na oviana ny fanolorana sorona dorana manontolo ho Ahy TOMPO eo am-baravaran'ny Tranolay fihaonana, fa eo no hihaonako aminareo sy hitenenako aminao.
43 Eo amin'io toerana io no hihaonako amin'ny Israelita, ka ny voninahitro hanome hasina izany.
44 Ny tenako mihitsy no hanokana ny Tranolay fihaonana sy ny alitara, tahaka ny hanokanako an'i Aharona sy ny zanany lahy ho mpisorona ho Ahy.
45 Hitoetra eo anivon'ny Israelita Aho sady ho Andriamaniny.
46 Ka amin'izay no hiekeny fa Izaho no TOMPO Andriamaniny, dia Izaho Ilay namoaka azy hiala tany Ejipta mba hahazoako miara-monina aminy. Izaho no TOMPO Andriamaniny.