Eksôdy

Toko faha-7

1 Dia hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Jereonao fa omeko fahefan'Andriamanitra ianao manoloana ny Farao; ary i Aharona rahalahinao kosa dia mpitondrateninao.

2 Ambarao amin'i Aharona rahalahinao izay rehetra handidiako anao, ary izy kosa no hiteny amin'ny Farao mba handefasany ny Israelita hiala amin'ny taniny.

3 Izaho anefa hanamafy fo ny Farao; ka na dia maro aza ireo famantarana sy zava-mahagaga izay hataoko ao amin'ny taniny,

4 dia tsy hihaino anareo izy. Koa hataoko tsapan'ny Ejiptianina ny heriko, ka famaizana lehibe no hamoahako am-pilaminana tsara ny Israelita vahoakako hiala amin'ny tany Ejipta.

5 Ho fantatry ny Ejiptianina amin'izay fa Izaho no TOMPO, rehefa haninji-tanana hamely azy Aho ka hamoaka ny Israelita hiala eo anivony.

6 Dia notanterahin'i Mosesy sy i Aharona izany, ka araka izay nandidian'ny TOMPO azy no nataony.

7 Feno valopolo taona i Mosesy ary telo amby valopolo taona i Aharona fony nandeha niteny tamin'ny Farao izy mirahalahy.

8 Ary hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy sy i Aharona:

9 -Raha mangataka anareo hanao zava-mahagaga ny Farao, dia lazaonao i Aharona, ry Mosesy, mba handray ny tehinao ka hanipy azy eo anatrehan'ny Farao, dia hanjary fanany iny.

10 Dia nankao amin'ny Farao i Mosesy sy i Aharona ka nanatanteraka izay nandidian'ny TOMPO azy; natsipin'i Aharona teo anatrehan'ny Farao sy ny mpanompony ny tehiny ka nanjary fanany.

11 Nantsoin'ny Farao ihany koa ireo olon-kendry sy mpanao majia tao Ejipta; ary ireo ombiasy ireo dia nanao toy izany koa tamin'ny fitokavany:

12 Samy nanipy ny tehiny tamin'ny tany avy izy ka nanjary fanany ireny. Saingy ny tehin'i Aharona dia nitelina ny tehin'ireo.

13 Kanefa nihamafy fo ny Farao ka tsy nihaino an'i Mosesy sy i Aharona araka izay efa nolazain'ny TOMPO rahateo.

14 Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Mafy fo ny Farao ka tsy mety mandefa ny Israelita.

15 Koa mankanesa any aminy ianao rahampitso maraina, rehefa mivoaka hankeo amoron-drano izy. Ento eny an-tananao ilay tehina tonga bibilava, dia andraso eo amoron'i Neily izy.

16 Ka izao no ambarao aminy: Ny TOMPO, Andriamanitry ny Hebreo, no naniraka ahy hilaza aminao hoe: 'Alefaso ny vahoakako mba hanao fanompoam-pivavahana amiko any an-taniefitra.' Nefa tsy nihaino ianao mandraka ankehitriny.

17 Noho izany, dia lazain'ny TOMPO fa hahafantatra ny maha IZY AZY ianao amin'ity indray mandeha ity. Hokapohiko amin'ity tehina eto an-tanako ity manko ny ranon'i Neily, dia hiova ho ra.

18 Ho faty ny trondro ka ho maimbo ny ony, dia tsy ho azon'ny Ejiptianina sotroina intsony ny rano ao.

19 Ary hoy koa ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Lazao i Aharona handray ny tehinao ka haninjitra ny tanany manandrify ny rano rehetra eto Ejipta, izany hoe ny renirano sy ny lakan-drano mbamin'ny farihy rehetra; dia hiova ho ra ny rano amin'ireny. Ary hisy ra manerana ny tany Ejipta manontolo, hatrany an-tsinibe hazo sy vato.

20 Dia notanterahin'i Mosesy sy i Aharona izay nandidian'ny TOMPO azy; ary teo imason'ny Farao sy ny tandapany no nanaingan'i Aharona ny tehiny ka nikapohany ny ranon'i Neily, dia niova ho ra ny rano rehetra tao amin'ny ony.

21 Maty ny trondro ka maimbo ny ony, dia tsy azon'ny Ejiptianina nosotroina intsony ny rano, fa nisy ra manerana ny tany Ejipta manontolo.

22 Dia mba nanao toy izany tamin'ny fitokavany koa ireo mpimasy ejiptianina; koa nihamafy fo ny Farao ka tsy nihaino akory izay nangatahan'i Mosesy sy i Aharona, araka izay efa nambaran'ny TOMPO.

23 Lasa nody ny Farao, dia nankao an-tranony fa tsy nahoany akory io raharaha io.

24 Nihady lava-drano manodidina an'i Neily ny Ejiptianina satria tsy azony nosotroina ny rano tamin'ny ony.

25 Ary fito andro izay no lasa taorian'ny namelezan'ny TOMPO ny ony Neily.

26 Taorian'izany, dia hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Mankanesa any amin'ny Farao, ka lazao aminy hoe: Asain'ny TOMPO alefanao ny vahoakany hanao fanompoam-pivavahana aminy.

27 Fa raha manda ianao, dia ho hitanao fa hasiany amin'ny sahona ny faritaninao manontolo:

28 Hitombo ao amin'ny ony ny sahona, dia hiakatra ka hiditra ao an-dapanao sy ao an'efitrano fandrianao ary ao am-parafaranao aza, hiditra any an-tranon'ny mpanomponao sy ny vahoakanao ary koa any amin'ny lafaoro sy ny fanaova-mofonao.

29 Eny, hananika anao sy ny mpanomponao rehetra ary ny vahoakanao ireo sahona ireo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0557