Eksôdy
Toko faha-18
1 Ary ren'i Jetrao, mpisorona tao Midiana sady rafozan-dahin'i Mosesy, izay rehetra nataon'ny TOMPO ho an'i Mosesy sy ilay Israely vahoakany, dia ny namoahany azy niala tany Ejipta.2 Taorian'ny nandefasan'i Mosesy an'i Tsipora telo mianaka tany amin'i Jetrao, dia nentin'i Jetrao i Tsipora zanany vavy, vadin'i Mosesy,
3 niaraka tamin'ny zanany roa lahy. Ny lahimatoa dia nantsoin'i Mosesy hoe Gersoma na Vahiny aty, fa hoy izy hoe: Efa vahiny aty an-tany hafa aho;
4 ary ilay zandriny kosa nantsoiny hoe Elihezera na Andriamanitro mamonjy ahy, fa hoy izy hoe: Ny Andriamanitry ny raiko no namonjy ahy, ka niaro ahy tamin'ny famelezan'ny Farao.
5 Dia lasa i Jetrao niaraka tamin'ny vady aman-janak'i Mosesy nankany amin'i Mosesy tany an-taniefitra, dia izay nitobiany teo anilan'ny tendrombohitr'Andriamanitra.
6 Nampilaza tamin'i Mosesy i Jetrao hoe: Izaho rafozanao no ho avy any aminao, miaraka amin'ny vadinao sy ny zanakao roa lahy.
7 Dia niainga hitsena azy i Mosesy, niankohoka teo anatrehany sady nanoroka azy. Ary rehefa avy nifampiarahaba izy dia niditra tao an-dain'i Mosesy.
8 Notantarain'i Mosesy tamin'ny rafozany avokoa izay rehetra nataon'ny TOMPO tamin'ny Farao sy ny Ejiptianina noho ny amin'i Israely; notantarainy koa ny zava-tsarotra rehetra niseho teny an-dalana sy ny nanafahan'ny TOMPO ilay vahoakany.
9 Nahafaly an'i Jetrao ny soa rehetra nataon'ny TOMPO tamin'ny Israelita izay nafahany tamin'ny famoretan'ny Ejiptianina,
10 ka hoy i Jetrao hoe: -Hoderaina anie ny TOMPO Izay nanafaka anareo tamin'ny famoretan'ny Farao sy ny Ejiptianina.
11 Fantatro izao fa ny TOMPO dia lehibe mihoatra noho ny andriamanitra hafa rehetra; ny zavatra izay nataony rehefa nisetrasetra taminareo ny Ejiptianina no nanehoany izany.
12 Nanolotra sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana tamin'Andriamanitra i Jetrao. Koa tonga i Aharona sy ny loholon'i Israely rehetra hihinana ny sakafo masina niaraka tamin'ny rafozan'i Mosesy teo anatrehan'Andriamanitra.
13 Nony ampitso dia nipetraka mba hitsara ny adin'ny vahoaka i Mosesy. Nanomboka ny maraina ka mandra-paharivan'ny andro dia nijajirika teo ny olona mba hahazo miseho eo anatrehan'i Mosesy.
14 Koa raha nahita ireo zavatra rehetra tsy maintsy hataony amin'i vahoaka ny rafozany, dia niteny tamin'i Mosesy hoe: -Inona izao zavatra ataonao amin'ny vahoaka izao? Nahoana no ianao irery no manao ny asa, ka mahatonga ny olona hijajirika manomboka ny maraina ka mandra-paharivan'ny andro rehefa hiseho eo anatrehanao?
15 Fa namaly an-drafozany i Mosesy hoe: -Satria ireo olona ireo dia tonga aty amiko mba hitady ny fitsarana avy amin'Andriamanitra.
16 Rehefa misy raharaha mampifanolana azy, dia tonga aty amiko izy ireo: mitsara ny raharaha mampifanolana azy aho, ary mampahafantatra azy ny fitsipik'Andriamanitra sy ny lalanany.
17 Dia hoy indray ny rafozany: -Tsy tsara ny fomba anaovanao ny raharaha!
18 Samy ho reraka mihitsy na ianao na ireto olona tonga aty aminao. Mavesatra loatra aminao izao andraikitra izao ka tsy ho vitanao samirery!
19 Henoy ary ny torohevitro aminao, ka homba anao anie Andriamanitra: Ny anjaranao dia ny misolotena ny vahoaka amin'Andriamanitra, ka mitondra eo anatrehan'Andriamanitra ny raharaha mampifanolana.
20 Ianao koa no hampianatra azy ny fitsipik'Andriamanitra sy ny lalanany, ka hampahalala azy ny lalana tokony hizorany sy ny asa tokony hataony.
21 Fa ny amin'ny sisa, dia mifidiana lehilahy be herimpo ao amin'ny vahoaka, dia lehilahy fatra-panaja an'Andriamanitra, tia fahamarinana sady tsy mandray tsolotra; ka tendreo ireo ho mpifehy arivo sy mpifehy zato na ho mpifehy dimampolo sy mpifehy folo.
22 Ireo no hitsara ny vahoaka isan'andro, ka ny raharaha lehibe no hoentiny any aminao, fa ny raharaha madinika dia halaminy ihany. Amin'izay dia hihamaivana ny andraikitrao fa miara-mitondra aminao ireo.
23 Raha ataonao izany zavatra izany, ka izay no andidian'Andriamanitra anao, dia tsy ho reraka ianao; ary ny olona koa dia ho afaka mody any aminy vita fihavanana.
24 Narahin'i Mosesy avokoa ny torohevitry ny rafozany:
25 nifidy lehilahy be herimpo teo amin'ny Israelita izy, ka nanendry azy ho tompon'andraikitra amin'ny vahoaka, ho mpifehy arivo sy mpifehy zato na ho mpifehy dimampolo sy mpifehy folo.
26 Ireo no nitsara ny vahoaka isan'andro amin'ny zavatra madinika mampifanolana azy; ny raharaha lehibe dia nentiny tany amin'i Mosesy, fa ny raharaha madinika dia nalaminy ihany.
27 Dia nalefan'i Mosesy nandeha nody any amin'ny taniny ny rafozany.