Eksôdy

Toko faha-24

1 Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Miakara aty Amiko ety an-tendrombohitra miaraka amin'i Aharona sy i Nadaba sy i Abiho ary loholona fitopolo amin'ny Israely. Ka raha mbola eny lavidavitra eny ianareo, dia aoka hiankohoka amin'ny tany.

2 Avy eo dia ianao ihany no hanatona AHY, fa ny sisa kosa tsy mahazo manatona; ary ny vahoaka dia tsy hiakatra ety an-tendrombohitra miaraka aminareo.

3 Dia lasa nitatitra tamin'ny Israelita izay rehetra nolazain'ny TOMPO sy nandidiany azy i Mosesy, ka novalian'ny vahoaka manontolo indray niredona hoe: -Ny zavatra rehetra izay nandidian'ny TOMPO anay dia hotanterahinay avokoa.

4 Nosoratan'i Mosesy avokoa ny tenin'ny TOMPO taminy; ary nony ampitso dia nifoha maraina izy ka nanamboatra alitara iray teo am-pototry ny tendrombohitra sy nanangana tsangambato 12, ka iray avy isam-poko tao amin'ny Israely.

5 Naniraka tovolahy israelita izy mba hanolotra sorona dorana manontolo ho an'ny TOMPO sady hitondra ombilahy hatao sorom-pihavanana.

6 Dia nalain'i Mosesy ny antsasaky ny ran'ny biby ka nataony tao an-dovia, fa ny antsasany kosa nafafiny teo ambony alitara.

7 Avy eo dia nalainy ny bokin'ny fanekempihavanana ka novakiny mafy teo imason'ny vahoaka. Dia nanambara ny Israelita hoe: -Ny zavatra rehetra izay nandidian'ny TOMPO anay dia hotanterahinay an-tsakany sy an-davany.

8 Koa nalain'i Mosesy ary ny ra tao amin'ny lovia, dia nafafiny tamin'ny Israelita sady nataony hoe: -Ity ra ity no manamafy ny fanekempihavanana izay nataon'ny TOMPO taminareo fony Izy nanome ireo didy rehetra ireo ho anareo.

9 Taorian'izany, dia niakatra teny an-tendrombohitra i Mosesy, niaraka tamin'i Aharona sy i Nadaba sy i Abiho ary loholona fitopolo tamin'i Israely.

10 Ary nahita an'ilay Andriamanitr'i Israely izy ireo: ny teo ambany tongony dia karazana lampivato safira, manga manganohano toa volon-danitra.

11 Tsy namely ireto olo-manga israelita ireto Andriamanitra, ka afaka nijery Azy ry zareo sady nihinana sy nisotro.

12 Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Miakara ety akaikiko ety an-tendrombohitra, ary mijanona eo. Homeko anao ny vatofisaka izay nanoratako ny didy aman-dalana mba hampianarinao ny Israelita.

13 Dia niakatra teo an-tendrombohitr'Andriamanitra i Mosesy, niaraka tamin'i Josoa mpanompony,

14 rehefa avy nilaza tamin'ny loholona hoe: Andraso eto izahay mandra-piverinay. Indreo i Aharona sy i Hora hijanona miaraka aminareo; koa raha misy manana olana, dia manatona azy roa lahy.

15 Raha mbola nandroso niakatra ny tendrombohitra i Mosesy, dia rakotry ny rahona ny tendrombohitra.

16 Nipetraka teo an-tendrombohitra Sinay ny voninahitry ny TOMPO, ka ny rahona no nandrakotra azy nandritra ny enina andro. Tamin'ny andro fahafito dia niantso an'i Mosesy tao afovoan'io rahona io Andriamanitra.

17 Toy ny afo mandevona no fahitan'ny Israelita ny voninahitry ny TOMPO teo an-tampon'ny tendrombohitra Sinay.

18 Niditra tao afovoan'ny rahona i Mosesy, ka nanohy niakatra ny tendrombohitra ary nijanona tao an-tendrombohitra nandritra ny efapolo andro sy efapolo alina.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.057