Eksôdy

Toko faha-3

1 Niandry ny ondrin'i Jetrao rafozany, mpisorona tao Midiana i Mosesy. Indray andro, rehefa avy nitondra ny ondry aman'osy tany ankoatra ny taniefitra izy, dia tonga tao Horeba tendrombohitr'Andriamanitra.

2 Tao izy no nisehoan'ny anjelin'ny TOMPO tanaty lelafo teo afovoan'ny roimemy anankiray. Hitan'i Mosesy fa mirehitra afo ny roimemy, kanefa tsy nisy nahalevonana.

3 Dia tapa-kevitra hanatona i Mosesy mba hizaha io fisehoana mahagaga io hahalalany izay antony tsy ahalevonan'ny roimemy.

4 Rehefa hitan'ny TOMPO fa nanatona mba hizaha i Mosesy, dia tao afovoan'ny roimemy Izy no niantso azy nanao hoe: -Ry Mosesy! Ry Mosesy! Ka hoy ny navaliny Azy: -Inty aho.

5 Dia hoy ny TOMPO hoe: -Aza manatona ny roimemy! Esory ny kapa amin'ny tongotrao fa tany masina ny toerana ijoroanao.

6 Izaho no Andriamanitry ny rainao, Andriamanitr'i Abrahama sy i Itsehaka ary i Jakoba. Dia nisaron-tava i Mosesy fa natahotra ny hijery an'Andriamanitra.

7 Ary hoy ny TOMPO hoe: -Efa hitako tokoa ny fahorian'ny vahoakako any Ejipta ary efa reko ny fitarainany noho ny famelezan'ireo mpampahory azy; eny, fantatro ny fijaliany.

8 Koa tafidina Aho mba hanafaka azy amin'ny fahefan'ny Ejiptianina, ka hampiakatra azy hiala amin'ny tany Ejipta mba ho any amin'ny tany tsara sy midadasika, any amin'ny tany tondra-dronono sy tantely, dia ny toerana misy ny Kanahanita sy ny Hetita, ny Amorita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita.

9 Ankehitriny dia efa tonga eto amiko ny fitarainan'ny Israelita, ary efa hitako koa ny fahoriana izay ampijalian'ny Ejiptianina azy.

10 Koa izao ankehitriny izao dia irahiko ho any amin'ny Farao ianao. Mandehana, avoahy hiala avy any Ejipta ny Israelita vahoakako.

11 Fa hoy i Mosesy tamin'Andriamanitra: -Zinona moa aho no hankany amin'ny Farao ka hamoaka ny Israelita hiala avy any Ejipta?

12 Ary hoy Andriamanitra hoe: -Homba anao tokoa Aho; ary izao no porofo fa Izaho no naniraka anao: rehefa avy namoaka ny vahoaka israelita avy tany Ejipta ianao, dia hanao fanompoam-pivavahana amiko eto amin'ity tendrombohitra ity ianareo.

13 Ka hoy i Mosesy tamin'Andriamanitra: -Eny ary fa hankany amin'ny Israelita aho izao hilaza aminy hoe: Ilay Andriamanitry ny razanareo no naniraka ahy ho aty aminareo. Saingy hanontany ahy ny anaranao izy, koa inona no havaliko azy?

14 Dia hoy Andriamanitra tamin'i Mosesy: -Izaho no Ilay hatrizay ka ho mandrakizay. Koa izao no holazainao amin'ny Israelita: Ilay hatrizay ka ho mandrakizay no naniraka ahy ho aty aminareo.

15 Dia ampio hoe: Ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo, ilay Andriamanitr'i Abrahama sy i Itsehaka ary i Jakoba, no naniraka ahy ho aty aminareo. Izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy isaky ny taranaka mifandimby.

16 Mandehana, vorio ny loholon'i Israely ka ilazao hoe: Ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo, ilay Andriamanitr'i Abrahama sy i Itsehaka ary i Jakoba, no efa niseho tamiko ka nilaza fa nitsinjo anareo sy nahita ny fomba afitsoka anareo aty Ejipta;

17 koa tapa-kevitra Izy fa hanaisotra anareo hiala amin'ny fahoriana aty ho any amin'ny tanin'ny Kanahanita sy ny Hetita, ny Amorita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita, dia tany tondra-dronono sy tantely.

18 Hihaino anao ireo Israelita; koa mandehana ianao sy ny loholon'i Israely mankany amin'ny mpanjakan'i Ejipta, ka lazaonareo aminy hoe: Niseho taminay ny TOMPO Andriamanitry ny Hebreo, ilay Andriamanitray, koa mba avelao izahay handeha lalana telo andro ho any an-taniefitra hanolotra sorona ho AZY.

19 Kanefa fantatro fa tsy hamela anareo handeha ny mpanjakan'i Ejipta raha tsy terem-pahefana mahery.

20 Izany no hanehoako ny fahefako tsy hay tohaina ka hamelezako an'i Ejipta amin'ny zava-mahagaga rehetra izay hataoko ao anatiny, ary aorian'izany vao halefany ianareo.

21 Homeko tombontsoa eo imason'ny Ejiptianina ity vahoaka ity ka tsy hitondra tanam-polo mody.

22 Ny vehivavy israelita tsirairay avy dia samy hangataka amin'ny vehivavy ejiptianina ao aminy na manodidina azy firavaka volafotsy sy volamena mbamin'ny fitafiana. Hampitondrainareo ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo ireny, ka hataonareo fongana ny Ejiptianina.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0601