Eksôdy

Toko faha-32

1 Nony hitan'ny vahoaka israelita fa tara ny fidinan'i Mosesy avy any an-tendrombohitra, dia nivory teo amin'i Aharona izy, ka nanao taminy hoe: -Ndeha anaovy andriamanitra iray izahay handeha eo alohanay, satria tsy fantatray izay nanjo an'i Mosesy, ilay lehilahy namoaka anay hiala tany Ejipta.

2 Fa novalian'i Aharona hoe: -Esory ny kavim-bolamena eny an-tsofin'ny vadinareo sy ny zanakalahinareo ary ny zanakavavinareo, ka ento aty amiko.

3 Dia samy nanaisotra ny kavim-bolamena teny an-tsofiny ny Israelita rehetra, ka nitondra ny azy tany amin'i Aharona.

4 Noraisin'i Aharona ireny ka nempoiny ary nararany tamin'ny lasitra, dia nanaovany sarivongana ombilahikely iray. Dia nihoraka ny Israelita hoe: -Ity no andriamanitsika izay namoaka antsika hiala tany Ejipta!

5 Nony hitan'i Aharona izany, dia namboatra alitara iray teo anoloan'ny sarivongana izy, ary nanambara hoe: -Hisy fety hanomezam-boninahitra ny TOMPO rahampitso!

6 Nony ampitso dia nifoha maraina ny vahoaka israelita ka nanolotra sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana teo amin'io alitara io. Ary nipetraka hihinana sy hisotro ny vahoaka, ary avy eo dia nitsangana mba hifalifaly.

7 Dia nilaza tamin'i Mosesy ny TOMPO hoe: -Andeha midina izao ianao, fa efa nanao heloka bevava ny vahoaka izay navoakanao hiala tany Ejipta.

8 Nalaky nivily hiala tamin'ny lalana izay nasaiko nalehany izy, fa nanamboatra sarivongana ombilahikely ho azy, sady niankohoka taminy ary nanao sorona ho azy. Nilaza aza izy hoe: Ity no andriamanitsika izay namoaka antsika hiala tany Ejipta!

9 Ary hoy Izaho TOMPO taminao: Hitako tsara io vahoaka io fa mafy hatoka.

10 Koa ankehitriny, avelao hanaovako azy: haringako amin'ny fahatezerako izy, fa ianao kosa hataoko firenena lehibe.

11 Fa niangavy ny TOMPO Andriamaniny i Mosesy mba ho tony ka nanao hoe: -TOMPO o, nahoana no hanampatra ny fahatezeranao amin'ny vahoakanao Ianao, rehefa avy nampiasa hery lehibe sy fahefana tsy hay tohaina mba hamoaka azy hiala tany Ejipta?

12 Raha izany no hataonao, dia hiteny ny Ejiptianina hoe: Halozana no namoahan'ny Tompo ireo Israelita ireo hiala ny tanintsika, mba handringanany azy any an-tendrombohitra, ary hanafoanany azy tsy ho eto ambonin'ny tany intsony. TOMPO o, toneo ny hatezeranao, ary avelao ny loza saika hamelezanao ny vahoakanao.

13 Tsarovy i Abrahama sy i Itsehaka ary i Jakoba mpanomponao izay nianiananao ka nilazanao hoe: Hataoko marobe toy ny kintana eny amin'ny habakabaka ny taranakareo. Homeko azy ny tany rehetra izay nampanantenaiko, ka ho fananany raikitra izany.

14 Dia najanon'ny TOMPO tamin'izay ny loza nolazainy hamelezana ny vahoakany.

15 Ary nitodi-doha i Mosesy, ka nidina avy eny an-tendrombohitra. Nentiny teny an-tanany ny vatofisaka roa izay nanoratana ny didin'Andriamanitra, samy voasikotra teo amin'ny lafiny anankiray.

16 Asan'Andriamanitra ireo vatofisaka roa ireo, nosoratan'ny tanan'Andriamanitra mihitsy.

17 Ren'i Josoa ny feon'ny vahoaka nihorakoraka, ka hoy izy tamin'i Mosesy: -Horakoraky ny ady any an-toby izany!

18 Fa namaly azy i Mosesy hoe: -Tsia, tsy horakora-pandresena, na kiakiakam-paharesena no reko, fa hiram-pety.

19 Raha vao nanatona ny toby izy, dia hitan'i Mosesy ny sarivongana ombilahikely sy ny vahoaka nandihy. Tezitra i Mosesy, ka natsipiny ny vatofisaka teny an-tanany sady nopotipotehiny teo am-pototry ny tendrombohitra.

20 Nalain'i Mosesy koa ny sarivongana ombilahikely izay namboarin'ireo ka nodorany tamin'ny afo. Avy eo, notorotoroiny ho vovoka ny sisa tavela, dia naparitany tamin'ny rano, rano izay nasainy nosotroin'ny Israelita.

21 Ary nanontany an'i Aharona izy hoe: -Nanao inona anao ity vahoaka ity no dia nentinao amin'izao heloka bevava izao?

22 Fa novaliany hoe: -Aza tezitra ianao, tompoko. Fantatrao ihany fa mailaka hanao ratsy ity vahoaka ity.

23 Tonga nilaza tamiko izy hoe: Anaovy andriamanitra izahay hitarika anay satria tsy fantatray izay nanjo an'i Mosesy, ilay lehilahy namoaka anay hiala tany Ejipta.

24 Dia nanontany azy aho hoe: Iza ary no manana volamena? Niaraka tamin'izay dia nesorin-dry zareo ny firavaka teny aminy ka natolony ahy. Narendriko tamin'ny afo kosa izany, ary io ombilahikely io no nivoaka avy tao.

25 Tsapan'i Mosesy tamin'izay fa navelan'i Aharona hanao izay tiany hatao ny vahoaka, sady navelany hataon'ny fahavalony ho fihomehezana.

26 Koa nitsangana teo am-bavahadin'ny toby izy, ary niantso hoe: -Izay an'ny TOMPO, mankanesa ety amiko! Dia nitangorona teo amin'i Mosesy ny Levita rehetra,

27 ka nitenenany hoe: -Izao no baikon'ny TOMPO, Andriamanitr'i Israely: Samia mandray ny sabany avy ianareo, ka mandehana mivezivezy isam-baravarana ato amin'ny toby, vonoy ny rahalahinareo sy ny namanareo ary ny mpifanolo-bodirindrina aminareo.

28 Nankatoavin'ny Levita ny tenin'i Mosesy, ka Israelita telo arivo eo ho eo no maty tamin'izany andro izany.

29 Dia hoy i Mosesy tamin'ny Levita: -Androany dia voatokana ho amin'ny fanompoana ny TOMPO ianareo, satria novonoinareo na dia ny zanakareo sy ny rahalahinareo aza. Homen'ny TOMPO anareo anio anie ny fitahiana.

30 Nony ampitso dia hoy i Mosesy tamin'ny vahoaka israelita: -Nanao heloka bevava ianareo. Koa hiakatra ho any an-tendrombohitra any amin'ny TOMPO aho izao; angamba hahazo famelana ny helokareo aho.

31 Dia niverina tany amin'ny Tompo i Mosesy ka nanao hoe: -Indrisy, TOMPO o! Efa nanao heloka bevava ity vahoaka ity fa nanao andriamani-bolamena.

32 Koa ankehitriny raha sitrakao dia avelao ny helony, raha tsy izany dia vonoy ny anarako ao amin'ny bokim-piainana izay nosoratanao.

33 Dia hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Tsia, tsy misy hovonoiko ao amin'ny bokiko afa-tsy ny anaran'ireo izay nanota tamiko ihany.

34 Koa ankehitriny mandehana, ento any amin'ny toerana izay natoroko anao io vahoaka io; indro ny anjeliko hiaraka aminao. Fa amin'ny andro iray hamaizako azy, dia hanafay azy aho noho ny helony.

35 Koa namely ny Israelita ny TOMPO satria nangataka tamin'i Aharona ireo mba hanao sarivongana ombilahikely ho azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0575