Eksôdy

Toko faha-33

1 Nibaiko an'i Mosesy ny TOMPO hoe: -Mandehana, miala amin'ity toerana ity ianao sy ny vahoaka izay navoakanao hiala tany Ejipta, ka mankanesa any amin'ny tany izay nianianako tamin'i Abrahama sy i Itsehaka ary i Jakoba fa homeko ny taranany.

2 Hirahiko ny anjeliko mba hitari-dalana anareo; horoahiko ny Kanahanita sy ny Amorita, ny Hetita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita.

3 Amin'izay ianareo dia ho afaka hiditra amin'io tany izay tondra-dronono sy tantely io. Saingy tsy hiara-mandeha aminareo ny tenako, fandrao haringako eny an-dalana ianareo satria vahoaka mafy hatoka.

4 Nony ren'ny vahoaka izany teny fandrahonana izany, dia nisaona izy, ka tsy nisy olona nitondra haingo intsony.

5 Ny TOMPO manko efa nandidy an'i Mosesy mba hilaza amin'ny Israelita hoe: Vahoaka maditra mafy hatoka ianareo rehetra! Koa raha hiara-mandeha aminareo Aho, na dia indray mipi-maso aza, dia handevona anareo. Koa esory aminareo aloha ireo haingonareo, dia ho fantatro amin'izay ny hataoko aminareo.

6 Noho izany, raha vao niala tao an-tendrombohitra Horeba ireo Israelita, dia nanaisotra ny haingony.

7 Isak'izay nilasy an-toby ny Israelita, dia nalain'i Mosesy ny tranolay masina ka naoriny teny ivelan'ny toby, teny lavidavitra. Nantsoina hoe Tranolay fihaonana izany, satria izay rehetra te hanontany ny TOMPO dia mivoaka ny toby ka mankao amin'izany tranolay izany.

8 Rehefa mankany i Mosesy, dia mitsangana avokoa ny olona mankeo am-baravaran'ny tranolainy avy, ka mijery an'i Mosesy ambara-pidiny ao amin'ny tranolay masina.

9 Rehefa tafiditra i Mosesy, dia nidina ny andry rahona ka nijanona teo am-baravaran'ny Tranolay fihaonana ary niresaka tamin'i Mosesy ny TOMPO.

10 Raha vao hitan'ny Israelita rehetra ny andry rahona nijanona teo am-baravaran'ny tranolay masina, dia samy niankohoka amin'ny tany teo am-baravaran'ny tranolay avy ny tsirairay.

11 Ary ny TOMPO niteny nifanatrika tamin'i Mosesy tahaka ny olona miresaka amin'ny sakaizany. Taorian'izay dia niverina ho an-toby i Mosesy; fa i Josoa, zanakalahin'i Nona sady zatovo mpanompon'i Mosesy, no mbola nijanona tao anatin'ny tranolay masina.

12 Hoy i Mosesy tamin'ny TOMPO: -Jereo ange, TOMPO o! Ianao nandidy ahy mba hitarika ity vahoaka ity, nefa tsy nanondro izay tianao halefa hanampy ahy. Ianao ihany no nilaza fa fantatrao mihitsy aho ary nahazo fanambinana teo imasonao.

13 Koa raha mahazo fanambinana teo imasonao tokoa aho, dia mba ampahafantaro ahy izay fikasanao. Ho fantatro Ianao amin'izay; sady ho tena nahazo fanambinana teo imasonao aho. Tsarovy koa fa ity firenena ity dia vahoakanao.

14 Dia namaly ny TOMPO hoe: -Izaho mihitsy no handeha hiaraka aminao, ka hanome anao fiadanana!

15 Fa hoy indray i Mosesy taminy: -Raha tsy Ianao mihitsy no handeha hiaraka aminay, dia aza mibaiko anay hiala eto.

16 Raha toa manko tsy hiaraka aminay Ianao, ahoana no hahafantarana fa nahazo fanambinana teo imasonao ny tenako sy ny vahoakanao? Satria ny fiarahanao aminay ihany no mampiavaka anay amin'ireo vahoaka hafa rehetra eto ambonin'ny tany.

17 Dia hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Hotanterahiko na dia izay vao nolazainao teo aza. Nahazo fanambinana teo imasoko manko ianao sady efa fantatro mihitsy.

18 Hoy koa i Mosesy tamin'ny Tompo: -Avelao ary aho mba hahita ny voninahitrao.

19 Dia novalian'ny TOMPO hoe: -Handalo eo anatrehanao Aho ka haneho aminao ny hatsaram-poko manontolo sady hanambara ny anarako hoe Ny TOMPO. Fa hiantra izay tiako hiantrana Aho, ary hamindrafo amin'izay tiako hamindrana fo.

20 Kanefa ianao tsy mahazo mijery Ahy miatrika, satria tsy misy olona hijery Ahy miatrika ka ho velona.

21 Fa eto akaikiko eto, hoy Izaho TOMPO, dia misy toerana an-karambato hijanonanao.

22 Rehefa mandalo mamirapiratry ny voninahitro Aho, dia hafeniko eo an-tsefatsefaky ny harambato ianao, ary hosaronako amin'ny tanako mandra-pandaloko.

23 Avy eo vao hoesoriko ny tanako, ka ho azonao jerena avy ao ivohoko Aho, satria tsy azo jerena ny tavako.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0569