Eksôdy
Toko faha-31
1 Hoy koa ny TOMPO tamin'i Mosesy:2 -Jereonao fa nofidiko i Betsalela, zanakalahin'i Ory sady zafikelin'i Hora, avy amin'ny fokon'i Joda,
3 ary nofenoiko ny Fanahiko mba ho tena kinga sy marani-tsaina ka mahalala ny haitao isan-karazany:
4 hainy ny manao vinavinan'asa, ny miasa volamena sy volafotsy ary halimo,
5 ny mandidy ny vatosoa sy mandrafitra azy, ny manao sokitra ny hazo, izany hoe hainy atao ny asa kanto samihafa.
6 Ary indro nomeko ho lefiny i Oholiaba, zanakalahin'i Ahisamaka, avy amin'ny fokon'i Dana, sady efa nomeko ny fahakingana lehibe izay an'ireo mpahay taozavatra hafa koa. Izy ireo no hiaraka hanatanteraka izay rehetra nandidiako anao hatao:
7 dia ny Tranolay fihaonana, ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana, ny saron'ny Vatamasina, ny fitaovana rehetra momba ny tranolay masina,
8 ny latabatra voatokana, ny fitoeran-jiro volamena madio sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ny alitara fandoroana vovo-javamanitra,
9 ny alitara fanaovana sorona sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ny tavy fidiovana sy ny faladiany,
10 ny lamba fandrakofana ny fanaka, ny fanamiana voatokana hiakanjoan'i Aharona sy ny zanany lahy eo am-panaovana ny raharahany,
11 ny ilomasina fampiasa amin'ny fanokanana, ary ny vovo-javamanitra voatokana ho an'ny Toeramasina. Hanaraka tanteraka ny torolalana izay nandidiako anao ny mpahay taozavatra amin'ny fanaovana ireo rehetra ireo.
12 Niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO,
13 mba hamepetra ny Israelita hoe: -Tsy maintsy hajainareo mihitsy ny andro sabata, satria ny sabata no mariky ny fifandraisako aminareo isaky ny taranaka mifandimby, ka hiekena fa Izaho no TOMPO Izay nifidy anareo ho vahoakako.
14 Koa manaja ny sabata, fa andro voatokana aminareo izany. Fa izay tsy manaja ny andro sabata fa manao raharaha amin'io andro io dia hoesorina tsy ho anisan'ny firenena israelita ary hovonoina ho faty mihitsy.
15 Misy andro enina hiasana isan-kerinandro, fa ny andro fahafito dia sabata, andro fitsaharana voatokana ho Ahy TOMPO. Koa izay olona rehetra miasa amin'ny andro sabata dia hovonoina ho faty.
16 Tsy maintsy hajain'ny Israelita isaky ny taranaka mifandimby ny sabata satria fanekempihavanana raikitra izany.
17 Io andro io hatrany hatrany no ho mariky ny fifandraisana amiko sy amin'ny Israelita; enina andro manko no namoronako ny lanitra sy ny tany, fa tamin'ny andro fahafito dia nitsahatra Aho ary niala sasatra.
18 Rehefa vitan'Andriamanitra ny resaka nataony tamin'i Mosesy tao an-tendrombohitra Sinay, dia nomeny an'i Mosesy ny vatofisaka misy ny lalana izay nosoratan'ny rantsan-tanan'Andriamanitra.