Eksôdy
Toko faha-28
1 Ry Mosesy, ampanatony ho eo akaikinao i Aharona rahalahinao sy ny zanany efa-dahy, dia i Nadaba sy i Abiho ary i Elehazara sy i Itamara. Avaho amin'ny Israelita ireo mba hanompo Ahy amin'ny fisoronana.2 Hanaovana fanamiana voatokana i Aharona ho mariky ny voninahitra amam-piandrianany.
3 Ny torohevitra rehetra dia ambarao amin'ireo mpahay taozavatra izay nofenoiko hakingana, ka ireo no hanao ny fanamiana izay hoentin'i Aharona amin'ny fanokanana azy ho mpisorona ho Ahy.
4 Ireo fanamiana izay hataony dia ny saron-tratra, ny efoda, ny akanjo lava ivelany, ny akanjo vita peta-kofehy, ny satroka fehiloha ary ny fehikibo. Hanaovan'i Aharona rahalahinao sy ny taranany ireo rehefa manao fisoronana amiko izy.
5 Volon'ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky mbamin'ny rongony madinika sy kofehy volamena no hampiasain'ireo mpahay taozavatra.
6 Mpahay taozavatra no hanao ny efoda amin'ny kiran-drongony mafy, mifangaro volon'ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, ka asiana peta-kofehy volamena.
7 Beritelo zairina amin'ny sisiny roa no hitondrana ny efoda.
8 Hotenomina ho iray amin'ny efoda sady hatao amin'ny kofehy mitovy amin'ny nanaovana azy ny samboady fitazonana ny efoda.
9 Avy eo dia halaina ny vato berila roa izay hanoratana an-tsokitra ny anaran'ireo zanakalahin'i Jakoba:
10 ka ny anarana enina amin'ny vato voalohany, ary ny anarana enina amin'ny vato faharoa, arakara-jokiny.
11 Mpivaofy vato no hisokitra ny anarana amin'ireo vato roa ireo; hataony toy ny fisokitra tombokase izany ka hapetaka anaty bokom-bolamena anankiroa.
12 Avy eo dia hapetany eo ambony beritelon'ny efoda ireo vato roa ireo mba ho fahatsiarovana ny Israelita foko 12. Amin'izay i Aharona dia hitondra ny anaran'izy ireo eny an-tsorony ao amin'ny Toeramasina, ka Izaho TOMPO tsy hanadino anareo.
13 Rehefa vita ny bokom-bolamena anankiroa,
14 dia hapetaka eo koa ny rojo volamena madinika anankiroa miolanolana toy ny tady voarandrana.
15 Mpahay taozavatra no hanao ny saron-tratra fitsarana amin'ny kiran-drongony mafy, mifangaro volon'ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, sady hasiana peta-kofehy volamena toy ny efoda.
16 Ho paosy efamira izy io, ka mirefy 25 santimetatra ny lafiny tsirairay
17 ary horavahana laharam-batosoa efatra: ny laharana voalohany dia sardoanina sy topaza ary emeralda;
18 ny laharana faharoa dia robisy sy safira ary diamondra;
19 ny laharana fahatelo dia opaka sy agata ary ametista;
20 ny laharana fahefatra dia krizolita sy berila ary jaspa. Samy apetaka anaty bokom-bolamena avy ny vato tsirairay.
21 Hosoratana an-tsokitra eo amin'ny vatosoa tsirairay avy ny anaran'ireo zanakalahin'i Jakoba izay miisa 12; hatao toy ny fisokitra tombokase izany, ka ireo vato ireo no ho solotenan'ny foko israelita 12.
22 Rojo volamena madio anankiroa, miolanolana toy ny tady voarandrana, no hatao eo amin'ny saron-tratra;
23 hisy haba volamena roa hamboarina ka hapetaka eo amin'ny zorony roa ambony amin'ny saron-tratra.
24 Hafatotra tsirairay amin'ireo haba amin'ny saron-tratra ireo ny rojo volamena madinika;
25 ary ny lanin'ny rojo roa kosa dia hapetaka amin'ny bokom-bolamena izay eo ambonin'ny beritelon'ny efoda mba hahatonga ny saron-tratra ho eo anoloana.
26 Hisy haba volamena roa hafa koa hamboarina ka hapetaka eo amin'ny zorony roa ambany amin'ny saron-tratra manolotra ny efoda.
27 Mbola hisy haba volamena roa hafa koa hamboarina ka hapetaka eo ambanin'ny beritelon'ny efoda eo anoloana, eo amin'ny fikambanany; eo ambonin'ny samboadin'ny efoda no hametrahana ireo haba volamena ireo.
28 Hatohy tady volomparasy ny haban'ny saron-tratra sy ny haban'ny efoda mba ho eo ambonin'ny beritelon'ny efoda ilay saron-tratra ka tsy hifindrafindra eo amin'ny efoda.
29 Amin'izay, rehefa miditra ao amin'ny Toeramasina i Aharona, dia hitondra eny an-tratrany ny saron-tratra fitsarana misy ny anaran'ny fokon'i Israely; ka Izaho TOMPO amin'izay dia tsy hanadino anareo na oviana na oviana.
30 Ary ianao, ry Mosesy, apetaho eo amin'ny saron-tratra fitsarana ny Orima sy Tomima mba hoentin'i Aharona eny an-tratrany rehefa hiseho eo anatrehako Izaho TOMPO izy; tsy maintsy entin'i Aharona mandrakariva eny aminy manko ireny isaky ny ho ao amin'ny Toeramasina izy mba hahazoany mamantatra ny sitrapoko momba ny Israelita.
31 Ny akanjo lava ivelany izay hitondran'i Aharona ny efoda dia hatao manontolo amin'ny volon'ondry miloko volomparasy.
32 Hasiana vavany eo afovoany mba hidiran'ny loha, ka hotenomina sy hohamafisina ny sisiny manodidina io vavany io mba tsy ho rovitra.
33 Ny moron-tongotr'akanjo manodidina dia horavahana sarin'ampongabendanitra vita amin'ny volon'ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, sady hasiana lakolosy kely volamena.
34 Ny sarin'ampongabendanitra dia hifanelanelana amin'ny lakolosy kely.
35 Hanaovan'i Aharona io fanamiana io rehefa manao ny raharaha maha mpisorona izy: koa rehefa hiseho eo anatrehako ao amin'ny Toeramasina izy, na hiala tao, dia ho heno ny feon'ny lakolosy kely ka tsy ho faty izy.
36 Hisy takela-bolamena madio iray hamboarina, ka hatao miendrika voninkazo ary eo amboniny hasiana soratra voasokitra toy ny amin'ny tombokase hoe: 'Voatokana ho an'ny TOMPO'.
37 Dia hafatotra amin'ny tady volon'ondry miloko volomparasy eo ambonin'ny satroka fehiloha, eo anoloana izy.
38 Hoentin'i Aharona mandrakariva eny amin'ny handriny io takela-bolamena io rehefa hiseho eo anatrehako Izaho TOMPO izy, ka amin'izay dia hoekeko ny fanatitra rehetra izay hatokan'ny Israelita ho Ahy na dia manao hadisoana aza ireo amin'ny fanolorana azy.
39 Farany dia hanenomana akanjo lava vita rongony i Aharona, ary hanaovana satroka fehiloha rongony sy fehikibo vita peta-kofehy.
40 Ary ireo zanakalahin'i Aharona koa dia hanaovana fanamiana mihaja sy be voninahitra, dia akanjo lava sy fehikibo ary satroka boribory.
41 Ry Mosesy, hampiakanjoinao ireo fanamiana ireo i Aharona zokinao sy ny zanany lahy ary hohosoranao diloilo ny lohany, dia hapetrakao amin'ny toerany izy; toy izany no hanokananao azy hanompo Ahy amin'ny maha mpisorona azy.
42 Mba hanaronana ny fitanjahany, dia hanaovana kilaoty rongony izy hanarona ny hatreo amin'ny tehezany ka hatramin'ny feny.
43 Hiakanjoan'i Aharona sy ny zanany izany rehefa hiditra ao amin'ny Tranolay fihaonana izy, na manatona eo amin'ny alitara hanao ny raharaha maha mpisorona ao amin'ny Toeramasina. Izany no tsy hahazoany heloka hahafaty azy. Ho fepetra raikitra izany ho an'i Aharona sy ny taranany.