Eksôdy

Toko faha-38

1 Ny alitara fisoronana dia namboarina tamin'ny hazo mimoza. Efamira izy io, ka nirefy roa metatra sy sasany ny lafiny tsirairay ary iray metatra sy sasany ny haavony.

2 Natao miendrika tandroka ny zorony efatra ambony sady narafitra niaraka tamin'ny tenan'ny alitara, izay norakofana takelaka halimo.

3 Halimo koa no nanaovana ny fanaka rehetra momba ny alitara: dia ny tavy fasiana lavenon-jabora, ny sotrobe fangaronana afo, ny tsatokaty famafazana, ny fitrebi-kena ary ny fitondrana afo.

4 Namboarina ny makarakara halimo miendrika harato, ka napetraka teo akaikin'ny fisasahan'ny aty alitara, teo ambanin'ny fehivavany.

5 Natao ny haba halimo efatra ka napetaka teo amin'ny zoro efatry ny makarakara halimo mba hitsofohan'ny bao.

6 Namboarina tamin'ny hazo mimoza ireo bao roa ireo, dia norakofana takelaka halimo,

7 ary natsofoka tao anatin'ny haba izay manatrika ny lafiny roa amin'ny alitara mba hilanjana ny makarakara. Hazo fisaka no nandrafetana ny alitara, ka natao holoka aty izany.

8 Avy eo, dia namboarina koa ny kovetabe halimo sy ny faladiany halimo; ny fitaratra halimo izay an'ireo vehivavy niasa teo am-baravaran'ny Tranolay fihaonana no nampiasaina tamin'izany.

9 Ny fonena-masina dia nohodidinina kianja izay nofefena temitra vita amin'ny kiran-drongony mafy. Tamin'ny lafiny atsimo, dia nivelatra dimampolo metatra ny halavan'ny temitra;

10 farango sy anjaka volafotsy no nanantonana azy teo amin'ny andry halimo roapolo, izay nitsatoka tamin'ny faladia halimo roapolo.

11 Tahaka izany koa ny lafiny avaratra, ka nivelatra dimampolo metatra ny halavan'ny temitra ary nitovy tamin'ny teo ihany ny fanantonana azy.

12 Tamin'ny lafiny andrefana dia nivelatra 25 metatra ny temitra ary nahantona tamin'ny andry folo nisy faladia folo.

13 Tamin'ny lafiny fidirana atsinanana dia 25 metatra koa ny velaran'ny kianja;

14 ka teo an-daniny roa amin'ny fidirana dia samy nisy temitra fito metatra sy sasany ny halavany, niaraka tamin'ny andry telo sy faladiany telo avy.

16 Ny temitra rehetra manodidina ny kianja dia samy vita tamin'ny kiran-drongony mafy avokoa.

17 Ny faladian'ny andry dia halimo, ny farango sy ny anjany dia volafotsy, ny lohan'ny andry dia norakofana takela-bolafotsy; ary ny andry rehetra dia natohin'ny anjaka volafotsy avokoa.

18 Ny efitra lamba eo am-bavahadin'ny kianja dia namboarin'ny mpanao peta-kofehy tamin'ny kiran-drongony mifangaro volon'ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky; mirefy folo metatra ny halavany ary roa metatra sy sasany ny haavony, tahaka ireo temitra lamban'ny kianja.

19 Andry efatra misy faladiany halimo efatra no nametahana azy; volafotsy ny farangony sady norakofana volafotsy koa ny lohan'ny andry sy ny anjany.

20 Ny tsimatra rehetra momba ny fonena-masina sy ny momba ny fefin'ny kianja dia samy natao halimo avokoa.

21 Ireto no isan'ny fitaovana nampiasaina tamin'ny fonena-masina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana. Araka ny baikon'i Mosesy, ny fanisana dia nataon'ny Levita notarihan'i Itamara, zanakalahin'i Aharona mpisorona.

22 I Betsalela, zanakalahin'i Ory sady zafikelin'i Hora, avy amin'ny fokon'i Joda, no nanatanteraka izay rehetra nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy.

23 I Oholiaba, zanakalahin'i Ahisamaka avy amin'ny fokon'i Dana, izay mpandidy vatosoa sy mpanao sary ary mpanao peta-kofehy amin'ny volon'ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky sady mpanao peta-kofehy amin'ny kiran-drongony, no nanampy azy tamin'izany.

24 Ny fitambaran'ny volamena izay nataon'ny Israelita fanatitra, ka nampiasaina tamin'ny fanaovana ny Toeramasina dia 877 kilao sy 300 grama araka ny lanja fampiasa tao amin'ny Toeramasina.

25 Ny fitambaran'ny volafotsy voarotsaka tamin'ny fanisam-bahoaka dia 3017 kilao sy 750 grama araka ny lanja fampiasa ao amin'ny Toeramasina.

26 Izany dia mitovy amin'ny dimy grama isan'olona ho an'ny 603550 lahy izay roapolo taona no ho miakatra tamin'ny fanisana.

27 Ny 3000 kilao dia narendrika nanaovana ny faladia zato ho an'ireo andrin'ny Toeramasina sy ny efitra lamba anatiny, izany hoe telopolo kilao isaky ny faladia iray.

28 Ny 17 kilao sisa kosa dia nanaovana ny farangon'ny andry sy nandrakofana ny lohan'ny andry mbamin'ireo anjaka nampitohy ny andry.

29 Ny fitambaran'ny halimo nataon'ny Israelita fanomezana dia 2124 kilao.

30 Io no nampiasaina nanamboarana ny faladian'ny andry teo amin'ny varavaran'ny Tranolay fihaonana, ny alitara halimo sy ny makarakarany halimo, ny fitaovana rehetra teo amin'ny alitara,

31 ny faladian'ny fefy sy ny fidirana teo an-kianja ary ny tsimatra rehetra momba ny fonena-masina sy momba ny fefin'ny kianja.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0569