Eksôdy

Toko faha-4

1 Dia namaly ny TOMPO i Mosesy ka nanao hoe: -Tsy hino ahy ny Israelita ary tsy hihaino ahy, fa hilaza hoe: Tsy nisehoan'ny TOMPO akory ianao!

2 Ary hoy ny TOMPO taminy: -Inona moa iny an-tananao iny? Dia novaliany hoe: -Tehina!

3 Ary hoy ny TOMPO hoe: -Atsipazo amin'ny tany iny! Dia natsipin'i Mosesy tamin'ny tany izany ka tonga bibilava. Nandositra azy i Mosesy,

4 fa hoy ny TOMPO taminy: -Ahinjiro ny tananao ka sambory amin'ny rambony io. Dia naninji-tanana i Mosesy ka nitana azy tamin'ny rambony, ary nanjary tehina teo an-tanany ilay bibilava.

5 Koa hoy ny TOMPO hoe: -Izany dia mba hahatonga ny Israelita hatoky fa efa niseho taminao Aho TOMPO Andriamanitry ny razany, Andriamanitr'i Abrahama sy i Itsehaka ary i Jakoba.

6 Ary ankehitriny, atsofohy ao an-tratranao ny tananao. Dia natsofok'i Mosesy tao an-tratrany ny tanany; nefa rehefa notsoahany avy tao, dia indro boka ny tanany ka fotsy toy ny oram-panala.

7 Ary hoy koa ny TOMPO hoe: -Atsofohy ao an-tratranao indray ny tananao. Dia natsofok'i Mosesy tao an-tratrany indray ny tanany; ka rehefa notsoahany avy tao, dia indro fa niverina tamin'ny laoniny.

8 Dia hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Raha tsy mino anao izy ka tsy mihaino anao amin'ny famantarana voalohany, dia hino anao kosa izy noho ny famantarana manaraka.

9 Ary raha mbola tsy mino anao izy ka tsy mihaino anao amin'ireo famantarana roa ireo, dia maka rano avy ao Neily ka aidino amin'ny tany maina, fa ho tonga ra eo amin'ny tany io rano io.

10 Ary hoy i Mosesy tamin'ny TOMPO: -Indrisy, ry Tompo, fa tsy mba olona mahay mandaha-teny aho na taloha na hatramin'izao nitenenanao tamiko izao, fa votsa vava sady bada miambakavaka.

11 Namaly azy kosa ny TOMPO hoe: -Iza no nanome vava ny olona? Iza no mahatonga azy ho moana na ho marenina na ho mahiratra na ho jamba? Moa tsy Izaho TOMPO ve?

12 Koa mandehana ianao ankehitriny, fa homba anao Aho rehefa hiteny ianao, ka Izaho no hanoro anao izay tokony holazainao.

13 Fa hoy i Mosesy hoe: -Mifona aho, Tompo o, mba olon-kafa re irahina!

14 Dia tezitra tamin'i Mosesy ny TOMPO ka nanao hoe: -Manana rahalahy ianao, dia i Aharona levita. Fantatro fa mahay mandaha-teny mihitsy izy. Indro efa eny an-dalana izy izao hitsena anao, koa raha vao mahita anao, dia ho faly tokoa.

15 Holazainao azy ary hampitainao aminy izay tokony holazainy. Izaho kosa homba anareo; ka rehefa hiteny ianareo, dia Izaho no hanoro anareo izay hataonareo.

16 Izy no hiteny amin'ny vahoaka hisolo anao, izy no hisolo vava anao; ary ianao kosa aminy dia ho tahaka an'Andriamanitra manolo-tsaina.

17 Ankoatra izany, dia ento eny an-tananao iny tehina iny mba hanaovanao zava-mahagaga.

18 Nandeha niverina tany amin'i Jetrao rafozany i Mosesy ka nanao taminy hoe: -Mba avelao aho handeha hiverina any amin'ireo mpiray firenena amiko any Ejipta, hijery raha mbola velona ihany izy ireo na tsia. Dia hoy i Jetrao taminy: -Mandehana soa aman-tsara!

19 Ary hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy tao Midiana hoe: -Ndeha tokoa miverina any Ejipta ianao satria efa maty ireo olona nifofo ny ainao.

20 Koa nalain'i Mosesy ny vadiny aman-janany, natainginy teo amin'ny borikiny, dia niverina ho any Ejipta izy. Ary nataony an-tanana koa ilay tehina nasain'Andriamanitra nentiny.

21 Hoy indray ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Diniho fa efa nataoko eo am-pelatananao ireo zava-mahagaga isan-karazany. Koa rehefa tafaverina any Ejipta ianao, dia ataovy eo anatrehan'ny Farao ireny; Izaho kosa hanamafy ny fony ka tsy handefa ny Israelita izy.

22 Dia ambarao amin'ny Farao hoe: Izao no lazain'ny TOMPO: Zanako lahimatoa ny vahoaka Israely.

23 Efa nandidy anao Aho mba handefa ny zanako hanao fanompoam-pivavahana amiko, nefa nolavinao; koa hovonoiko ho faty ny zanakao lahimatoa.

24 Nony teny an-dalana, indray alina tao an-tranombahiny, dia nanatona an'i Mosesy ny TOMPO ka nitady hamono hahafaty azy.

25 Koa nalain'i Tsipora ny vato maranitra, dia noforany ny zanany lahy; ary natehiny teo anelanelam-pen'i Mosesy ilay vato, sady hoy izy tamin'ny vadiny: Eny, vady azo tamin'ny ra ianao ho ahy.

26 Dia nialan'Andriamanitra tsy nataony inona i Mosesy. Nolazain'i Tsipora hoe vady azo tamin'ny ra i Mosesy noho ny famorana.

27 Dia niteny tamin'i Aharona ny TOMPO hoe: -Mandehana mankany an-taniefitra hitsena an'i Mosesy. Dia nandeha i Aharona ary nifanehatra taminy tao an-tendrombohitr'Andriamanitra, ka nanoroka azy.

28 Notantarain'i Mosesy an'i Aharona avokoa ny teny rehetra nanirahan'ny TOMPO azy sy ny famantarana rehetra izay nasainy nataony.

29 Avy teo dia niara-nandeha izy mirahalahy, ka namory ny loholona rehetra tao amin'i Israely.

30 Nambaran'i Aharona azy ireo avokoa ny teny rehetra izay nolazain'ny TOMPO tamin'i Mosesy, ary notanterahiny teo imason'ny Israelita ny famantarana.

31 Nino ny vahoaka ary nahatakatra fa efa nahita ny fahoriany tokoa ny TOMPO, ka nanao izay hanafahana azy. Dia niondrika ny Israelita mba hitsaoka ny Tompo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0569