Eksôdy

Toko faha-19

1 Ny andro voalohany tamin'ny volana fahatelo taorian'ny nialan'ny Israelita tany Ejipta no nahatongavany tao an-taniefitr'i Sinay.

2 Niala tao Refidima manko izy ireo ka nitsofoka tao an-taniefitr'i Sinay, dia nitoby tao an-taniefitra, tandrifin'ny tendrombohitra Sinay.

3 Ary niakatra ny tendrombohitra i Mosesy hihaona amin'Andriamanitra. Dia niantso an'i Mosesy avy tao an-tampon-tendrombohitra ny TOMPO ka nanao taminy hoe: -Izao no hambaranao amin'ny taranak'i Jakoba, dia ny Israelita.

4 Efa hitanareo izay nanaovako ny Ejiptianina, efa hitanareo koa ny nitondrako anareo aty ho eto anilako toy ny itondran'ny voromahery ny zanany eo amin'ny elany.

5 Koa ankehitriny, raha mihaino tsara izay lazaiko ianareo ka manaja ny fanekempihavanako, dia hanjary vahoaka sarobidy manokana ho Ahy eo amin'ny firenena rehetra. Fa Ahy manko ny tany manontolo,

6 saingy ianareo kosa dia ho fanjaka-mpisorona ho Ahy, ho firenena voatokana hanompo Ahy. Ireo no teny izay hambaranao amin'ny Israelita.

7 Niverina teo an-toby i Mosesy, nampiantso ny loholon'i Israely ary nampita tamin'izy ireo ny zavatra rehetra izay nandidian'ny TOMPO azy.

8 Namaly indray miredona ny vahoaka manontolo nanao hoe: -Izay rehetra nandidian'ny TOMPO dia hataonay! Dia notaterin'i Mosesy tamin'ny TOMPO ny valin-tenin'ny Israelita.

9 Koa hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Indro hankeo aminao Aho, hiafina ao anatin'ny rahona matevina, mba handrenesan'ny Israelita Ahy miresaka aminao, ka hatokiany anao hatrany hatrany. Dia naverin'i Mosesy teo anatrehan'ny TOMPO ny valin-tenin'ny vahoaka.

10 Hoy indray ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Miverena any amin'ny vahoaka, ka ilazao izy mba hanoman-tena anio sy rahampitso; ary ampanasao azy koa ny fitafiany.

11 Aoka izy ho vonona ho amin'ny rahafakampitso, fa amin'io andro io dia ho hitan'ny vahoaka rehetra hidina eo an-tendrombohitra Sinay AHO.

12 Farito ny manodidina ny tendrombohitra, ka asaovy mitandrina ny olona mba tsy hianika ny tendrombohitra na hanatona ny sisiny akory, fa izay rehetra manatona ny tendrombohitra dia hatao maty.

13 Tsy havela ho velona na olona na biby; ary tsy hokasihina akory izy fa hotoraham-bato na hasiana tsipika. Fa rehefa maneno ny anjombona, vao mahazo miakatra eny an-tendrombohitra ny olona sasany.

14 Dia nidina avy tao an-tendrombohitra ho eny amin'ny vahoaka indray i Mosesy. Nasainy nanoman-tena sy nanasa ny fitafiany ireo.

15 Ary hoy izy taminy: -Miomana ianareo ho amin'ny rahafakampitso. Aza mikasika vehivavy akory!

16 Nony afakampitso, vao maraina be, dia nisy kotro-baratra sy tselatra ary rahona matevina teny an-tendrombohitra. Injany nisy feon'anjomara naneno mafy; koa tora-kovitra ny vahoaka rehetra tao an-toby.

17 Nasain'i Mosesy nivoaka avy teo an-toby ny Israelita mba hihaona amin'Andriamanitra, ka nijanona teo am-pototry ny tendrombohitra ireo.

18 Nidona-tsetroka ny tendrombohitra Sinay satria tanaty afo no nidinan'ny TOMPO nankeo amboniny; ary ny setroka dia niakatra toy ny avy ao amin'ny lafaoro lehibe ka nihovitrovitra ny tendrombohitra manontolo.

19 Nihamafy hatrany ny feon'ny anjomara sady nihalava reny. Ary rehefa niteny tamin'Andriamanitra i Mosesy, dia novaliany tao anaty kotroka.

20 Nidina nankeo an-tampon'ny tendrombohitra Sinay ny TOMPO, ary niantso an'i Mosesy hiakatra teo; dia niakatra i Mosesy.

21 Ary hoy ny TOMPO taminy: -Ndeha midina ianao hampitandrina ny vahoaka fandrao hirohotra hijery AHY izy ka ho maro no ho faty aminy.

22 Na dia ny mpisorona izay mahazo manatona AHY aza dia tsy maintsy hanoman-tena fandrao mahafaty azy AHO.

23 Ary hoy i Mosesy tamin'ny TOMPO: -Tsy afaka hiakatra eto Sinay ny vahoaka, satria Ianao ihany no efa nandidy anay mba hamaritra ny tendrombohitra ka hanavaka azy.

24 Dia hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Ndeha midina ianao, ka ento miakatra miaraka aminao i Aharona. Nefa aoka ireo mpisorona sy ny vahoaka tsy hirohotra hiakatra aty amiko, fandrao hamely azy ho faty Aho.

25 Dia nidina nankeo amin'ny vahoaka i Mosesy ary niteny taminy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0561