Eksôdy
Toko voalohany
1 Ireto no anaran'ireo zanakalahin'i Jakoba na Israely tonga tany Ejipta niaraka tamin'ny rainy, samy nombam-bady aman-janaka:2 Reobena, Simehona, Levy, Joda,
3 Jisakara, Zebolona, Benjamina,
4 Dana, Naftaly, Gada ary Asera.
5 Miisa fitopolo izy rehetra taranak'i Jakoba, fa i Josefa dia efa tany Ejipta rahateo.
6 Taty aoriana dia maty i Josefa sy ireo rahalahiny ary ny taranaka indray nihira taminy.
7 Taorian'izany dia niteraka betsaka ny Israelita ka nihamaro fatratra sady nihanahery tokoa ka nameno ny tany.
8 Mpanjaka vaovao kosa no nanomboka nanjaka tany Ejipta tamin'izay ka tsy nahalala an'i Josefa.
9 Hoy izy tamin'ny vahoakany: -Jereonareo fa betsaka ny vahoaka israelita sady mahery noho isika.
10 Koa tsy maintsy itadiavana tetika hamerana ny isany. Rehefa misy ady manko, dia homba ireo fahavalontsika izy ka hiady amintsika ary hiala ny tany.
11 Dia nanendry lehiben'ny asa fanompoana ny Ejiptianina mba hampikoy ny Israelita amin'ny asa mafy. Koa nanangana ny tanana Pitoma sy Rahamsesa ny Israelita mba ho fitahirizam-bokatra ho an'ny Farao.
12 Kanefa arakaraka ny namoretana azy no vao mainka nitomboany sy nahazoany vahana ka natahoran'ny Ejiptianina azy.
13 Nampanompoin'ny Ejiptianina mafy tokoa ny Israelita
14 sady nataony nangidy ny fiainany tamin'ny fanompoana mafy: dia ny mandona tanimanga sy manao biriky ary manao ny asa any an-tsaha rehetra. Izany hoe ny asa fanompoana isan-karazany no nanereny azy mafy tokoa.
15 Nisy mpampivelona hebreo anankiroa nantsoina hoe Sifra sy Poha. Nandidy azy ireo ny mpanjakan'i Ejipta,
16 ka nanao hoe: -Rehefa mampiteraka ny vehivavy hebreo ianareo, dia jereo ny zaza vao teraka; ka raha zazalahy dia vonoy ho faty, fa raha zazavavy kosa dia velomy.
17 Natahotra an'Andriamanitra anefa ireo mpampivelona ireo ka tsy nanao araka izay nodidian'ny mpanjakan'i Ejipta, fa namela ireo zazalahy ho velona.
18 Koa nampanantsoin'ny mpanjaka ireo mpampivelona ka nanontaniany hoe: -Nahoana no nanao izany zavatra izany ianareo, ka namela ireo zazalahy ho velona?
19 Fa namaly ireo mpampivelona hoe: -Tsy mba tahaka ny vehivavy ejiptianina ireo vehivavy hebreo fa matanjaka; koa raha tsy mbola tonga akory ny mpampivelona, dia efa teraka izy.
20 Noho izany, dia nihamaro hatrany hatrany ireo Israelita sady nihanahery tokoa. Nasian'Andriamanitra soa ireo mpampivelona,
21 ka nomeny fara aman-dimby satria natahotra Azy.
22 Fa ny Farao kosa dia nandidy ny vahoakany rehetra ka nanao hoe: -Atsipazo ao amin'ny ony Neily ny zazalahy hebreo rehetra raha vao teraka, fa ny zazavavy kosa avelao ho velona.