Eksôdy

Toko faha-17

1 Araka ny baikon'ny TOMPO dia niala tao an-taniefitr'i Sina ny fiangonana Israelita manontolo mba hanohy ny diany. Nitoby tao Refidima izy, kanefa tsy nisy rano hosotroin'ny vahoaka tao.

2 Dia nila ady tamin'i Mosesy ny Israelita ka nanao taminy hoe: -Omeo rano hosotroina izahay! Fa nanontany azy ireo i Mosesy hoe: -Nahoana no mila ady amiko ianareo? Nahoana no maka fanahy ny TOMPO ianareo?

3 Fa rehefa main'ny hetaheta mafy ny vahoaka, dia nimonomonona tamin'i Mosesy ka nanao taminy hoe: -Nahoana moa ianao no nampiakatra anay niala tany Ejipta? Moa ny hahatonga anay ho fatin-ketaheta eto miaraka amin'ny zanakay sy ny bibinay ve?

4 Dia niantso vonjy tamin'ny TOMPO i Mosesy nanao hoe: -Inona no hataoko amin'ity vahoaka ity? Fa mila hitora-bato ahy mihitsy izy!

5 Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy hoe: -Mandalova eo anoloan'ny vahoaka, maka vitsivitsy amin'ny loholon'i Israely hiaraka aminao. Ento eny an-tananao ilay tehinao izay nikapohanao ny ranon'i Neily ka mandehana.

6 Izaho kosa dia hijoro eo anoloanao, eo ambonin'ny harambato eny an-tendrombohitra Horeba; hokapohinao ny harambato, dia hamoaka rano hosotroin'ny vahoaka. Dia notanterahin'i Mosesy teo imason'ny loholon'i Israely izany baiko izany.

7 Nantsoina hoe Masa sy Meriba io toerana io, izany hoe fakana fanahy sy filana ady satria nila ady tamin'i Mosesy ny Israelita, ary naka fanahy ny TOMPO tamin'ny nitenenany hoe: Moa eto aminay tokoa ve ny TOMPO sa tsia?

8 Tonga hiady amin'ny Israelita tao Refidima ny Hamalekita.

9 Dia hoy i Mosesy tamin'i Josoa: -Mifidiana lehilahy afaka hiaro antsika, dia mivoaha hiady amin'ny Hamalekita. Izaho kosa rahampitso dia hijoro eo an-tampon'ny havoana miaraka amin'ny tehin'Andriamanitra eny an-tanako.

10 Dia lasa i Josoa niady tamin'ny Hamalekita araka izay efa nandidian'i Mosesy azy; fa i Mosesy sy i Aharona ary i Hora kosa dia niakatra teny an-tampon'ny havoana.

11 Ary raha mbola nasandratr'i Mosesy ny tanany, dia nahery ny Israelita; fa rehefa navelany hidina, dia nahery ny Hamalekita.

12 Ary nony vizaka ireo sandrin'i Mosesy, dia nalain'i Aharona sy i Hora ny vato ka napetrany teo anilan'i Mosesy, ary nipetraka teo ambonin'io i Mosesy. Dia avy i Aharona sy i Hora ka nanohana ny sandriny teo an-daniny sy an-kilany, dia naharitra tsy nidina ny tanany ambara-pilentiky ny masoandro.

13 Koa resin'i Josoa tanteraka tamin'ny lelan-tsabatra ny tafika hamalekita.

14 Ary hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Soraty ao amin'ny boky izany mba tsy hohadinoina; ary ambarao amin'i Josoa fa hofoanako tsy ho eto ambonin'ny tany mihitsy ny fahatsiarovana ny Hamalekita.

15 Dia nanamboatra alitara teo i Mosesy ka nomeny anarana hoe Ny TOMPO fanevako.

16 Ary hoy izy hoe: -Satria ny Hamalekita efa nanainga tanana hanohitra ny sezafiandrianan'ny Tompo, dia hiady amin'izy ireo hatrany hatrany ny TOMPO.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0565