1 Tantara

Toko 1 I Adama no rain'i Seta; i Seta no rain'i Enosa;
Toko 2 Ireto no zanakalahin'i Israely: i Reobena sy i Simehona, i Levy sy i Joda, i Jisakara sy i Zebolona,
Toko 3 Ireto no zanakalahy naterak'i Davida tao Hebrona: ny lahimatoa dia i Amnona, zanakalahin'i Ahinohama avy any Jizrehela; ny faharoa dia i Daniela, zanakalahin'i Abigaila avy any Karmela;
Toko 4 Ny zanakalahin'i Joda dia i Peretsa sy i Hetsirona mbamin'i Karmy sy i Hora ary i Sobala.
Toko 5 I Reobena no lahimatoan'i Jakoba , satria izy no voalohan-terany; kanefa tamin'ny nandotoan'i Reobena ny vadikelin-drainy, dia nomena an'i Josefa zanakalahin'i Jakoba ny fizokiany, ka tsy voasoratra ho zokiny tao amin'ny tetiarana intsony i Reobena.
Toko 6 Ny zanakalahin'i Levy dia i Gersona sy i Kehata ary i Merary.
Toko 7 Efatra ny zanakalahin'i Jisakara: dia i Tola sy i Pova ary i Jasoba sy i Simrona.
Toko 8 Ny naterak'i Benjamina dia i Bela lahimatoa, i Asbela lahiaivo, i Ahara fahatelo,
Toko 9 Dia vita isa, araka ny firazanany avy, ny Israelita rehetra; ary indro efa voasoratra ao amin'ny boky firaketan'ny mpanjakan'i Israely izany.
Ny olona tao Joda dia nentina ho babo tany Babilona, noho ny fahotany.
Toko 10 Ary niady tamin'i Israely ny Filistinina; dia nandositra azy ny Israelita ka faty maro no nitsitsitra teny an-tendrombohitra Gilboa.
Toko 11 Dia nivory teo amin'i Davida tao Hebrona i Israely manontolo ka nanao hoe: -Indreto izahay havanao sy tapakao.
Toko 12 Ireto kosa ny olona tonga tany amin'i Davida tao Tsiklaga fony izy mbola niery an'i Saoly, zanakalahin'i Kisy; izy ireo dia lehilahy mahery mpanampy an'i Davida amin'ny ady,
Toko 13 Niarahan'i Davida nihevi-draharaha ny komandin-tafika mifehy arivo namifehy zato ary ny mpitondra rehetra,
Toko 14 Nandefa iraka ho any amin'i Davida i Hirama mpanjakan'i Tiro, sady nandefa hazo sedera sy mpipai-bato ary mpandrafitra hazo mba hanao lapa ho azy.
Toko 15 I Davida dia nanao trano ho an'ny tenany tao " an-tananan'i Davida", sady nanomana toerana sy nanorina tranolay teo ho an'ny Vatamasina mirakitra ny fanekem-pihavanan ' Andriamanitra.
Toko 16 Dia nentina ny Vatamasina ka napetraka tao afovoan'ny tranolay izay efa namboarin'i Davida ho azy. Avy eo dia nisy sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana natolotra teo anatrehan'Andriamanitra.
Toko 17 Taorian'izany i Davida dia nipetraka tao amin'ny lapany; ka hoy izy tamin'i Natana mpaminany: -Indro aho ity mipetraka amin'ny lapa vita hazo sedera kanefa ny Vatamasina mirakitra ny fanekem-pihavanan'ny Tompo kosa ao anaty tranolay !
Toko 18 Taorian'izany, dia nandresy ny Filistinina i Davida ka nampilefitra azy ary nalainy teo an-tanan'ny Filistinina i Gata sy ireo tanana kely manodidina azy.
Toko 19 Taorian'izany, dia maty i Nahasy mpanjakan'ny Hamonita, ka ny zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
Toko 20 Rehefa niherina ny lohataona, fotoana fiaingan'ny mpanjaka handeha hiady, dia i Joaba no nitarika ny tafika manontolo ka nandrava ny tanin'ny Hamonita sy tonga nanao fahirano an'i Raba renivohiny; fa i Davida kosa nijanona tao Jerosalema ihany. Nony azon'i Joaba sy noravany i Raba,
Toko 21 Dia nitsangana hampidi-doza an'i Israely i Satana ka nitaona an'i Davida hanisa ny vahoaka israelita.
Toko 22 Ka hoy i Davida hoe: "Eto no ho tranon'ny TOMPO Andriamanitra; ary eto no alitara fanoloran'ny Israelita sorona dorana manontolo."
Toko 23 Nony efa tratrantitra sy voky andro i Davida, dia i Salomona zanany lahy no nataony mpanjaka tamin'i Israely.
Toko 24 Ny amin'ireo taranak'i Aharona dia nisy fitsinjarana azy ho antokony. Ny zanakalahin'i Aharona dia i Nadaba sy i Abiho ary i Elehazara sy i Itamara.
Toko 25 I Davida sy ny lehiben'ireo andiana levita voatokana ho an'ny fanompoam-pivavahana dia nanavaka ny taranak'i Asafa sy i Hemana ary i Jedotona, ho mpampita an-kira ny hafatr'Andriamanitra, omban'ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona; ka izao no isan'ny lehilahy mpanao izany raharaha izany araka ny fanompoany avy:
Toko 26 Ny amin'ny mpiandry vavahady, dia izao no fitsinjarana azy ho antokony: Tamin'ny taranak'i Kora dia i Meselemia zanakalahin'i Kora sady zafin'i Abiasafa.
Toko 27 Ny lehilahy israelita, na isam-batan'olona na loham-pianakaviana, na komandin-tafika mpifehy arivo sy mpifehy zato, na manampahefana, dia samy nanompo ny mpanjaka. Io fanompoana io dia ny raharaha rehetra momba ny antokon-tafika, izay nifandimby isam-bolana mandavan-taona. Isaky ny antokon-tafika dia nisy andiany 24;
Toko 28 Novorin'i Davida tany Jerosalema ny lehibe rehetra tamin'ny Israely: filohan'ireo foko, lehiben'ny andian-tafika manompo ny mpanjaka, komandin-tafika mpifehy arivo na mpifehy zato, mpiandraikitra ny fananana sy biby fiompy rehetra an'ny mpanjaka sy an-janany, tandapa, lehilahy mahery, izany hoe ny manampahefana rehetra.
Toko 29 Dia hoy i Davida mpanjaka tamin'ny olona rehetra tafangona teo: -I Salomona zanako, ilay hany nofidin'Andriamanitra, dia mbola tanora sady tsy za-draharaha; nefa goavana ny asa hatao, satria tsy lapa ho an'olombelona fa tempoly ho an'ny TOMPO Andriamanitra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0421