1 Tantara

Toko faha-5

1 I Reobena no lahimatoan'i Jakoba , satria izy no voalohan-terany; kanefa tamin'ny nandotoan'i Reobena ny vadikelin-drainy, dia nomena an'i Josefa zanakalahin'i Jakoba ny fizokiany, ka tsy voasoratra ho zokiny tao amin'ny tetiarana intsony i Reobena.

2 I Joda no nahery indrindra teo amin'izy mirahalahy avy, ka izy no nipoiran'ilay ho tonga mpanjakan'i Israely; nefa ny fizokiana dia an'i Josefa ihany.

3 Ny zanakalahin'i Reobena, lahimatoan'i Jakoba, dia i Hanoka sy i Palo ary i Hetsirona sy i Karmy.

4 Taranak'i Joela : i Semahia zanakalahin'i Joela, i Goga zanakalahin'i Semahia, i Simehy zanakalahin'i Goga,

5 i Mika zanakalahin'i Simehy, i Reaia zanakalahin'i Mika, i Bahala zanakalahin'i Reaia,

6 ary i Beera zanakalahin'i Bahala; io Beera io, izay nentin'i Tiglato-Pilesera mpanjakan'i Asiriaho babo, no filohan'ny Reobenita.

7 Ny rahalahin'i Beera, araka ny fianakaviany avy, dia voasoratra ao amin'ny bokin'ny taranany; ka ny voalohany dia i Jehiela, ny manaraka dia i Zakaria,

8 ny farany dia i Bela izay zanakalahin'i Hazaza sy zafin'i Sema ary zafiafin'i Joela. Ny Reobenita dia nonina ny faritra hatreo Harohera ka hatrany amin'ny tendrombohitra Nebao sy hatrany Bahala-Mehona,

9 tany atsinanana dia nonina hatrany akaikin'ny taniefitra izay nampisaraka azy amin'ny ony Eofrata izy ireo, fa nihamaro be ny biby fiompy tao amin'ny faritany Gilehada.

10 Tamin'ny andron'i Saoly no niady tamin'ny Hagrita ny Reobenita ka nandresy azy; avy eo, dia nanorin-dasy manerana ny ilany atsinanana amin'i Gilehada.

11 Ny taranak'i Gada dia nonina tandrifin'ny Reobenita tao amin'ny faritany Basanaka hatrany Salka:

12 tao Basana dia ry i Joela no voalohany, ry i Safana no faharoa, ary ny manaraka dia ry i Jahenay sy ry i Safata.

13 Fito ny rahalahin'ireo, araka ny fianakaviany avy, dia Mikaela sy i Mesolama, i Seba sy i Joray mbamin'i Jahikano sy i Ziaary i Hebera:

14 ireo no zanakalahin'i Abihaila ilay zanakalahin'i Hory sy zafin'i Jaroasy zafiafin'i Gilehada sy zafin-dohalik'i Mikaela sy zafin-kitrokelin'i Jesisay sy zafim-paladian'i Jehidao ary zafin-dorian'i Boza.

15 I Ahy zanakalahin'i Habdiela sy zafin'i Gony no filohan'ireo fianakaviana ireo.

16 Ny taranak'i Gada dia nonina tao Gilehada sy Basana mbamin'ny faritra miankina aminy sy ny kijana rehetra any Siriona mipaka hatrany amin'ny sisiny farany lavitra indrindra.

17 Ireo taranak'i Gada rehetra ireo dia voasoratra tanaty boky avokoa tamin'ny andron'i Jotama mpanjakan'i Joda sy tamin'ny andron'i Jerobohama mpanjakan'i Israely.

18 Ny Reobenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon'i Manase dia nisy lehilahy mahery, havanana mitana ampinga aman-tsabatra sy mandefa tsipika sady zatra ady: 44.760 no isan'ireo vonon-kiantafika.

19 Dia niady tamin'ny Hagrita sy tamin'ny taranak'i Jetora sy i Nafisa ary i Nodaba ry zareo.

20 Nitaraina tamin'Andriamanitra izy nandritra ny ady, ka nohenoin'Andriamanitra satria natoky Azy; dia novonjeny ary voatolotra ho eo an-tanany ny Hagrita sy izay rehetra mpomba azy.

21 Nataony babo ny biby fiompiny (dia rameva 50 000, ondry aman'osy 250.000, boriky roa arivo) ary koa olona antokony zato.

22 Marobe ny fahavalo maty niampatrampatra satria avy amin'Andriamanitra ny ady. Ary nipetraka nisolo toerana ny Hagrita ry zareo mandra-pahatongan'ny fahababoana.

23 Ny antsasaky ny fokon'i Manase dia nonina ny faritra hatreo Basana ka hatrany Bahala-Hermona sy Senira ary ny tendrombohitra Hermona; nihamaro be izy ireo.

24 Ny loham-pianakaviany dia i Hefera sy i Jisehy, i Eliela sy i Hazriela mbamin'i Jeremia sy i Hodavia ary i Jahediela: lehilahy mahery sy olo-malaza ireo sady samy lohan'ny fianakaviany avy.

25 Ny Reobenita sy ny Gadita ary ny antsasa-pokon'i Manase dia nivadika tamin'ilay Andriamanitry ny razany ka nanompo ny andriamani-kafan'ny firenena tompon-tany izay efa naringan'Andriamanitra teo anoloany.

26 Dia nampirisihin'ilay Andriamanitr'i Israely i Pola sy i Tiglato-Pilesera samy mpanjakan'i Asiria, ka nobaboin'ireo ny Reobenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon'i Manase sady nentiny tany Hala sy Habora sy Hara ary tany amoron'ny ony Gozana , ka mbola any ireo mandraka androany.

27 Ny zanakalahin'i Levy dia i Gersona sy i Kehata ary i Merary.

28 Ny zanakalahin'i Kehata dia i Hamrama sy i Jitsehara ary i Hebrona sy i Hoziela.

29 Ny zanakalahin'i Hamrama dia i Aharona sy i Mosesy; ary ny zanakavaviny dia i Miriama. Ny zanakalahin'i Aharona dia i Nadaba sy i Abiho ary i Elehazara sy i Itamara.

30 I Elehazara no ray niteraka an'i Pinehasa; i Pinehasa, ray niteraka an'i Abisoa,

31 i Abisoa, ray niteraka an'i Boky; i Boky, ray niteraka an'i Hozy,

32 i Hozy, ray niteraka an'i Zerahia; i Zerahia, ray niteraka an'i Meraiota,

33 i Meraiota, ray niteraka an'i Amaria; i Amzaria, ray niteraka an'i Ahitoba;

34 i Ahitoba, ray niteraka an'i Tsadoka; i Tsadoka, ray niteraka an'i Ahimahatsa;

35 i Ahimahatsa, ray niteraka an'i Hazaria; i Hazaria, ray niteraka an'i Johanana,

36 i Johanana, ray niteraka an'i Hazaria (ity Hazariaity no nanao fisoronana tao amin'ny tempoly izay naorin'i Salomona tao Jerosalema);

37 i Hazaria, ray niteraka an'i Amaria; i Amaria, ray niteraka an'i Ahitoba;

38 i Ahitoba, ray niteraka an'i Tsadoka; i Tsadoka, ray niteraka an'i Saloma,

39 i Saloma, ray niteraka an'i Hilkia; i Hilkia, ray niteraka an'i Hazaria,

40 i Hazaria, ray niteraka an'i Seraia; i Seraia, ray niteraka an'i Jotsadaky.

41 Ary i Jotsadaky dia lasan-kobabo rehefa natolotry ny TOMPO ho babon'i Nebokadnetsara ny mponin'i Joda sy i Jerosalema.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0557