1 Tantara
Toko faha-28
1 Novorin'i Davida tany Jerosalema ny lehibe rehetra tamin'ny Israely: filohan'ireo foko, lehiben'ny andian-tafika manompo ny mpanjaka, komandin-tafika mpifehy arivo na mpifehy zato, mpiandraikitra ny fananana sy biby fiompy rehetra an'ny mpanjaka sy an-janany, tandapa, lehilahy mahery, izany hoe ny manampahefana rehetra.2 Dia nitsangana i Davida mpanjaka, ka nanao hoe: -Henoy aho, ry havako sy mpiray firenena amiko! Raha izaho, dia efa fikasako ny hanorina tempoly hipetrahan'ilay Vatamasina mirakitra ny fanekem-pihavanan'ny TOMPO, izany hoe ilay fitoeran-tongotry ny Andriamanitsika; ary efa novononiko izay ho enti-manorina azy.
3 Fa hoy Andriamanitra tamiko: "Tsy hanorina tempoly hanajana Ahy ianao, satria lehilahy mpiady sy mpandatsa-dra".
4 Nefa kosa ny TOMPO, Andriamanitr'i Israely, efa nifidy ahy teo anivon'ny ankohonan-draiko rehetra mba ho mpanjaka hifehy an'i Israely hatrany. Satria i Joda no voafidiny ho mpanapaka; teo anivon'ny fokon'i Joda, dia ny ankohonan-draiko no voafidiny; ary teo anivon'ny ankohonan-draiko, dia ny tenako no nankasitrahiny hampanjakaina amin'i Israely manontolo.
5 Tamin'ny zanakalahiko rehetra kosa (fa nomen'ny TOMPO zanakalahy maro aho), dia i Salomona zanako no nofidiny hipetraka eo amin'ilay sezafiandrianana manambara ny fanjakan'ny TOMPO amin'i Israely.
6 Ary hoy Izy tamiko: "I Salomona zanakao no hanorina ny tranoko sy hamboatra ireo kianjako; fa efa nifidy azy Aho, ka izy ho zanako ary Izaho ho rainy.
7 Hataoko mijoro mandrakizay ny fanjakany, raha maharitra manatanteraka ny didiko sy ny fitsipiko izy tahaka ny amin'izao anio izao."
8 Koa ankehitriny, ry havako, eto imason'ny vahoaka Israely rehetra izay fiangonan'ny TOMPO ary eto anatrehan'ilay Andriamanitsika Izay mandre antsika, dia tandremo sy diniho ny didy rehetra avy amin'ny TOMPO Andriamanitrareo mba hahatananareo ity tany ity sady hamindranareo azy amin'ny zanaka amam-paranareo ho lova maharitra mandrakizay.
9 "Ianao kosa, ry Salomona zanako, fantaro ilay Andriamanitra notompoin'ny rainao, ka manompoa Azy amin'ny fo manontolo sy amin'ny fanahy mazoto; fa ny TOMPO dia mpandinika ny fon'ny olona rehetra ary mpahafantatra ny fieritreretana rehetra. Raha mitady Azy ianao, dia hahita Azy; faraha mandao Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay.
10 Indro efa nofidin'ny TOMPO ianao izao mba hanorina tempoly hoToeramasiny; dia mahereza ka mahefa. "
11 Dia nomen'i Davida an'i Salomona zanany ny sarin'ny Toeramasina sy ny trano fanampiny -efitrano firaketana, efitrano ambony, efitrano anatiny -ary ny trano hisy ilay Vatamasina mirakitra ny fanekem-pihavanan'ny TOMPO.
12 Nomeny azy koa ny sarin'izay rehetra efa nokasainy hatao momba ireo kianja ao an-tranon'ny TOMPO mbamin'ny efitrano rehetra manodidina ireo kianja: efitrano fitahirizana ny zava-tsarobidin'ny tranon'Andriamanitra sy fitahirizana ny zava-tsarobidy natokana ho an'ny TOMPO.
13 Nomeny azy ny amin'ny fitsinjarana ireo mpisorona sy levita ho antokony, ny amin'ny fanompoana rehetra ho fanao ao an-tranon'ny TOMPO ary ny amin'ny fanaka rehetra ho fampiasa ao.
14 Nomeny azy ny lanjam-bolamena ilaina ho an'ny fanaka volamena rehetra samy hampiasaina, ny lanjam-bolafotsy ilaina ho an'ny fanaka volafotsy rehetra samy hampiasaina,
15 ny lanjan'ny fitoeran-jiro sy fanaovan-jiro volamena araka ny karazany avy, ny lanjan'ny fitoeran-jiro sy fanaovan-jiro volafotsy araka ny karazany avy,
16 ny lanjan'ny volamena ilaina isaky ny latabatra volamena fametrahana ny mofo atolotra an'Andriamanitra, ny lanjan'ny volafotsy ilaina ho an'ny latabatra volafotsy,
17 ny lanjan'ireo fitrebika sy tsatokaty ary tavoara samy volamena madio, ny lanjan'ny siny volamena sy volafotsy araka ny karazany avy,
18 ary ny lanjan'ny volamena voadio hanaovana ny alitara fandoroana vovo-javamanitra. Farany, nomen'i Davida an'i Salomona ny sarin'ilay kalesy misy ireo kerobima volamena izay samy manana elatra mivelatra manarona ny Vatamasina mirakitra ny fanekem-pihavanan'ny TOMPO.
19 Dia hoy i Davida hoe: -Izany rehetra izany, anaka, dia ao anatina rakitsoratra avy tamin'ny TOMPO, rakitsoratra izay nampahafantatra ahy ny asa rehetra asehon'ny sary.
20 Ary hoy koa i Davida tamin'i Salomona zanany: -Mahereza sy matanjaha ka mahefa! Aza matahotra na mivadi-po fa ny TOMPO Andriamanitra, ilay Andriamanitro, no miaraka aminao. Tsy handao na hahafoy anao Izy mandra-pahavita ny asa rehetra fanatontosana ny tranon'ny TOMPO.
21 Indreo ny antoko-mpisorona sy levita, hanao ny fanompoana rehetra ao an-tempolin'Andriamanitra; mba hahavitana ny asa manontolo, dia miaraka aminao koa ireo olona feno risimpo sady kinga amin'ny taozavatra isan-karazany; ary ny lehibe mbamin'ny vahoaka rehetra dia hankato ny baikonao an-tsakany sy an-davany.