1 Tantara

Toko faha-18

1 Taorian'izany, dia nandresy ny Filistinina i Davida ka nampilefitra azy ary nalainy teo an-tanan'ny Filistinina i Gata sy ireo tanana kely manodidina azy.

2 Nandresy ny Moabita koa izy; dia tonga olom-pehezin'i Davida ireo sady mpandoa hetra ho azy.

3 Mbola resin'i Davida koa i Hadadehezera mpanjakan'i Tsoba, akaikin'i Hamata ; tamin'iny nanitaran'i Hadadehezera ny fanjakany teny amoron'ny ony Eofrata iny indrindra no nandresen'i Davida azy.

4 Kalesy arivo sy mpitaingin-tsoavaly fito arivo ary miaramila an-tongotra 20000 no voababon'i Davida taminy; saingy nasain'i Davida nokapain-tongotra avokoa ny soavalin-kalesy fa ny tokony ho amin'ny kalesy zato ihany no sisa notazoniny.

5 Dia tonga ny Sirianina avy any Damasy mba hamonjy an'i Hadadehezera mpanjakan' i Tsoba; kanefa nahafatesan'i Davida miaramila 22000 koa ny Sirianina.

6 Nametrahan'i Davida governora tany Siria, faritr'i Damasy; ka dia tonga olom-pehezin'i Davida sady mpandoa hetra ho azy ny Sirianina. Fa nampandresy an'i Davida tamin'izay fanafihany rehetra ny TOMPO.

7 Ary nalain'i Davida ny ampinga volamena izay teny amin'ny mpanompon'i Hadadehezera ka nentiny tany Jerosalema.

8 Nahazoan'i Davida halimo be dia be koa tao Tibihata sy Kona, izay samy tananan'i Hadadehezera; ka izany halimo izany no nanaovan'i Salomona ilay fitobian-drano boribory goavana mbamin'ireo andry sy ireo fanakahalimo (tao an-tempoly).

9 Ren'i Tohy, mpanjakan'i Hamata, faresin'i Davida avokoa ny tafik'i Hadadehezera mpanjakan'i Tsoba,

10 dia nirahin'i Tohy ho any amin'i Davida mpanjaka i Hadorama zanany lahy mba hiarahaba sy hidera azy noho ny niadiany tamin'i Hadadehezera ka nandreseny azy, satria mpiady tamin'i Tohy io Hadadehezera io; koa fanaka volamena sy volafotsy ary halimo isan-karazany no nampitondrain'i Tohy ho an'i Davida.

11 Ireo fanaka ireo koa dia natokan'i Davida mpanjaka ho an'ny TOMPO, niaraka tamin'ny volafotsy sy volamena izay nentiny avy any amin'ny firenena hafa rehetra: dia ny Edomita sy Moabita ary Hamonita mbamin'ny Filistinina sy Hamalekita.

12 I Abisay, zanakalahin'i Tseroia, dia nandresy ny Edomita tokony ho 18000 lahy, tao amin'ny Lohasahan-tsira.

13 Dia nametrahany governora tao Edoma, ka tonga olom-pehezin'i Davida ny Edomita rehetra; ary nampandresy an'i Davida tamin'izay fanafihany rehetra ny TOMPO.

14 Dia nanjaka tamin'i Israely manontolo i Davida ka nanao ny rariny sy ny fahamarinana tamin'ny vahoakany rehetra.

15 I Joaba zanakalahin'i Tseroia, no lehiben'ny tafika; i Josafata zanakalahin'i Ahiloda, no mpitondra tenin'ny mpanjaka,

16 i Tsadoka zanakalahin'i Ahitoba mbamin'i Abimeleka zanakalahin'i Abiatara no mpisorona; i Savesa no mpitantsoratra,

17 i Benaia, zanakalahin'i Joiada, no lehiben'ny Keretita sy Peletita mpiambina ny mpanjaka; ary ireo zanakalahin'i Davida kosa dia mpiara-miasa akaiky amin'ny mpanjaka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0617