1 Tantara
Toko faha-10
1 Ary niady tamin'i Israely ny Filistinina; dia nandositra azy ny Israelita ka faty maro no nitsitsitra teny an-tendrombohitra Gilboa.2 Nilofo nanenjika an'i Saoly sy ireo zanany lahy ny Filistinina, ka nahafaty an'i Jonatana sy i Abinadaba ary i Melkisa izay samy zanakalahin'i Saoly.
3 Nanindry an'i Saoly ny fanafihana, ka sendra ny mpandefa tsipika izy ary dia natahotra azy.
4 Dia hoy i Saoly tamin'ilay mpitondra ny fitaovam-piadiany:-Raiso ny sabatrao, ka trobaro aho, fandrao ho avy ireo mpanompo sampy ireo ka hanao ahy ho fihomehezana. Fa tsy nanaiky ilay mpitondra ny fitaovam-piadiany satria natahotra mafy. Koa nalain'i Saoly ny sabatra, dia nianjerany.
5 Ary rehefa hitan'ilay mpitondra ny fitaovam-piadiany fa maty i Saoly, dia mba nianjerany koa ny sabany ka maty izy.
6 Dia maty i Saoly ary niara-maty taminy koa ny zanany telo lahy sy ny ankohonany manontolo.
7 Rehefa hitan'ny Israelita rehetra izay nonina tao an-dohasaha fa nandositra ny tafik'i Israely sady maty i Saoly sy ny zanany, dia nandao tanana izy ka nandositra. Tonga kosa ny Filistinina ka nipetraka tao.
8 Ny ampitso, nony tonga ny Filistinina haka ny zavatra teo amin'ny faty, dia nahita an'i Saoly sy ny zanany nitsitra teo an-tendrombohitra Gilboa.
9 Dia nendahany i Saoly ary nentiny ny lohany sy ny fiadiany, ka nalefany hitety ny tanin'ny Filistinina hanambarana izany vaovao izany amin'ny sampiny sy amin'ny vahoaka.
10 Avy eo dia napetrany tao an-tempolin'ilay andriamaniny anankiray ny fitaovam-piadian'i Saoly; ary ny karandohany nohomboany tao amin'ny tempolin'i Dagona.
11 Rehefa ren'ny mponina rehetra tao Jabesy-Gilehada avokoa ny nataon'ny Filistinina tamin'i Saoly,
12 dia niainga ny lehilahy maherifo rehetra naka ny fatin'i Saoly sy ny fatin-janany, ka nitondra azy ho any Jabesy. Ny taolambalony dia naleviny teo am-pototr'ilay hazo terebinta tao Jabesy; ary nifady hanina nandritra ny fito andro ny olona mba ho fisaonana.
13 Eny, maty i Saoly noho ny fivadihany tamin'ny TOMPO: tsy nitandrina ny tenin'ny TOMPO manko izy, ary koa nanontany ny fanahin'ny maty tamin'ny mpamoha angatra
14 fa tsy nanontany ny TOMPO; ka dia nampamono iny ho faty izy ary nafindrany tamin'i Davida, zanakalahin'i Jisay , ny fanjakana.