1 Tantara

Toko faha-16

1 Dia nentina ny Vatamasina ka napetraka tao afovoan'ny tranolay izay efa namboarin'i Davida ho azy. Avy eo dia nisy sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana natolotra teo anatrehan'Andriamanitra.

2 Ary rehefa nahavita ireo sorona ireo i Davida, dia nitsodrano ny vahoaka tamin'ny anaran'ny TOMPO.

3 Nasainy nizarana sakafo ny Israelita rehetra teo, ka na lehilahy na vehivavy dia samy nahazo mofo boribory iray sy didin-kena voatono iray ary ampempam-boaloboka iray avy.

4 Nisy levita sasany notendren'i Davida ho amin'ny fanompoana teo anoloan'ny Vatamasin'ny TOMPO mba hampahatsiaro sy hidera ary hanome voninahitra ny TOMPO Andriamanitr'i Israely.

5 I Asafa no filohany, ary i Zakaria no lefitra. I Jahaziela sy i Semiramota, i Jehiela sy i Matitia, i Eliaba sy i Benaia ary i Hobeda-Edoma sy i Jehiela no nitendry ny valiha sy ny lokanga; fa i Asafa no nively ny kipantsona.

6 I Benaia sy i Elihezera mpisorona kosa no mpitsoka ny trompetra mandrakariva eo anoloan'ny Vatamasina mirakitra ny fanekem-pihavanan'Andriamanitra.

7 Koa tamin'io andro io no voalohany nanendren'i Davida an'i Asafa sy ny namany hidera ny TOMPO.

8 Midera ny TOMPO ianareo: ataovy antso avo ny lazany, ampahafantaro ny firenen-kafa ny asany lehibe !

9 Mihira ho Azy ary mankalaza Azy amin-java-maneno; tantarao ny asa mahagaga rehetra nataony.

10 Ireharehao ny anarany masina; aoka hifaly ny fon'ireo mitady ny TOMPO.

11 Katsaho ny TOMPO mahery; tadiavo lalandava ny fanatrehany.

12 Ry taranak'i Israely mpanompony sady terak'i Jakoba voafidiny, tsarovy ny asa mahagaga nataony, dia ny zava-mahatalanjona vitany sy ny didim-pitsarana navoakany.

14 Izy no TOMPO Andriamanitsika; manerana ny tany tontolo ny fanapahany.

15 Tsarovy hatrany ny fanekem-pihavanany , dia ny fampanantenana izay napetrany ho an'ny taranaka arivo mifandimby:

16 Fanekem-pihavanana nataony tamin'i Abrahamasy fianianana nataony tamin'i Itsehaka.

17 Naoriny ho zo raikitra ho an'i Jakoba izany ho fanekem-pihavanana mandrakizay ho an'ny taranak'i Israely,

18 fony Andriamanitra nilaza hoe: "Homeko ho anao ny tany Kanahana ho anjara lova ho anao sy ny taranakao ".

19 Tamin'izay ianareo mbola mora isaina, mpifindra monina vitsy kely teo amin'ny tany;

20 nivezivezy nitety firenena ianareo ka niala tamin'ny fanjakana iray hankany amin'ny vahoaka hafa.

21 Kanefa tsy nisy navelan'Andriamanitra hampahory anareo fa nampitandrina ny mpanjaka Izy noho ny aminareo hoe:

22 Aza kasihina ireo voahosotro, ary aza asian-dratsy ireo mpitondra hafatro !

23 Mihira ho an'ny TOMPO, ry mponin'ny tany tontolo, torio isan'andro isan'andro ny namonjeny antsika.

24 Ambarao amin'ireo firenena ny voninahiny, lazao amin'ny vahoaka rehetra ny zava-mahagaga nataony.

25 Fa lehibe ny TOMPO ka mendrika hoderaina fatratra sady mahatahotra mihoatra noho ny andriamanitra rehetra.

26 Tsinontsinona avokoa ireo andriamanitry ny firenen-kafa, fa ny Tompo kosa no nanao ny lanitra.

27 Fahalehibeazana sy famirapiratana no manodidina Azy, ary hery sy fifaliana no mameno ny fonenany.

28 Ianareo fianakaviamben'ny firenen-drehetra, tolory haja ny TOMPO fa be voninahitra sy hery.

29 Tolory haja ny TOMPO satria be voninahitra Izy. Mitondra fanatitra ka mankanesa eo anatrehany; dia miankohofa eo anatrehan'ny TOMPO, rehefa miseho ny fahamasinany.

30 Mangovita eo anoloany, ry mponin'ny tany tontolo, fa izao rehetra izao voaorina mafy ka tsy hihontsona.

31 Aoka hifaly ny lanitra, ary hiravoravo ny tany! Lazao amin'ny olona hoe: "Ny TOMPO no mpanjaka!"

32 Aoka hirohondrohona ny ranomasina mbamin'izay ao anatiny! Aoka hibita-kafaliana ny saha mbamin'izay rehetra ao aminy!

33 Aoka ny hazo any an'ala hihoby mba hitsena ny TOMPO, satria tamy Izy. Eny, tamy Izy mba hifehy ny tany.

34 Midera ny TOMPO ianareo fa tsara Izy: Eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany.

35 Lazao hoe: "Vonjeo izahay, ry Andriamanitra mpamonjy anay o! Afaho avy any amin'ny hafa firenena izahay ka angony mba hideranay ny anaranao masina, sy hireharehanay amin'ny fankalazana Anao !"

36 Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitr'i Israely hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay. Ary ny vahoaka rehetra niredona hoe: " Amen!" sy hoe: "Ankalazao ny TOMPO!"

37 Dia teo anoloan'ny Vatamasina mirakitra ny fanekem-pihavanan'ny TOMPO teo i Davida no nanankina adidy tamin-dry i Asafa sy ny namany mba hanao fanompoam-pivavahana tsy an-kiato eo, araka ny raharaha tokony hatao isan'andro,

38 nanankinany adidy koa ry i Hobeda-Edoma sy ny namany 68 lahy, sy ilay Hobeda-Edoma zanakalahin'i Jeditona, ary i Hosa mba ho mpiandry vavahady.

39 Ny adidy nankinin'i Davida tamin'i Tsadoka mpisorona sy ny mpisorona namany kosa dia ny raharaha teo anoloan'ny Fonena-masin'ny TOMPO izay tao amin'ny toeram-pisoronana any Gibehona.

40 Izy ireo no hanatitra sorona dorana manontolo ho an'ny TOMPO tsy an-kiato marain-tsy hariva ary eo amin'ny alitara fisoronana sy hanao izay fandraharahana rehetra voasoratra ao amin'ny lalana nandidian'ny TOMPO an'i Israely,

41 Niaraka tamin'ny mpisorona ry i Hemana sy i Jedotona ary ireo sisa voafidy sy voatondro anarana mba hidera ny TOMPO noho ny fitiavany maharitra mandrakizay.

42 Niaraka tamin'i Hemana sy i Jedotona, dia nisy trompetra sy kipantsona natao hampanenoina ary zava-maneno hafa natao hanarahana ny hira ho an'Andriamanitra; ary ny zanakalahin'i Jedotona no mpiandry vavahady.

43 Fa rany, dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra; ary i Davida koa lasa nody mba hiarahaba ny ankohonany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1028