1 Tantara
Toko faha-24
1 Ny amin'ireo taranak'i Aharona dia nisy fitsinjarana azy ho antokony. Ny zanakalahin'i Aharona dia i Nadaba sy i Abiho ary i Elehazara sy i Itamara.2 Maty talohan-drainy sady tsy nanan-janaka i Nadaba sy i Abiho ; koa dia i Elehazara sy i Itamara no nanao ny raharaha maha mpisorona.
3 Taty aoriana, dia i Davida sy i Tsadoka taranak'i Elehazara mbamin'i Ahimeleka taranak'i Itamara, no nitsinjara ireo taranak'i Aharona ho antokony araka ny tandrifin'ny fanompoany avy.
4 Hita ho maro kokoa ireo lehilahy loham-pianakaviana tamin'ny taranak'i Elehazara noho ny tamin'ny taranak'i Itamara; ka ny taranak'i Elehazara dia notsinjaraina hisy loham-pianakaviana 16, ary ny taranak'i Itamara dia notsinjaraina hisy loham-pianakaviana valo.
5 Samy natao antsapaka ny fitsinjarana azy rehetra, satria samy mpiandraikitra ny Toeramasina sy mpiandraikitra ny raharahan'Andriamanitra , na ny avy tamin'ny taranak'i Elehazara na ny avy tamin'ny taranak'i Itamara.
6 I Semahia, izay zanakalahin'i Natanaela sady mpitantsoratra anankiray anisan'ny levita, no nanoratra izany fitsinjarazarana izany teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanapaka, teo anatrehan'i Tsadoka mpisorona sy i Ahimeleka zanakalahin'i Abiatara, ary teo anatrehan'ny loham-pianakavian'ny mpisorona sy ny loham-pianakavian'ny levita: hatrany hatrany, dia fianakaviana roa no nalaina antsapaka tamin'ny terak'i Elehazara, vao iray kosa tamin'ny terak'i Itamara.
7 Ny antsapaka voalohany dia azon'i Joiariba; ny faharoa, azon'i Jedahia,
8 ny fahatelo, azon'i Harima; ny fahefatra, azon'i Sehorima;
9 ny fahadimy, azon'i Malkia; ny fahenina, azon'i Miamina,
10 ny fahafito, azon'i Hakotsa; ny fahavalo, azon'i Abia;
11 ny fahasivy, azon'i Jesoa; ny fahafolo, azon'i Sekania,
12 ny faha-11, azon'i Eliasiba; ny faha-12, azon'i Jakima,
13 ny faha-13, azon'i Hopa; ny faha-14, azon'i Jesebaba;
14 ny faha-15, azon'i Bilga; ny faha-16, azon'i Imera,
15 ny faha-17, azon'i Hezira; ny faha-18, azon'i Hapitsetsa,
16 ny faha-19, azon'i Petahia; ny faharoapolo, azon'i Ezekiela;
17 ny faha-21, azon'i Jakina; ny faha-22, azon'i Gamola,
18 ny faha-23, azon'i Delaia; ny faha-24, azon'i Mahazia.
19 Izany no fitsinjarana ny taranak'i Aharona ho antokony amin'ny fanompoany avy, mba hahatongavany ao an-tranon'ny TOMPO; araka ny fitsipika izay tena nifandraika tamin'ny didy nomen'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely no nampitan'i Aharona razambeny azy.
20 Ny amin'ireo levita sisa dia izao :Tamin'ny taranak'i Hamrama dia i Sobaela; ary tamin'ny zanakalahin'i Sobaela dia i Jehedeia.
21 Tamin'ny zanakalahin'i Rehabia dia i Jisia no filohany.
22 Tamin'ny zanakalahin'i Jitsehara dia i Selomota; ary tamin'ny zanakalahin'i Selomota dia i Jahata.
23 Tamin'ny zanakalahin'i Hebrona dia i Jeria no lahimatoa, i Amaria no lahiaivo , i Jahaziela no fahatelo ary i Jekamehama no faralahy.
24 Ny zanakalahin'i Hoziela dia i Mika; ary tamin'ny zanakalahin'i Mika dia i Samira.
25 I Jisia no rahalahin'i Mika; ary tamin'ny zanakalahin'i Jisia dia i Zakaria.
26 Ny zanakalahin'i Merary dia i Mahily sy i Mosy ary i Jahazia.
27 Ny zafin'i Merary, tamin'i Jahazia zanany, dia i Sohama sy i Zakora ary i Hibry,
28 ny zafin'i Merary, tamin'i Mahily, dia i Elehazara (izay tsy nanan-janakalahy)
29 sy i Kisy (izay i Jerahimeela no isan'ny zanakalahiny).
30 Ny zanakalahin'i Mosy kosa dia i Mahily sy i Hedera ary i Jerimota. Ireo no taranaky ny levita araka ny fianakaviany avy.
31 Toraka ireo rahalahiny, taranak'i Aharona, ny levita koa dia mba notsinjaraina fanompoana tamin'ny antsapaka teo anatrehan'i Davida mpanjaka, teo anatrehan'i Tsadoka sy i Abimeleka, ary teo anatrehan'ny loham-pianakavian'ny mpisorona sy ny loham-pianakavian'ny levita: samy natao antsapaka mifanarakaraka na ny fianakavian'ny zokiny na ny fianakavian'ny zandriny.