1 Tantara
Toko faha-26
1 Ny amin'ny mpiandry vavahady, dia izao no fitsinjarana azy ho antokony: Tamin'ny taranak'i Kora dia i Meselemia zanakalahin'i Kora sady zafin'i Abiasafa.2 Nisy fito lahy ny an'io Meselemia io ny zanany: dia i Zakaria lahimatoa, i Jedihaela lahiaivo, i Zebadia fahatelo, i Jatniela fahefatra,
3 i Helama fahadimy, i Johanana fahenina, ary i Eliohenay faralahy.
4 Ny an'i Hobeda-Edoma dia nisy valolahy ny zanany: i Semahia lahimatoa, i Jozabada lahiaivo, i Joa fahatelo, i Sakara fahefatra, i Natanaela fahadimy,
5 i Hamiela fahenina, i Jisakara fahafito, i Peholetahy faralahy; fa Andriamanitra efa nitahy an'i Hobeda-Edoma.
6 I Semahia zanany dia niteraka zazalahy maromaro izay samy olom-banona ka tonga mpanapaka tao amin'ny isam-pianakaviany avy.
7 Ny zanakalahin'i Semahia dia i Hotny sy i Refaela ary i Hobeda sy i Elzabada mbamin'ireo rahalahiny anankiroa izay samy olom-banona, dia i Eliho sy i Semakia.
8 Anisan'ny taranak'i Hobeda-Edoma ireo rehetra ireo. Ny taranaka omban-janaka sy havana dia nisy 62 lahy ny an'i Hobeda-Edoma no mpiandry vavahady: samy olom-banona avokoa sady mahery fo amin'ny fanompoany.
9 Ny an'i Meselemia dia nisy 18 lahy ny zanany sy ny havany no mpiandry vavahady: samy olom-banona avokoa.
10 Ny an'i Hosa, izay anisan'ireo taranak'i Merary, dia nisy efa-dahy ny zanany: i Simry no voalohany (tsy lahimatoa izy kanefa nataon-drainy lohalaharana),
11 i Hilkiafaharoa, i Tebalia fahatelo ary i Zakaria fahefatra. Ny an'i Hosa dia nisy 13 lahy ny zanany sy ny havany rehetra no mpiandry vavahady.
12 Anjaran'ny antokon'ireo mpiandry vavahady sy anjaran'ny filohan'ireo vatan-dehilahy ireo ny manao fanompoana ao an-tranon'ny TOMPO, teo anilan'ireo levita rahalahiny.
13 Nanao antsapaka izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, araka ny fianakaviany, ny amin'ny vavahady hambenany avy.
14 Ny amin'ny vavahady atsinanana, dia azon'i Selemia ny antsapaka. Ny amin'ny vavahady avaratra, dia i Zakaria zanany, izay mpanolotsaina hendry, no niantefan'ny antsapaka natao.
15 Ny amin'ny vavahady atsimo, dia azon'i Hobeda-Edoma, ary ny amin'ny trano fitahirizana entana, dia azon'ireo zanany.
16 Ny amin'ny vavahady andrefana mbamin'ilay vavahady atao hoe Saleketa izay eo an-tampon'ny lala-miakatra dia azon'ny Hosa. Nisy anjara fiambenana nifandimbiasana:
17 ka tamin'ny vavahady atsinanana, nisy levita enina isan'andro; tamin'ny vavahady avaratra, nisy levita efatra isan'andro; tamin'ny vavahady atsimo, nisy levita efatra isan'andro; tamin'ny trano fitahirizana entana, nisy sokajy anankiroa samy levita roa avy,
18 tamin'ny trano fanampiny , teo andrefana, nisy levita efatra ho an'ny lalana ary nisy levita roa ho an'ny trano.
19 Dia ireo no antokon'ny mpiandry vavahady tamin'ny taranak'i Korasy tamin'ny taranak'i Merary.
20 Ny levita naman'ireo kosa dia nisy mpiandraikitra ny zavatra sarobidy tao an-tempolin'Andriamanitra, zavatra sarobidy izay voatokana ho an'Andriamanitra.
21 Tamin'ny taranak'i Lahadana, ilay Lahadana zanakalahin'i Gersona, dia i Jehiely
22 sy ireo zanakalahin'i Jehiely, ary koa i Zetama sy i Joela rahalahin'i Jehiely, samy loham-pianakaviany avy, no mpiandraikitra ny zavatra sarobidy tao an-tranon'ny TOMPO.
23 Ho an'ny Hamramita sy Jitseharita ary Hebronita sy Hozielita,
24 dia i Sobaela, zanakalahin'i Gersoma sy zafin'i Mosesy, no mpiandraikitra ny zavatra sarobidy.
25 Ny havan'i Sobaela, avy amin'i Elihezera (rahalahin'i Gersoma), dia ireto avy: i Rehabia zanakalahin'i Elihezera, i Jesahia zanakalahin'i Rehabia, i Jorama zanakalahin'i Jesahia, i Zikry zanakalahin'i Jorama, ary i Selomota zanakalahin'i Zikry.
26 Io Selomota io sy ny havany no mpiandraikitra ny zavatra sarobidy voatokana ho an'Andriamanitra, dia ireo zavatra natokan'i Davida mpanjaka sy ireo loham-pianakaviany ary ny komandin-tafika mpifehy arivo sy mpifehy zato.
27 Tamin'ny fitaovana azon'ireo tamin'ny ady mantsy no nisy nanokanany mba hoenti-miahy ny tranon'ny TOMPO.
28 Ny zavatra rehetra, natokan'i Samoela mpaminany manam-pahitana sy natokan'i Saoly zanakalahin'i Kisy ary natokan'Abinera zanakalahin'i Nera sy natokan'i Joaba zanakalahin'i Tseroia ho an'Andriamanitra, dia i Selomota sy ny havany no mpiandraikitra ny fitahirizana azy.
29 Tamin'ny taranak'i Jitsehara, dia i Kenania sy ny zanany no voatendry hanao ny raharaha fandaminana teo amin'i Israely, ka ho mpifehy sy mpitsara.
30 Tamin'ny taranak'i Hebrona, dia i Hasabia sy ny havany, izay nisy olom-banona 1700 lahy, no mpifehy ny faritr'i Israely andrefan'i Jordana amin'ny raharaha rehetra momba ny TOMPO sy momba ny fanompoana ny mpanjaka.
31 Tamin'ny taranak'i Hebrona, dia i Jeria no filoha; ny taona fahefapolo nanjakan'i Davida no nanaovana fikarohana ny amin'ny taranak'i Hebrona araka ny tetiarana isam-pianakaviana, ka nahitana vatan-dehilahy olom-banona tao Jahizera any Gilehada.
32 I Jeria mbamin'ny havany dia nisy 2700 lahy,samy olom-banona loham-pianakaviany avy, ka notendren'i Davida mpanjaka hifehy ny Reobenita sy ny Gadita ary ny antsasam-pokon'i Manase amin'ny raharaha rehetra momba an'Andriamanitra sy momba ny mpanjaka.