1 Tantara
Toko faha-25
1 I Davida sy ny lehiben'ireo andiana levita voatokana ho an'ny fanompoam-pivavahana dia nanavaka ny taranak'i Asafa sy i Hemana ary i Jedotona, ho mpampita an-kira ny hafatr'Andriamanitra, omban'ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona; ka izao no isan'ny lehilahy mpanao izany raharaha izany araka ny fanompoany avy:2 Ny an'ny zanakalahin'i Asafa dia ry i Zakora sy i Josefa ary i Netania sy i Asarela. Ireo zanakalahin'i Asafa ireo dia notarihin'i Asafa rainy izay nampita an-kira ny hafatr'Andriamanitra araka ny fitarihan'ny mpanjaka.
3 Ny an'ny zanakalahin'i Jedotona dia ry i Gedalia sy i Tsery, i Jesahia sy i Simehy ary i Hasabia sy i Matitia. Izy enin-dahy ireo dia notarihin'i Jedotona rainy izay nampita an-kira ny hafatr'Andriamanitra, omban'ny lokanga, mba hankalazana sy hiderana ny TOMPO.
4 Ny an'ny zanakalahin'i Hemana dia ry i Bokia, i Matania, i Hoziela, i Seboela, i Jerimota, i Hanania, i Hanany, i Eliata, i Gidalty, i Romamty-Hezera, i Josbekasa, i Maloty, i Hotira, ary i Mahaziota.
5 Ireo rehetra ireo no zanakalahin'i Hemana izay isehoam-pahitana ka mampita amin'ny mpanjaka ireo tenin'Andriamanitra, mba hanandratana ny heriny. Ary zazalahy 14 sy zazavavy telo no efa nomen'Andriamanitra an'i Hemana.
6 Izy rehetra ireo dia samy notarihin-drainy avy no nihira tao an-tranon'ny TOMPO, omban'ny kipantsona sy ny valiha ary ny lokanga; ny hanao fanompoana tao an-tranon'ny TOMPO no raharahany, teo ambany fitarihan'ny mpanjaka mbamin-dry i Asafa sy i Jedotona ary i Hemana.
7 Ireo rehetra efa havanana amin'ny hira ireo, miaraka amin'ny sokaji-mpihira izay ofaniny koa hihira ho an'ny TOMPO, dia 288 no isany.
8 Nanao antsapaka ny anjara raharahany avy izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny efa havanana na ny mbola miofana.
9 Ka ny antsapaka voalohany dia azon'i Josefa; ny faharoa, azon'i Gedalia;
10 ny fahatelo, azon'i Zakora;
11 ny fahefatra, azon'i Jitsery;
12 ny fahadimy, azon'i Netania;
13 ny fahenina azon'i Bokia;
14 ny fahafito, azon'i Asarela;
15 ny fahavalo, azon'i Jesahia;
16 ny fahasivy azon'i Matania;
17 ny fahafolo, azon'i Simehy;
18 ny faha-11, azon'i Hoziela;
19 ny faha-12, azon'i Hasabia;
20 ny faha-13, azon'i Sobaela;
21 ny faha-14, azon'i Matitia;
22 ny faha-15, azon'i Jeremota;
23 ny faha-16, azon'i Hanania;
24 ny faha-17, azon'i Josbekasa;
25 ny faha-18, azon'i Hanany;
26 ny faha-19, azon'i Maloty;
27 ny faharoapolo, azon'i Eliata;
28 ny faha-21, azon'i Hotira;
29 ny faha-22 , azon'i Gidalty;
30 ny faha-23, azon'i Mehaziota;
31 ny faha-24, azon'i Romamty-Hezera. Izy tsirairay avy, mbamin'ny zanany sy havany miaraka aminy, dia samy sokajy misy olona 12 lahy.