1 Tantara
Toko faha-4
1 Ny zanakalahin'i Joda dia i Peretsa sy i Hetsirona mbamin'i Karmy sy i Hora ary i Sobala.2 I Reaia, zanakalahin'i Sobala, no ray niteraka an'i Jahata; ary i Jahata no ray niteraka an'i Ahomay sy i Lahada: izy mirahalahy ireto no razamben'ny tarika Tsorehatita.
3 Ireto no zanakalahin'i Hora, lahimatoan'i Efrata sady mpanorina an'i Betlehema: i Natama sy i Jizrehela ary i Jisma sy i Jidbasa; ny anabavin'izy efa-dahy kosa atao hoe Hatselpony; ao koa i Penoela mpanorina an'i Gedora, ary i Hezera mpanorina an'i Hosa.
5 I Asehora, mpanorina an'i Tekoa, dia nanana vady roa: i Hela sy i Nahara.
6 I Nahara no reny niteraka an'i Ahozama sy i Hefera ary i Temeny sy i Ahastary; ireo no zanakalahin'i Nahara.
7 Ny zanakalahin'i Hela kosa dia i Tsereta sy i Tsohara ary i Etnana.
8 I Kotsa no ray niteraka an'i Hanoba sy i Tsobeba; ary izy koa no razamben'ny tarik'i Aharihela, zanakalahin'i Haroma.
9 Nisy atao hoe Jahebetsy, izay nalaza kokoa noho ireo rahalahiny. Ny reniny no nanome ny anarany hoe Jahebetsy satria hoy izy: Zoim-pahoriana aho, raha niteraka azy.
10 Ary niantso an'ilay Andriamanitr'i Israely i Jahebetsy ka nanao hoe: Enga anie hotahinao tokoa aho, ka hohalalahinao ny taniko; ary aoka ny tananao homba ahy, ka hataonao lavitra ahy ny loza mba tsy ho zoim-pahoriana aho! Dia nohenoin'Andriamanitra izay nangatahiny.
11 I Keloba, rahalahin'i Siha, no ray niteraka an'i Mehira izay rain'i Estona.
12 Ary i Estona no ray niteraka an'i Bety-Rafa sy i Pasea ary i Tehina; ity Tehina ity no mpanorina ny tananan'i Nahasa. Ny taranak'ireo no mponina tao Reka.
13 Ny zanakalahin'i Kenaza dia i Hotniela sy i Seraia; ary ny zanakalahin'i Hotniela dia i Hatata sy i Mehonotahy.
14 I Mehonotahy no ray niteraka an'i Hofra; ary i Seraia no ray niteraka an'i Joaba razamben'ny ao Geharasima na hoe Lohasahan'ny mpiasa, fa mpiasa izy ireo.
15 Ireo zanakalahin'i Kaleba zanakalahin'i Jefone dia i Hiro sy Ela ary i Nahama; ary ny zanakalahin'i Ela dia i Kenaza.
16 Ny zanakalahin'i Jehalaleela dia i Zifa sy i Zifa ary i Tiria sy i Asarela.
17 Ny zanakalahin'i Hezra dia i Jetera sy i Mereda ary Hefera sy i Jalona. Ary nanambady an'i Bitia, zanakavavin'ny Farao, i Mereda, ka niteraka an'i Miriama sy i Samay ary i Jisba ilay mpanorina an'i Estemoa;
18 ary i Jehodia, vadiny hafa koa, dia niteraka telo mirahalahy: i Jereda mpanorina an'i Gedora, i Hebera mpanorina an'i Sokao, ary i Jekotiela mpanorina an'i Zanoa.
19 Ny anabavin'i Nahama no vadin'i Hodia; ireo zanakalahin-dravehivavy dia ilay mpanorina ny tanana Kehila izay an'ny Garmita sy ilay mpanorina ny tanana Estemoa izay an'ny Mahekatita.
20 Ny zanakalahin'i Simona dia i Amnona sy i Rina ary i Bena-Hanana sy i Tilona. Taranak'i Jisehy: i Zoheta sy ilay zanakalahin'i Zoheta.
21 Taranak'i Sela, zanakalahin'i Joda : i Hera mpanorina an'i Leka; i Laheda mpanorina an'i Maresa; ireo tarika mpanenona lamba rongony tao Bety-Asbea;
22 i Jokima sy ny mponina tao Kozeba; ary i Joasy sy i Sarafa, izay samy nanambady vehivavy moabita vao niverina nonina tao Betlehema: zavatra efa tranainy izany.
23 Ny taranak'izy mirahalahy no mpanefy vilany sady mponina tao Netahima sy Gedera ; tamin'ny alalan'ny mpanjaka no nonenany tao satria asa ho an'ny mpanjaka no nataony.
24 Ny zanakalahin'i Simehona dia i Nemoela sy i Jamina mbamin'i Jariba sy i Zera ary i Saoly.
25 I Saloma no zanakalahin'i Saoly, i Mibsama zanakalahin'i Saloma, i Misma zanakalahin'i Mibsama.
26 Ny zanakalahin'i Misma dia i Hamoela sy i Jakora ary i Simehy.
27 I Simehy dia nanana zanakalahy 16 sy zanakavavy enina, fa ireo rahalahiny kosa tsy nisy niteraka zanakalahy maro; koa ny fokon'i Simehona manontolo dia tsy nitombo hoatra ny taranak'i Joda.
28 Mandra-panjakan'i Davida , dia ireto no tanana nonenan'ny taranak'i Simehona: i Beera-Seba sy i Molada, i Hatsary-Sohala
29 i Bahala, i Hetsema sy i Tolada,
30 i Betoela sy i Horma, i Tsiklaga
31 sy i Bety-Markabota, i Hatsary-Sosima sy i Bety-Biry ary i Saharaima
32 mbamin'ireo tanana kely momba azy avy. Teo koa ireto tanana dimy ireto: dia i Hetama sy i Haina, i Rimona sy i Tokena ary i Hasana
33 mbamin'ny tanana kely rehetra manodidina ireo tanana ireo hatrany Bahalato. Ireo no toeram-ponenan'ny taranak'i Simehona ary samy nanana ny tantaram-pirazanana manokana izy.
34 Ireto voatonona anarana ireto no filoha teo amin'ny tarika nisy azy avy: i Mesobaba sy i Jameleka, i Josa zanakalahin'i Amatsia, i Joela, i Jeho ilay zanakalahin'i Josibeia sy zafin'i Seraia ary zafiafin'i Hasiela, i Eliohenay sy i Jahakoba, i Jesohaia, i Hasaia sy i Hadiela mbamin'i Jesimiela sy i Benaia ary i Ziza ilay zanakalahin'i Sifehy sy zafin'i Alona sy zafiafin'i Jedaia sy zafin-dohalik'i Simry ary zafin-kitrokelin'i Semahia. Samy nihamaro fatratra ny fianakaviany,
39 ka nandeha nankany akaikin'i Gedora, dia hatrany atsinanan'ny lohasaha mba hitady ahitra ho an'ny andian'ondriny.
40 Koa nahita ahitra milenodenoka sady tsara izy ireo ary midadasika ny tany sady milamina feizay; taranak'i Hama nomponina tao taloha.
41 Tamin'ny andron'i Hezekia mpanjakan'i Joda no tonga tao ireo filohan-tarika voasoratra anarana ireo ka namely ny tranolay sy ny toby fiarovana hitany tao ary nandringana ny taranak'i Hama ; dia nonina tao nisolo toerana azy mandraka androany, satria nisy ahitra ho an'ny andian'ondriny tao.
42 Ary tamin'ny taranak'i Simehona dia nisy lehilahy dimanjato notarihin'i Pelatia sy i Neharia ary i Refaia sy i Hoziela izay samy zanakalahin'i Jisehy; nankany an-tendrombohitr'i Sehira ireo,
43 ka namely ny Hamalekita sisa afa-nandositra, dia nonina tany mandraka androany.