1 Tantara

Toko faha-23

1 Nony efa tratrantitra sy voky andro i Davida, dia i Salomona zanany lahy no nataony mpanjaka tamin'i Israely.

2 Novoriny koa ny lehibe rehetra tamin'i Israely mbamin'ny mpisorona sy ny levita.

3 Natao fanisana tsirairay ireo vatan-dehilahy levita, hatramin'ny telopolo taona noho miakatra, ka 38 000 no isany.

4 Ary hoy i Davida hoe: ny 24 000 amin'ireo hotonian'ny asa fanorenana ny tranon'ny TOMPO; ny enina arivo ho mpitantsoratra sy ho mpitsara,

5 ny efatra arivo ho mpiandry varavarana; ary ny efatra arivo ho mpidera ny TOMPO amin'ny zava-maneno namboariko hiderana Azy.

6 Natsitokotokon'i Davida koa ny levita, araka ny ifandraisany amin'ireo zanakalahin'i Levy: dia i Gersona sy i Kehata ary i Merary.

7 Ny avy amin'i Gersona: i Lahadana sy i Simehy no zanakalahin'i Gersona.

8 Telo no zanakalahin'i Lahadana: voalohany i Jehiela, avy eo i Zetama sy i Joela,

9 izay samy nanjary lohany tamin'ireo fianakaviana avy amin'i Lahadana. Telo no zanakalahin'i Simehy: dia i Selomita sy i Haziela ary i Harana.

10 Ary mbola nisy efatra koa ny zanakalahin'i Simehy, dia i Jahata sy i Ziza ary i Jehosa sy i Beriha; ireo indray no zanakalahin'i Simehy:

11 ka i Jahata no voalohany, i Ziza no faharoa; fa i Jehisa sy i Beriha kosa vitsy zanakalahy, ka nisaina mitambatra ho fianakaviana iray.

12 Ny zanakalahin'i Kehata dia efatra: i Hamrama sy i Jitsehara ary i Hebrona sy i Hoziela.

13 Ny zanakalahin'i Hamrama dia i Aharona sy i Mosesy. I Aharona mbamin'ny taranany no natokana hatrany mba hanao fanompoana ao amin'ny Toeramasina indrindra : ka himasoany lalandava ny handoro zava-manitra eo anatrehan'ny TOMPO sy ny hanao fanompoam-pivavahana ary ny hitsodrano amin'ny anaran'ny TOMPO.

14 I Mosesy dia lehilahin'Andriamanitra; natao ho anisan'ny fokon'i Levy kosa ny zanakalahiny,

15 dia i Gersoma sy i Elihezera.

16 Tamin'ny zanakalahin'i Gersoma dia i Sobaela no loham-pianakaviana.

17 Tamin'ireo zanak'i Elihezera dia i Rehabia no loham-pianakaviana, sady tsy nanan-janaka lahy hafa i Elihezera; kanefa maro dia maro ny zanakalahin'i Rehabia.

18 Tamin'ny zanakalahin'i Jitsehara dia i Selomota no loham-pianakaviana.

19 Ny zanakalahin'i Hebrona dia i Jeria no lahimatoa, i Amaria no lahiaivo, i Jahaziela no fahatelo, ary i Jekamehama no fahefatra.

20 Ny zanakalahin'i Hoziela dia i Mika no lahimatoa ary i Jisia no faralahy.

21 Ny zanakalahin'i Merary dia i Mahily sy i Mosy. Ny zanakalahin'i Mahily dia i Elehazara sy i Kisy.

22 Maty tsy nitera-dahy i Elehazara fa vavy avokoa ny zaza navelany: ary dia nalain'ny zanakalahin'i Kisy rahalahin-drainy ho vady ireo.

23 Telo ny zanakalahin'i Mosy: dia i Mahily sy i Hedera ary i Jeremota.

24 Ireo rehetra ireo no taranak'i Levy, izay samy lohany teo amin'ny fianakaviany avy, araka ny nanisana azy sy nanoratana anarana azy tsirairay: nanao ny asa fanompoana taoan-tranon'ny TOMPO ireo, nanomboka hatreo amin'ny roapolo taona no ho miakatra.

25 Hoy manko i Davida hoe: "Ny TOMPO, Andriamanitr'i Israely dia efa nanome fandriampahalemana ho an'ny vahoakany, sady honina mandrakizay eto Jerosalema,

26 koa ny levita dia tsy hitondra ny Tranolay fihaonana sy ny fanaka rehetra fanaovana fanompoana momba izany intsony."

27 Araka ny faratenin'i Davida no nanisana ny levita, nanomboka hatreo amin'ny roapolo taona no ho miakatra.

28 Manolo-tena izy ireo ho baikoin'ny taranak'i Aharona ny amin'ny fanompoana ao an-tranon'ny TOMPO na momba ireo kianja aman'efitrano izany na momba ny fanadiovana ireo fitaovana masina rehetra. Ny raharaha mifandray amin'ny fanompoana ny tranon'Andriamanitra dia ireto:

29 mamboatra ny mofo apetraka eo anatrehan'Andriamanitra , manomana ny lafarinina tsara indrindra hatao fanatitra, mahandro ny mofo manify tsy misy leviora sy ny mofo endasina amin'ny lapoaly ary ny mofo hafa isan-karazany, manamarina ny famarana sy fandrefesana rehetra.

30 Adidin'ny levita ny mihoby sy midera ny TOMPO isa-marain-tsy hariva

31 ary koa isaky ny misy sorona dorana manontolo atolotra ny TOMPO na amin'ny sabata na amin'ny andro voalohan'ny volana na amin'ny fankalazana hafa. Araka ny isa naraikitra hanaovana lalandava ireny raharaha ireny no hanatontosan'ny levita azy eo anatrehan'ny TOMPO.

32 Mbola azy koa no miambina ny Tranolay fihaonana sy ny Toeramasina; fa an'ny taranak'i Aharona rahalahiny kosa ny manao ny fanompoana ao an-tranon'ny TOMPO.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0581