1 Tantara
Toko faha-27
1 Ny lehilahy israelita, na isam-batan'olona na loham-pianakaviana, na komandin-tafika mpifehy arivo sy mpifehy zato, na manampahefana, dia samy nanompo ny mpanjaka. Io fanompoana io dia ny raharaha rehetra momba ny antokon-tafika, izay nifandimby isam-bolana mandavan-taona. Isaky ny antokon-tafika dia nisy andiany 24;2 ka ireto avy no mpibaiko azy: Volana voalohany: I Jasobehama, zanakalahin'i Zabdiela sady isan'ny taranak'i Peretsa;
3 filohan'ireo mpifehy miaramila rehetra izy amin'ny volana voalohany.
4 Volana faharoa: i Doday, avy any Ahoa; ilay komandy atao hoe Miklota no manampy azy.
5 Volana fahatelo: i Benaia, zanakalahin'i Joiada mpisorombe.
6 Lehilahy mahery anisan'ireo "Telopolo lahy" i Benaia; ary rehefa nanjary mpitarika ny "Telopolo lahy" izy, dia i Hamizabada zanany lahy no mpibaiko ny antokon-tafika.
7 Volana fahefatra: i Hasahela, rahalahin'i Joaba; ary dia i Zebadia zanany lahy kosa taty aoriana.
8 Volana fahenina: i Hira, zanakalahin'i Hikesy, avy any Tekoa.
9 Volana fahadimy, dia i Samihota jizraita.
10 Volana fahafito: i Heletsa, avy any Peleta, isan'ny taranak'i Efraima.
11 Volana fahavalo: i Sibekay, avy any Hosa, isan'ny taranak'i Zera.
12 Volana fahasivy: i Abihezera, avy any Hanatota, isan'ny taranak'i Benjamina.
13 Volana fahafolo: i Maharay, avy any Netofa, isan'ny taranak'i Zera.
14 Volana faha-11: i Benaia, avy any Pirehatona, isan'ny taranak'i Efraima.
15 Volana faha-12: i Helday, avy any Netofa, isan'ny taranak'i Hotniela.
16 Ireto avy no filohan'ny fokon'i Israely: Tamin'ny fokon'i Reobena, dia i Elihezera zanakalahin'i Zikry.Tamin'ny fokon'i Simehona, dia i Sefatia zanakalahin'i Maheka.
17 Tamin'ny fokon'i Levy, dia i Hasabia zanakalahin'i Kemoela. Tamin'ny taranak'i Aharona, dia i Tsadoka.
18 Tamin'ny fokon'i Joda, dia i Eliho izay isan'ny rahalahin'i Davida. Tamin'ny fokon'i Jisakara, dia i Homry zanakalahin'i Mikaela.
19 Tamin'ny fokon'i Zebolona, dia i Jismahia zanakalahin'i Hobadia. Tamin'ny fokon'i Naftaly, dia i Jerimota zanakalahin'i Hazriela.
20 Tamin'ny fokon'i Efraima, dia i Hosea zanakalahin'i Hazazia.Tamin'ny antsasa-pokon'i Manase, dia i Joela zanakalahin'i Pedaia.
21 Tamin'ny antsasa-pokon'i Manase tao Gilehada, dia i Jidao zanakalahin'i Zakaria. Tamin'ny fokon'i Benjamina, dia i Jahasiela zanakalahin'i Abnera.
22 Tamin'ny fokon'i Dana, dia i Hazarela zanakalahin'i Jerohama. Ireo no filohan'ny fokon'i Israely.
23 Tsy nanisa ny hatramin'ny roapolo taona no ho midina i Davida, satria ny TOMPO efa nilaza hampitombo ny Israelita ho tahaka ny kintana eny amin'ny habakabaka.
24 Nanomboka fanisana i Joaba zanakalahin'i Tseroia fa tsy namarana, noho ny fahatezeran'Andriamanitra vokatr'izany tamin'i Israely; ka tsy voasoratra ao amin'ilay boky milohateny hoe Asan'i Davida mpanjaka ny isan'ny mponina.
25 I Hazmavety, zanakalahin'i Hadiela, no mpiandraikitra ny zava-tsarobidin'ny mpanjaka. I Jonatana, zanakalahin'i Hozia, no mpiandraikitra ny trano fitahirizam-bokatra, na tany ambanivohitra na tamin'ny tanan-dehibe na tamin'ny tanana kely na tamin'ny tilikambo fiambenana.
26 I Hezry, zanakalahin'i Keloba, no mpiandraikitra ny tantsaha mpiasa tany.
27 I Simehy, avy any Rama, no mpiandraikitra ny tanimboaloboka. I Zabdy, avy any Sefama, no mpiandraikitra ny tahirin-divay any amin'ny tanimboaloboka.
28 I Bahala-Hanana, avy any Bety-Gedera, no mpiandraikitra ny voly oliva sy aviavy any amin'ny lemak'i Sefela. I Johasa no mpiandraikitra ny tahirin-diloilo.
29 I Sitray, avy any Sarona, no mpiandraikitra ny omby nandrasana tany Sarona. I Safata, zanakalahin'i Hadlay, no mpiandraikitra ny omby nandrasana tan-dohasaha.
30 I Obila, izay Jismahelita, no mpiandraikitra ny rameva. I Jehedeia, avy any Meronota, no mpiandraikitra ny borikivavy.
31 I Jaziza, izay Hagrita, no mpiandraikitra ny ondry aman'osy. Ireo rehetra ireo no mpiandraikitra ny fananan'i Davida mpanjaka.
32 I Jonatana, rahalahin-drain'i Davida sady lehilahy hendry sy be fahalalana, dia mpanolotsain'ny mpanjaka; ary i Jehiela, zanakalahin'i Hakmony, no teo amin'ny zanaky ny mpanjaka.
33 I Ahitofela koa dia mpanolotsain'ny mpanjaka; ary i Hosay, izay Arkita, no sakaizan'ny mpanjaka.
34 Ny nandimby an'i Ahitofela dia ry Joiada zanakalahin'i Benaia sy ry Abiatara. Ary ny komandin'ny tafiky ny mpanjaka dia i Joaba.