1 Tantara

Toko faha-20

1 Rehefa niherina ny lohataona, fotoana fiaingan'ny mpanjaka handeha hiady, dia i Joaba no nitarika ny tafika manontolo ka nandrava ny tanin'ny Hamonita sy tonga nanao fahirano an'i Raba renivohiny; fa i Davida kosa nijanona tao Jerosalema ihany. Nony azon'i Joaba sy noravany i Raba,

2 dia avy i Davida nanaisotra ny satroboninahitra teny an-dohan'i Milkoma ilay andriamanitry ny Hamonita. Mihoatra ny telopolo kilao no hita fa lanjan'io satroboninahitra volamena io; sady nisy vatosoa anankiray koa taminy, vato soa izay napetraka teo an-tampon'ny satroboninahitr'i Davida. Be dia be ny zavatra voababo tao an-drenivohitra no nentin'i Davida,

3 ary ny mponina izay tao dia navoakany ka notereny hiasa amin'ny tsofa sy ny hersa ary ny famaky. Nataon'i Davida toy izany avokoa ny tanana hafa rehetra fonenan'ny Hamonita. Dia niverina nankany Jerosalema i Davida sy ny tafiny manontolo.

4 Taorian'izany, dia nisy ady tamin'ny Filistinina tao Gezera. Tamin'izay i Sibekay, avy any Hosa, no nahafaty an'i Sipay isan'ny taranak'i Rafa ; ka dia voaetry ny Filistinina.

5 Dia nisy ady tamin'ny Filistinina indray. Ka i Elihanana, zanakalahin'i Jahiry, no nahafaty an'i Lahemy, rahalahin'i Goliata avy any Gata , dia i Goliata izay nanana zaran-defona vaventy tahaka ny voditenon'ny mpanenona.

6 Nisy ady koa tao Gata. Tao dia nisy lehilahy anankiray avo be sady enin-drantsana isan-tanana aman-tongotra ka dia 24 no fitambarany; taranak'i Rafa koa izy.

7 Nohantsiny ny Israelita, ka i Jonatana, zanakalahin'i Simeha izay rahalahin'i Davida, no nahafaty azy.

8 Ireo miaramila filistinina ireo dia samy taranak'i Rafa tao Gata, ka matin'ny tanan'i Davida sy ny tanan'ny mpanompony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.059