1 Tantara
Toko faha-7
1 Efatra ny zanakalahin'i Jisakara: dia i Tola sy i Pova ary i Jasoba sy i Simrona.2 Ny zanakalahin'i Tola dia i Hozy sy i Refaia, i Jeriela sy i Jahimay ary i Jibsamasy i Samoela izay samy lohan'ireo fianakaviana nipoitra avy tamin'i Tola sady samy lehilahy mahery teo anatrehan'ny taranany. Tamin'ny andron'i Davida, dia 22600 no isan'ny terak'i Tola.
3 Ny zanakalahin'i Hozy dia i Jizrahia; ny zanakalahin'i Jizrahia dia i Mikaela sy i Hobadia ary i Joela sy i Jisia: izy dimy mianaka ireto dia samy loham-pianakaviana avokoa,
4 maro vady aman-janaka ny taranany, isam-pianakaviany, ka lehilahy mahery zatra miantafika 36000 no nananany.
5 Ireo havany, ho an'ny fianakaviana sisa rehetra avy amin'ny fokon'i Jisakara, dia miisa 87000 izy rehetra no lehilahy mahery.
6 Telo ny zanakalahin'i Benjamina: dia i Bela sy i Bekera ary i Jedihaela.
7 Dimy ny zanakalahin'i Bela: dia i Etsebona sy i Hozy mbamin'i Hoziela sy i Jerimota ary i Hiry; samy lohan'ny fianakaviany avy izy dimy ireto, samy lehilahy mahery, ary dia 22034 no isan'ny taranany.
8 Ny zanakalahin'i Bekera dia i Zemira sy i Johasa, i Elihezera sy i Eliohenay, i Homry sy i Jeremota mbamin'i Abia sy i Hanatota ary i Halmeta:
9 zanakalahin'i Bekera ireo rehetra ireo, samy lohan'ny fianakaviany avy, samy lehilahy mahery, ary dia 20200 no isan'ny taranany.
10 Ny zanakalahin'i Jedihaela dia i Bilehana; ary ny zanakalahin'i Bilehana dia i Jehisa sy i Benjamina, i Ehoda sy i Kenahana mbamin'i Zetana sy i Tarsisy ary i Ahisahara.
11 Ireo taranak'i Jedihaela rehetra ireo dia samy lohan'ny fianakaviany avy, ka 17200 tao amin'ireo fianakaviana ireo no isan'ny lehilahy mahery zatra miantafika;
12 ...sy i Sofama ary i Hofama. Ny zanakalahin'i Dana dia i Hosima, izay zanany lahitokana.
13 Ny zanakalahin'i Naftaly dia i Jahasiela sy i Gony ary i Jetsera sy i Saloma: samy zafin'i Bileha ireo.
14 Ny zanakalahin'i Manase dia i Asrielasy i Makira; ilay vehivavy sirianina, vadikelin'i Manase, no niteraka azy roa lahy. I Makira no rain'i Gilehada.
15 Naka vady ho an'i Hopimasy ho an'i Sopima i Makira. Ny anaran'ny vadin'i Makira dia i Maheka, ary ny anaran'ny lahiaivony dia i Tselofahada izay tsy nanana afa-tsy zanakavavy.
16 I Maheka, vadin'i Makira, dia mbola niteraka zazalahy anankiray ka i Peresa no anarana niantsoan-dreniny azy; i Seresa no anaran'ny rahalahin'i Peresa; ny zanak'i Seresa roa lahy dia i Olana sy i Rekema,
17 ary ny zanakalahin'i Olama dia i Bedana. Ireo no taranak'i Gilehada zanakalahin'i Makira sy zafin'i Manase.
18 I Moleketa, anabavin'i Gilehada, dia niteraka an'i Isehoda sy i Abihezera ary i Mahala.
19 Ny zanakalahin'i Semida kosa dia i Ahiana sy i Sekema ary i Likehy sy i Anihama.
20 Ny zanakalahin'i Efraima dia i Sotela sy i Hezera ary i Elehada. (I Bereda no zanakalahin'i Sotela, i Tahana zanakalahin'i Bereda, i Elehada zanakalahin'i Tahana, i Tahata zanakalahin'i Elehada,
21 i Zabadazanakalahin'i Tahata, i Sotela zanakalahin'i Zabada). I Hezera sy i Elehada dia novonoin'ireo lehilahy tompon-tany tao Gata ho faty, satria nidina hangalatra ny biby fiompiny.
22 Nisaona azy mirahalahy ela i Efraima rainy, ary tonga ireo havany hampionona azy.
23 Niray tamin'ny vadiny indray i Efraima, dia nanana anaka ravehivavy ka nitera-dahy; ary nataon-drainy hoe Beriha ny anaran'ny zaza, satria nitoetra tao an-trano hatrany ity reniny noho ny fahoriana nidona.
24 Ny zanakavavin'i Efraima dia i Seera, izay nanorina an'i Bety-Horona ambany sy i Bety-Horona ambony ary i Ozena-Seera.
25 I Refa no zanakalahin'i Beriha, i Resefa zanakalahin'i Refa, i Tela zanakalahin'i Resefa, i Tahana zanakalahin'i Tela,
26 i Lahadana zanakalahin'i Tahana, i Hamihoda zanakalahin'i Lahadana, i Elisama zanakalahin'i Hamihoda,
27 i Nona zanakalahin'i Elisama, i Josoa zanakalahin'i Nona.
28 Ny anjara tany amam-ponenan'ny taranak'i Efraima dia ireto avy: i Betela mbamin'ireo tanana kely miankina aminy; i Nahara, teo atsinanana ; i Gezera mbamin'ireo tanana kely miankina aminy, tao andrefana; i Sekema mbamin'ireo tanana kely miankina aminy, hatrany Haia mbamin'ireo tanana kely miankina aminy.
29 Teo am-pelatanan'ny taranak'i Manase kosa i Bety-Seana sy i Tahanaka ary i Megidao sy i Dora, mbamin'ireo tanana kely samy miankina aminy avy.Tamin'ireo tanana ireo no nonenan'ny taranak'i Josefa, zanakalahin'i Jakoba.
30 Ny zanakalahin'i Asera dia ry i Jimnasy i Jisva ary i Jisvy sy i Beriha; (i Sera noanabavin'ireo).
31 Ny zanakalahin'i Berihadia i Hebera sy i Malkiela: (ity Malkiela ity no mpanorina an'i Birzaita ).
32 I Hebera niteraka an-dry i Jafleta sy i Semera ary i Hotama mirahalahy mbamin'i Soha anabavin'ireo.
33 Ny zanakalahin'i Jafleta dia i Pasako sy i Bimehala ary i Hasvata: ireo no zanakalahin'i Jafleta.
34 Ny zanakalahin'i Semera, rahalahin'i Jafleta, dia i Ahy sy i Rohaga ary i Hoba sy i Arama.
35 Ny zanakalahin'i Hotama , rahalahin'i Semera, dia iTsofa sy i Jimna ary i Selesa sy i Hamala.
36 Ny zanakalahin'i Tsofa dia i Soha sy i Harnefera, i Sohaly sy i Bery, i Jimra
37 sy i Betsera, i Hoda sy i Sama mbamin'i Silsasy i Jitrana ary i Beera.
38 Ny zanakalahin'i Jitrana dia i Jefone sy i Pispa ary i Era.
39 Ny zanakalahin'i Hola dia i Ara sy i Haniela ary i Ritsia.
40 Taranak'i Asera avokoa ireo: samy loham-pianakaviany avy, samy olomanga, samy lehilahy mahery, samy mpitondra mamiratra; ary dia 26000 teo amin'ny taranak'i Asera no isan'ny miaramila mpiantafika.