1 Tantara

Toko faha-6

1 Ny zanakalahin'i Levy dia i Gersona sy i Kehata ary i Merary.

2 Ireto avy no anaran'ny zanakalahin'i Gersona: i Libny sy i Simehy.

3 Ny zanakalahin'i Kehata dia i Hamrama sy i Jitsehara ary i Hebrona sy i Hoziela.

4 Ny zanakalahin'i Merary dia i Mahily sy i Mosy. Ireto ny tarika ao anatin'ny fokon'i Levy, araka ny razana nipoirany:

5 Avy amin'i Gersona; i Libny zanakalahin'i Gersona, i Jahata zanakalahin'i Libny, i Zima zanakalahin'i Jahata,

6 i Joa zanakalahin'i Zima, i Hidao zanakalahin'i Joa, i Zera zanakalahin'i Hidao, ary i Jeotray zanakalahin'i Zera.

7 Taranak'i Kehata: i Jitsehara zanakalahin'i Kehata, i Kora zanakalahin'i Jitsehara, i Asiry zanakalahin'i Kora

8 i Elkana zanakalahin'i Asiry, i Abiasafa zanakalahin'i Elkana,

9 i Tahata zanakalahin'i Abiasafa, i Oriela zanakalahin'i Tahata, i Hozia zanakalahin'i Oriela, ary i Saoly zanakalahin'i Ozia.

10 Taranak'i Elkana: i Hamasay sy i Mahata mirahalahy,

11 dia i Elkana zanakalahin'i Mahata, i Tsofo zanakalahin'i Elkana, i Toa zanakalahin'i Tsofo ,

12 i Eliela zanakalahin'i Toa, i Jerohama zanakalahin'i Eliela, (ary i Samoela zanakalahin'i Jerohama ).

13 Ny zanakalahin'i Samoela dia i Joela ny zokiny ary i Abia ny zandriny.

14 Taranak'i Merary: i Mahily zanakalahin'i Merary, i Libny zanakalahin'i Mahily, i Simehy zanakalahin'i Libny, i Hoza zanakalahin'i Simehy,

15 i Simeha zanakalahin'i Hoza, i Hagia zanakalahin'i Simeha, ary i Hasaia zanakalahin'i Hagia.

16 Taranak'i Levy no voatendrin'i Davida hihira tao an-tranon'ny TOMPO, niantomboka hatramin'ny nametrahana tao ilay Vatamasina mirakitra ny fanekem-pihavanana.

17 Ambara-panorin'i Salomona ny tranon'ny TOMPO tao Jerosalema, dia nanao ny raharahan'ny mpihira teo anoloan'ny tranolay atao hoe Tranolay fihaonana ireo, ary nanatontosa ny fanompoany araka ny filaharany avy.

18 Ireto ary no mpanatontosa izany fanompoana izany omban'ny antokom-pihirany: Avy amin'ny taranak'i Kehata: i Hemana mpiventy hira, zanakalahin'i Joela sy zafin'i Samoela

19 sy zafiafin'i Elkana sy zafin-dohalik'i Jerohama sy zafin-kitrokelin'i Elielasy zafim-paladian'i Toa

20 ary zafin-dorian'i Tsofo, dia i Tsofo zanakalahin'i Elkanasy zafin'i Mahata sy zafiafin'i Hamasay

21 sy zafin-dohalik'i Elkana sy zafin-kitrokelin'i Joela sy zafim-paladian'i Hazaria ary zafin-dorian'i Tsefania,

22 dia i Tsefania zanakalahin'i Tahata sy zafin'i Asiry sy zafiafin'i Abiasa fa sy zafin-dohalik'i Kora

23 sy zafin-kitrokelin'i Jitsehara sy zafim-paladian'i Kehata ary zafin-dorian'i Levy, dia i Levy zanakalahin'i Jakoba.

24 Teo ankavanan'i Hemana no nipetrahan'i Asa fa mpiventy hira namany. I Asafa dia zanakalahin'i Berekia sy zafin'i Simeha

25 sy zafiafin'i Mikaela sy zafin-dohalik'i Bahaseia sy zafin-kitrokelin'i Malkia

26 sy zafim-paladian'i Jeotray ary zafin-dorian'i Zera, dia i Zera zanakalahin'i Hadaia

27 sy zafin'i Etana sy zafiafin'i Zima sy zafin-dohalik'i Simehy

28 sy zafin-kitrokelin'i Jahata sy zafim-paladian'i Gersona ary zafin-dorian'i Levy.

29 Teo ankavian'i Hemana kosa i Etana mpiventy hira naman-dry i Hemana sy i Asafa. Avy amin'ny taranak'i Merary izy, fa zanakalahin'i Kisy sy zafin'i Habdy sy zafiafin'i Maloka

30 sy zafin-dohalik'i Hasabia sy zafin-kitrokelin'i Amatsia sy zafim-paladian'i Hilkia

31 ary zafin-dorian'i Ametsy, dia i Ametsy zanakalahin'i Bany sy zafin'i Semera

32 sy zafiafin'i Mahily sy zafin-dohalik'i Mosy sy zafin-kitrokelin'i Merary ary zafim-paladian'i Levy.

33 Ary ny levita naman'ireo no nanankinana ny fanompoana hafa rehetra momba ny Tranolay fihaonana, tao an-tranon'Andriamanitra.

34 I Aharona sy ny taranany no mampanetona ny sorona dorana manontolo eo ambony alitara fisoronana sy mampanetona ny vovo-javamanitra eo ambony alitara fandoroana azy; ka nanatanteraka ny raharaha rehetra tao amin'ny Toeramasina Indrindra izy ireo ary nanao ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho an'ny vahoaka Israely, araka izay rehetra nandidian'i Mosesy mpanompon'Andriamanitra.

35 Ireto avy ny taranak'i Aharona : i Elehazara zanakalahin'i Aharona, i Pinehasa zanakalahin'i Elehazara, i Abisoa zanakalahin'i Pinehasa,

36 i Boky zanakalahin'i Abisoa, i Hozy zanakalahin'i Boky, i Zerahia zanakalahin'i Hozy,

37 i Meraiota zanakalahin'i Zerahia, i Amaria zanakalahin'i Meraiota, i Ahitoba zanakalahin'i Amaria,

38 i Tsadoka zanakalahin'i Ahitoba, ary i Ahimahatsa zanakalahin'i Tsadoka.

39 Ireto no fonenan'ny taranak'i Levy, araka ny toerana nisy azy tao amin'ny zarataniny avy. Ny taranak'i Aharona, avy amin'ny tarik'i Kehata, no voatendrin'ny an tsapaka ho voalohany,

40 ka dia nomenany tanana Hebrona mbamin'ny kijana manodidina azy tao amin'ny Joda,

41 fa ny saha sy ny tanana kely miankina amin'i Hebrona kosa efa nomena an'i Kaleba zanakalahin'i Jefone.

42 Ny nomena ny taranak'i Aharona dia ireto tanana fialofana ireto: i Hebrona sy

43 i Libna, i Jatira sy i Estemoa,

44 i Hilena sy i Debira ary i Hasana sy i Bety-Semesy mbamin'ny kijana samy manodidina azy,

45 ny avy tamin'ny fokon'i Benjamina dia i Geba sy i Halemeta ary i Hanatota mbamin'ny kijana samy manodidina azy. Dia 13 izany no isan'ny tanana rehetra anjaran'ny taranak'i Aharona araka ny fianakaviany avy.

46 Ny an'ny taranak'i Kehata sisa, araka ny fianakaviany avy, dia tanana folo no azony tamin'ny antsapaka: ireo tanana ireo dia avy tamin'ny fokon'i Efraima sy ny fokon'i Dana ary ny antsasa-pokon'i Manase.

47 Ny an'i taranak'i Gersona, araka ny fianakaviany avy, dia tanana 13 no azony tamin'ny antsapaka: ireo tanana ireo dia avy tamin'ny fokon'i Jisakara sy ny fokon'i Asera ary ny fokon'i Naftaly mbamin'ny antsasa-pokon'i Manase any Basana.

48 Ny taranak'i Merary, araka ny fianakaviany avy, dia tanana 12 no azony tamin'ny antsapaka: ireo tanana ireo dia avy tamin'ny fokon'i Reobena sy ny fokon'i Gada ary ny fokon'i Zebolona.

49 Nomen'ny Israelita ho an'ny Levita ireo tanana ireo sy ny kijana samy manodidina azy.

50 Tamin'ny antsapaka ihany koa no nanomezana ireo tanana avy tamin'ny fokon'i Joda sy ny fokon'i Simehona ary ny fokon'i Benjamina, dia ireo tanana efa voatanisa etsy aloha.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0596