1 Tantara
Toko faha-11
1 Dia nivory teo amin'i Davida tao Hebrona i Israely manontolo ka nanao hoe: -Indreto izahay havanao sy tapakao.2 Fahiny, fony mbola nanjaka aza i Saoly, dia ianao ihany no mpitarika ny miaramilan'i Israely tamin'ny ady. Ary ny TOMPO Andriamanitrao efa nilaza taminao hoe: "Ianao no hitondra ilay Israely vahoakako, ary ianao no ho mpanapaka azy."
3 Tonga tao amin'ny mpanjaka tao Hebrona avokoa ny loholon'i Israely. Ary tao Hebrona dia nanaovan'i Davida fanekem-pihavanana teo anatrehan'ny TOMPO ry zareo, ka nanosotra azy ho mpanjakan'i Israely araka ny tenin'ny TOMPO nampilazainy an'i Samoela.
4 Ary nandeha i Davida sy ny Israelita rehetra hanao fahirano an'i Jerosalema, izay natao hoe Jebosa satria ny Jebosita , mponina tao amin'io faritany io, no nitoetra tao.
5 Dia hoy ireo mponina tao Jebosa tamin'i Davida: -Tsy ho tafiditra ato an-tanananay ianao! Kanjo azon'i Davida ihany ny Tanana mimanda, dia i Tsiona izay hatao hoe " Tananan'i Davida".
6 Dia hoy i Davida: "Izay hamely voalohany ny Jebosita dia hatao filohan'ny tafika". Ary i Joaba, zanakalahin'i Tseroia, no nanafika voalohany; koa izy no nanjary filohan'ny tafika.
7 Ary nipetraka tao amin'ilay tanana mimanda i Davida, koa izany no niantsoana azy hoe "Tananan'i Davida".
8 Dia narafitr'i Davida ny tanana manodidina, manomboka hatreo Milao ka miafara amin'ny trano fonenany; fa i Joaba kosa no nanamboatra ny sisa tamin'ny tanana.
9 Dia nihanatanjaka hatrany i Davida, satria ny TOMPOn'izao rehetra izao no niaraka taminy.
10 Ireto no filohan'ireo kalazan'i Davida, dia ireo kalaza nifikitra taminy nandritra ny nanjakany, ka efa niaraka tamin'i Israely lafy valo mba hampanjaka azy teo amin'i Israely araka ny tenin'ny TOMPO.
11 Izao no lisitr'ireo kalazan'i Davida : I Isbahala, zanakalahin'i Hakmony sady filohan'ny "Tariky ny telo lahy". Izy no ilay nampandihy lefona hamelezana fahavalo telonjato lahy ka nahafaty azy tamin'ny ady indray mandeha monja.
12 Manaraka azy dia i Elehazara, zanakalahin'i Doday avy any Ahoa sady anisan'ny "Tariky ny telo lahy" kalaza.
13 Niaraka tamin'i Davida izy tao Efesa-Damina raha tafangona hiady tao ny Filistinina, ka vaky nandositra ny tafik'i Israely. Ary nisy tanimbary feno vary orza tao an-tsaha,
14 koa nanotrika tao afovoan'ny tanimba ry i Elehazara sy ny olony, ka sady nanavotra ny tanimbary no namely ny Filistinina. Dia nomen'ny TOMPO fandresena miezinezina i Israely.
15 Indray andro, dia nisy telo lahy anisan'ny "andian'ny telopolo lahy" nidina ho eny amin'i Davida teo amin'ny harambato akaikin'ny zohin'i Hadolama, fa nisy tafiky ny Filistinina nitoby tao an-dohasahan'ny Refaita.
16 Ary i Davida efa tao amin'ny fiereny raha mby tao Betlehema ny andia-miaramilan'ny Filistinina.
17 Tamin'izay, dia velom-paniriana tampoka i Davida ka nanao hoe: -Iza no hitondra rano ho sotroiko avy amin'ilay fantsakana eo akaikin'ny vavahadin'i Betlehema?
18 Dia namakivaky ny tobin'ny Filistinina izy telo lahy ireto ka nanovo rano tamin'ilay fantsakana teo akaikin'ny vavahadin'i Betlehema, ary nitondra izany ho any amin'i Davida; kanjo tsy nety nisotro i Davida fa nanolotra izany ho an'ny Tompo kosa ho fanatitra araraka,
19 sady hoy izy hoe: -Fady ahy eo anatrehan'Andriamanitra ny hisotro izany, fa midika ho misotro ny ran'ireo lehilahy nandeha nanao vy very ny ainy naka azy! Koa tsy nety nisotro i Davida. Izany no zava-bitan'ireo telo lahy maherifo ireo.
20 I Abisay, rahalahin'i Joaba, no filohan'ny "andian'ny telopolo lahy". Izy no ilay nampandihy lefona hamelezana fahavalo telonjato lahy ka nahafaty azy, kanefa tsy tafiditra anarana tao anatin'ny "Tariky ny telo lahy".
21 Nomen-kaja avo roa heny kosa i Abisay teo amin'ny "andian'ny telopololahy" ka lasa lehibeny; saingy tsy afaka nifaninana tamin'ny "Tariky ny telo lahy" izy.
22 I Benaia, avy any Kabitseela, dia zanakalahin'i Joiada sady zafikelin'ny miaramila anankiray maherifo. Nahavita asa goavana maro i Benaia: izy no nahafaty ireo Ariela roa lahy avy any Moaba; izy koa ilay nidina tanaty lavaka iray ka nahafaty liona tao tamin'ny indray andro nisy oram-panala.
23 Mbola izy koa no nahafaty ilay Ejiptianina izay roa metatra sy sasany ny halavany sady nirongo lefona lehibe toy ny voditenon'ny mpanenona. Tehina no namelezany azy, dia nosarihany teny an-tanan'ilay Ejiptianina ny lefony ka iny ihany no namonoany azy ho faty.
24 Ireo no zava-bitan'i Benaia, zanakalahin'i Joiada; kanefa tsy tafiditra anarana tao anatin'ny "Tariky ny telo lahy" kalaza izy.
25 Nomen-kaja i Benaia tao amin'ny "andian'ny telopolo lahy", kanefa tsy afaka nifaninana tamin'ny "Tariky ny telo lahy". Izy no voatendrin'i Davida hifehy ny mpiambina azy.
26 Ireto kosa ny kalaza maherifo hafa: i Hasahela, rahalahin'i Joaba; i Elehanana, zanakalahin'i Doday, avy any Betlehema,
27 i Samota , avy any Harora; i Heletsa, avy any Palona,
28 i Hira, zanakalahin'i Hikesy, avy any Tekoa; i Abihezera, avy any Hanatota;
29 i Sibekay, avy any Hosa; i Hilay, avy any Ahoa,
30 i Maheray, avy ao Netofa; i Heleda, zanakalahin'i Bahana, avy any Netofa,
31 i Itahy, zanakalahin'i Ribay, avy any Gibeha-n'ireo taranak'i Benjamina; i Benaia, avy any Pirehatona,
32 i Horay, avy any amin'ny lohasahan-driakan'i Gahasa; i Abiela , avy any Haraba,
33 i Hazmavety, avy any Bahorima; i Eliahaba, avy any Sahalbona,
34 i Hasema, avy any Gizona; i Jonatana, zanakalahin'i Sage, avy any Harara,
35 i Ahiama, zanakalahin'i Sakara, avy any Harara; i Elifala, zanakalahin'i Ora,
36 i Hefera, avy any Mekera; i Ahia, avy any Palona,
37 i Hetsirao, avy any Karmela; i Naharay, zanakalahin'i Ezbay,
38 i Joela, rahalahin'i Natana; i Mibihara, zanakalahin'i Hagry ,
39 i Tseleka, ilay Hamonita; i Naharay, avy any Beerota, mpitondra ny fiadian'i Joaba zanakalahin'i Tse -roia;
40 i Hira sy i Gareba, samy taranak'i Jetera;
41 i Oria, ilay Hetita; i Zabada, zanakalahin'i Ahelay,
42 i Hadina, zanakalahin'i Siza, anankiray amin'ireo lohandohan'ny foko reobenita, sady omban'ny namany 30 lahy koa,
43 i Hanana, zanakalahin'i Maheka; i Josafata, avy any Metena,
44 i Hozia, avy any Hastarota; i Sama sy i Jehoela, samy zanakalahin'i Hotama, avy any Harohera,
45 i Jedihaela, zanakalahin'i Simry, sy i Joha rahalahiny, avy any Titsa,
46 i Eliela, avy any Mahava; i Jerihay sy i Josavia, zanakalahin'i Elnahama; i Jitma, avy any Moaba,
47 i Eliela sy Hobeda ary i Jahasiela, avy any Tsoba.