1 Tantara
Toko faha-13
1 Niarahan'i Davida nihevi-draharaha ny komandin-tafika mifehy arivo namifehy zato ary ny mpitondra rehetra,2 ka taorian'izany, dia hoy i Davida tamin'ny Israelita rehetra tafangona teo: -Raha sitraky ny TOMPO Andriamanitsika, sady heverinareo fa tsara, dia andeha isika haniraka faingana ho any amin'ny mpiray firenena havantsika tavela manerana ny tanin'i Israely, indrindra amin'ny mpisorona sy ny levita any amin'ny tananany sy ny kijanany avy, mba hitaona azy hikambana amintsika.
3 Dia halaintsika ho aty amintsika indray ny Vatamasina mirakitra ny Fanekem-pihavanan'ilay Andriamanitsika, satria tsy nahoantsika izany tamin'ny andron'i Saoly.
4 Dia niombon-kevitra ny olona rehetra tafangona teo fa hanao araka izany satria teo imason'ny vahoaka rehetra dia mitombina ny fikasana.
5 Dia novorin'i Davida i Israely lafy valo, manomboka amin'ny sisin-tanin'i Ejipta ka hatrany Lebo-Hamata, mba handeha haka ny Vatamasina, any Kiriata-Jeharima.
6 Ary niakatra niaraka tamin'ny Israelita rehetra i Davida ho any Bahala, na hoe Kiriata-Jeharima, izay any Joda, mba hampakatra ilay Vatamasina fa eo amin'io Vatamasina io no iantsoana ny anaran'ny TOMPO Izay mipetraka eo ambonin'ny kerobima.
7 Nalaina tao an-tranon'i Abinadaba ny Vatamasina, dia nataingina teo ambony sarety vaovao; ka i Hoza sy i Ahiao no mpandroaka ny sarety.
8 Ary i Davida sy ny Israelita rehetra dia niravoravo araka izay tratry ny heriny manontolo teo anatrehan'Andriamanitra, ka nihira niaraka tamin'ny lokanga sy ny valiha mbamin'ny amponga sy ny kipantsona ary ny trompetra.
9 Nony tonga teo akaikin'ny famoloan'i Kidona izy ireo, dia naninji-tanana hihazona ny Vatamasina i Hoza satria saika hazeran'ny omby io.
10 Fa nirehi-pahatezerana tamin'i Hoza ny TOMPO ka namono nahafaty azy noho ny naninjirany tanana tamin'ny Vatamasina; dia teo anatrehan'Andriamanitra teo izy no maty.
11 Taitra i Davida satria tena namely mafy an'i Hoza ny TOMPO, koa io toerana io dia nantsoiny hoe "Peretsa-Hoza ", ary mbola izany no fiantso azy mandraka androany.
12 Natahotra an'Andriamanitra i Davida tamin'izany andro izany ka nanao hoe: -Fomba ahoana no hitondrako ho aty amiko ny Vatamasin'Andriamanitra?
13 Koa tsy nafindran'i Davida ho any aminy, any tananan'i Davida, ny Vatamasina; fa naviliny kosa izany ho ao an-tranon'i Hobeda-Edoma, lehilahy avy any Gata.
14 Telo volana no nipetrahan'ny vatamasin'Andriamanitra niaraka tamin'ny ankohonan'i Hobeda-Edoma, tanaty efitrano voatokana ho azy; ary dia notahin'ny TOMPO ny ankohonan'i Hobeda-Edoma sy izay rehetra fananany.