1 Tantara

Toko faha-22

1 Ka hoy i Davida hoe: "Eto no ho tranon'ny TOMPO Andriamanitra; ary eto no alitara fanoloran'ny Israelita sorona dorana manontolo."

2 Nasain'i Davida novorina ny olona hafa firenena nonina teo amin'ny tanin'i Israely, ka nanendreny tambato hipai-bato hanaovana ny tranon'Andriamanitra.

3 Novononin'i Davida koa ireto zavatra ireto: vy betsaka hanaovana fantsika ho an'ny lela varavarana sy hanaovana faraingo; halimo betsaka tsy hita lanja;

4 ary hazo sedera tsy hitaisa, fa nitondran'ny Tsdonianina sy ny Tirianina hazo sedera betsaka i Davida.

5 Fa hoy izy anakampony: "I Salomona zanako mbola kely sady tanora fanahy, ary ny tempoly haorina ho an'ny TOMPO dia tsy maintsy ho lehibe tokoa mba hielezan'ny lazany sy ny voninahiny any amin'ny tany rehetra; koa hovononiko rahateo ny zavatra ho enti-manao azy." Dia naha vonona betsaka tokoa i Davida fahavelony.

6 Ary niantso an'i Salomona zanany i Davida ka nandidy azy hanorina tempoly ho an'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely

7 sady niteny taminy hoe: -Anaka efa mby tato am-poko ny hanorina trano ho an'ny TOMPO Andriamanitro;

8 saingy niantefa tamiko ny tenin'ny TOMPO hoe: "Be ny ra efa nalatsakao tamin'ireo ady lehibe efa nataonao ka tsy ianao no hanorina trano ho Ahy, satria be ny ra efa nalatsakao tamin'ny tany teo imasoko.

9 Fa indro hisy zazalahy haterakao, izay ho olona tia fandriampahalemana sady homeko fandriampahalemana eo anoloan'ny fahavalo rehetra manodidina azy. Ny anarany manko hatao hoe Salomona -izany hoe "tia fiadanana" -ary homeko fiadanana sy fandriampahalemana i Israely amin'ny andro hanjakany.

10 I Salomona no hanorina trano ho Ahy: izy ho zanako, Izaho ho rainy, ary ho hamafisiko mandrakizay ny seza fiandrianan'ny fanjakany eo amin'i Israely.

11 Koa ankehitriny, anaka, hiaraka aminao anie ny TOMPO ka hanambina anao hanorina trano ho Azy TOMPO Andriamanitrao, araka izay efa voalazany ny aminao.

12 Homen'ny TOMPO saina mahiratra sy mahay anie ianao rehefa hatsangany hifehy an'i Israely, mba hitandremanao ny lalanan'ny TOMPO Andriamanitrao.

13 Eny, raha tandremanao hotanterahina ny lalana amam-pitsipika izay nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy ho an'ny Israelita, dia hambinina tokoa ianao. Mahereza sy matanjaha, fa aza matahotra namivadi-po.

14 He! nanao ezaka mafy aho ka nahavonona ho an'ny tranon'ny TOMPO ireto fitaovana ireto: volamena milanja telo tapitrisa kilao mahery, volafotsy milanja telopolo tapitrisa kilao mahery, halimo sy vy betsaka tsy hita lanja; ary nahavonona hazo sy vato koa aho. Dia hampianao kosa ireo.

15 Mpiasa maro no eto aminao: dia tambato sy mpanao sokitra hazo ary olona mahay ny asa isan-karazany.

16 Tsy hita isa ny volamena sy ny volafotsy ary ny halimo sy ny vy; koa arosoy ny asa, ary hiaraka aminao anie ny TOMPO!

17 Avy eo i Davida nandidy ny lehibe rehetra tamin'i Israely hanampy an'i Salomona zanany lahy hoe:

18 -Tsy miaraka aminareo ve ny TOMPO Andriamanitra? Nomeny fandriampahalemana eo amin'ny manodidina rehetra ianareo, nony natolony ho ambany fifehezako ny mponina taloha tamin'ity tany efa resy teo anoloan'ny TOMPO sy teo anoloan'ny vahoakany ity.

19 Koa ankehitriny, aoka ny fo amam-panahinareo hifantoka hitady ny TOMPO Andriamanitrareo! Irosoy ny asa, aoreno ilay Toeramasin'ny TOMPO Andriamanitra; ary dia ao amin'ny tempoly haorina ho voninahitry ny TOMPO no hampidiranareo ilay Vatamasina mirakitra ny fanekem-pihavanan'ny TOMPO sy hampidiranareo ny fanaka voatokana hanompoana an'Andriamanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0963