1 Tantara

Toko faha-29

1 Dia hoy i Davida mpanjaka tamin'ny olona rehetra tafangona teo: -I Salomona zanako, ilay hany nofidin'Andriamanitra, dia mbola tanora sady tsy za-draharaha; nefa goavana ny asa hatao, satria tsy lapa ho an'olombelona fa tempoly ho an'ny TOMPO Andriamanitra.

2 Nanao izay tratry ny aiko aho namonona fitaovana ho an'ny tranon'Andriamanitro: dia ny volamena hanaovana ny fanaka volamena; ny volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy; ny halimo hanaovana ny fanaka halimo; ny vy hanaovana ny fanaka vy; ary hazo hanaovana fanaka hazo. Nataoko vonona ny vato berila sy vato halatsaka an-tranontranony, ny vato mainty sy vato misoratsoratra, ny vatosoa isan-karazany ary ny vato karanana betsaka.

3 Ankamamiko tokoa ny tranon'Andriamanitro; ka ho fanampin'ny zavatra rehetra nomaniko ho an'ity Toeramasina ity, dia omeko ho an'ny tranon'Andriamanitro koa izay volamena sy volafotsy ananako manokana:

4 dia volamena avy any Ofira , milanja zato taonina; volafotsy madio milanja 240 taonina, natao hapetaka amin'ny ati-rindrina isan'efitrano.

5 Iza ary, amin'izao andro anio izao, no mba mazoto hanolotra fanomezana an-tsitrapo amin'ny TOMPO mba hanaovan'ireo mpahay taozavatra ny fanaka volamena sy volafotsy ary ny asaisan-karazany?

6 Tamin'izay, dia samy nanolotra fanomezana an-tsitrapo avokoa ny lohan-pianakaviana, ny filohan'ireo fokon'i Israely, ny komandin-tafika mpifehy arivo sy mpifehy zato, mbamin'ny mpiandraiki-draharahan'ny mpanjaka

7 ka nanome izay hanaovana ny fanompoana ao amin'ny tranon'Andriamanitra: dia volamena milanja 170 taonina; farantsa volamena miisa 10000; volafotsy milanja telonjato taonina; halimo milanja eninjato taonina eo ho eo ary vy milanja telo arivo taonina.

8 Izay nanana vatosoa dia nanome azy teo am-pelatanan'i Jehiela, taranak'i Gersona , mba ho zava-tsarobidy tahirizina ao an-tranon'ny TOMPO.

9 Dia samy faly ny besinimaro nanolotra fanomezana an-tsitrapo, satria tamin'ny fony manontolo no nanaovany an'izany ho an'ny TOMPO; ary faly dia faly koa i Davida mpanjaka.

10 Dia nankalaza ny TOMPO teo imason'ny olona rehetra tafangona teo i Davida ka nanao hoe: -Hankalazaina anie Ianao, ry TOMPO Andriamanitr'i Israely razanay; hankalazaina anie Ianao hatrizay ka ho mandrakizay !

11 Anao, TOMPO o, ny halehibiazana sy hery; Anao ny voninahitra sy hamirapiratana ary fiandrianana; satria Anao ny zava-drehetra any an-danitra sy ety an-tany! Ianao, TOMPO o, no mpanjaka; Ianao no asandratra ho filohan'ny zavatra rehetra.

12 Avy aminao ny harena sy ny voninahitra; ary Ianao no mifehy izao rehetra izao. Eo an-tananao ny fahefana sy ny hery, ka Ianao no mahalehibe sy manamafy ny zavatra rehetra.

13 Koa misaotra Anao izahay, ry Andriamanitray o, sy midera ny anaranao be voninahitra.

14 Fa zinona moa aho, ary zinona moa ny mpiray firenena amiko, no hanan-kery hanolotra fanomezana an-tsitrapo toy izao? Eny, avy aminao ny zavatra rehetra; ary ny avy taminao ihany no nanomezanay Anao.

15 Fa toy ny vahiny sy mpivahiny an-tanin'olona izahay eo anatrehanao, tahaka ny razanay rehetra rahateo; miserana tahaka ny aloka ny andronay ety an-tany, ka tsy azo ianteherana.

16 Ry TOMPO Andriamanitray o, ireo harena rehetra novononinay ireo, hanorenana tempoly ho Anao mba hanajana Anao ilay Masina, dia avy taminao; ary Anao rahateo izy rehetra.

17 Fantatro, ry Andriamanitro o, fa mandinika ny ao am-pon'ny olona Ianao ary mankasitraka ny hitsim-po. Raha izaho, dia tamin-kitsim-po no nanolorako an-tsitrapo ireo fanomezana rehetra ireo; ary ankehitriny, dia amin-kafaliana no ahitako ny vahoakanao izay vory eto, nanolotra an-tsitrapo ny fanomezany ho Anao.

18 Ry TOMPO Andriamanitr'i Abrahama sy i Itsehaka ary i Jakoba razanay o, tahirizo mandrakizay izany toe-tsaina sy toe-po ananan'ny vahoakanao izany ka ataovy mitodika aminao hatrany ny fony,

19 ary omeo an'i Salomona zanako ny fo vonona manontolo hitandrina ny didinao sy baikonao ka hanatanterahany azy rehetra sady hanorina ny tempoly lapanao izay efa nanomanako fitaovana.

20 Dia hoy i Davida tamin'ny olona rehetra tafangona teo: -Aoka ianareo hankalaza ny TOMPO Andriamanitrareo! Dia nankalazain'izy rehetra ilay TOMPO Andriamanitry ny razany; sady niondrika izy ka niankohoka teo anatrehan'ny TOMPO sy teo anatrehan'ny mpanjaka.

21 Nisy sorom-pihavanana sy sorona dorana manontolo natolotra ho an'ny TOMPO, ny ampitson'iny: dia vantotr'ombilahy arivo, ondrilahy arivo, ary zanak'ondry arivo, mbamin'ny fanatitra divay araraka momba ireo. Be dia be tokoa ny sorom-pihavanana ka ampy hamahanana ny Israelita rehetra tonga teo.

22 Tamin'izany andro izany, dia tamin-pifaliana lehibe no nihinanan'ny olona sy nisotroany teo anatrehan'ny TOMPO. Dia nanaovana fanambarana fanindroany ny maha mpanjaka an'i Salomona ka natolotra azy teo anatrehan'ny TOMPO ny fahefana maha mpanjaka; ary natokana ho mpisorona kosa i Tsadoka.

23 Dia nipetraka teo amin'ny sezafiandrianana nomen'ny TOMPO azy i Salomona mba ho mpanjaka handimby an'i Davida rainy; sady nambinina izy ka nanaiky azy i Israely manontolo.

24 Samy nanaiky an'i Salomona mpanjaka avokoa ny mpifehy sy ny miaramila mahery fo ary na dia ny zanaka hafa rehetra naterak'i Davida aza.

25 Nasandratry ny TOMPO teo imason'i Israely manontolo ny lazan'i Salomona, ary nomeny voninahitra mihoatra noho ny an'ny mpanjaka rehetra talohany tao Israely ny fanjakany.

26 Nanjaka tamin'i Israely manontolo i Davida zanakalahin'i Jisay.

27 Efapolo taona no nanjakany: ka fito taona tao Hebrona ary 33 taona tao Jerosalema.

28 Efatratra antitra tsara sady voky andro sy heni-karena amam-boninahitra izy vao maty; ary i Salomona zanany no nanjaka nandimby azy.

29 Ny tantaran'i Davida mpanjaka, na ny voalohany na ny farany, dia efa voasoratra ao amin'ny boky miloha teny hoe Asan'i Samoela mpaminany manam-pahitana sy Asan'i Natana mpaminany ary Asan'i Gada mpaminany manam-pahitana,

30 voatantara ao avokoa ny zavatra rehetra momba ny nanjakan'i Davida, sy ny asa nanehoany herimpo mbamin'ny zava-nitranga taminy sy tamin'i Israely ary tamin'ny fanjakana rehetra an-tany hafa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0889