1 Tantara

Toko faha-19

1 Taorian'izany, dia maty i Nahasy mpanjakan'ny Hamonita, ka ny zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

2 Ary hoy i Davida anakampony: "Hanao soa amin'i Hanona zanakalahin'i Nahasy aho satria nanao soa tamiko ny rainy". Dia nandefa iraka i Davida mba hitsapa alahelo an'i Hanona noho ny nahafatesan-drainy. Ary rehefa tonga tany amin'i Hanona, tany amin'ny tanin'ny Hamonita, ny irak'i Davida mba hitsapa alahelo azy,

3 dia hoy kosa ireo andrianan'ny Hamonita tamin'i Hanona:-Ataonao ve fa ho fanomezan'i Davida voninahitra an-drainao ihany ve no nanirahany olona hitsapa alahelo anao? Moa ve tsy ny hizaha sy hisafo ary hitsikilo ny tany no nahatongavan'ireo minisitra ireo aty aminao?

4 Dia nampisamborin'i Hanona ireo minisitr'i Davida, ka noharatana ny volom-bavany sady noborina hatrany am-poto-peny ny akanjony ary noroahina hody.

5 Dia nandeha ireo; ary nisy nampandre an'i Davida izay nanjo ireo lehilahy ireo, koa naniraka olona izy mba hitsena azy satria afa-baraka loatra ry zareo. Ary hoy ny hafatry ny mpanjaka hoe: "Mitoera any Jerikao aloha mandra-panirin'ny volom-bavanareo; izay ianareo vao mody."

6 Rehefa nahatsapa ny tenany ho tonga halan'i Davida i Hanona sy ny Hamonita, dia nampanatitra volafotsy tokony ho telopolo taonina ho an'ny Sirianina tany Mezopotamia ambony sy tany Maheka ary tany Tsoba mba hanakarama kalesy sy mpitaingin-tsoavaly.

7 Kalesy andiany 32 niampy ny mpanjakan'i Maheka sy ny olony no voakaramany. Dia tonga ireo ka nitoby tandrifin'i Medeba ; ny Hamonita kosa nivoaka ny tananany avy, dia nivory hiroso hiady.

8 Nony ren'i Davida izany, dia nirahiny ho any an-toerana i Joaba sy ny miaramila maherifo rehetra.

9 Ary niainga kosa ny Hamonita ka nilahatra hiady teo akaikin'ny vavahadin-drenivohiny; fa ireo mpanjaka izay tonga hanampy kosa naka toerana teny an-tsaha.

10 Rehefa hitan'i Joaba fa sady teo anoloany no teo ivohony ny vavaady, dia nifantina izay miaramila israelita mendrika indrindra izy ka nandahatra azy teo anoloan'ny Sirianina.

11 Ary ny sisa tamin'ny tafika kosa natolony ho entin'i Abisy rahalahiny, ka ireo no nilahatra hiady tamin'ny Hamonita.

12 Dia hoy i Joaba tamin'ity rahalahiny: -Raha mahery noho izaho ny Sirianina, dia aoka ianao hamonjy ahy; fa raha mahery noho ianao kosa ny Hamonita, dia hamonjy anao aho.

13 Mahereza ianao ary aoka isika hahery miady ho an'ny firenentsika sy ireo tananan'Andriamanitsika. Ary aoka ny TOMPO no hanao izay heveriny ho tsara!

14 Dia nandroso hiady amin'ny Sirianina i Joaba sy ny tafiny, ka vaky nandositra teo anoloan'ny Israelita ireo.

15 Nony hitan'ny Hamonita fa nandositra ny Sirianina, dia mba nandositra teo anatrehan'i Abisay, rahalahin'i Joaba, koa ry zareo ka nitsofoka tao an-tanana. Dia niverina ho any Jerosalema ry i Joaba.

16 Rehefa nahatsapa ny fahareseny teo anoloan'ny Israelita ireto Sirianina ireto, dia naniraka olona hanetsika ny Sirianina izay tany am-pitan'ny ony Eofrata; ary i Sofaka, filohan'ny tafik'i Hadadehezera , no nitarika azy.

17 Nambara tamin'i Davida izany; koa namory ny tafika israelita manontolo izy, dia niampita an'i Jordana, ary tonga teo akaikin'ny Sirianina ka nilahatra hiady aminy. Vao nalahatr'i Davida hiady amin'ny Sirianina ny miaramilany, dia namely azy ny Sirianina,

18 kanjo vaky nandositra teo anoloan'ny Israelita ireo ka nahafatesan-dry i Davida 7000 olona an-kalesy ary koa miaramila an-tongotra 40 000; sady matiny koa i Sofaka filohan-tafika.

19 Rehefa nahatsapa ny fahareseny teo anoloan'ny Israelita ireo mpanjaka nanoa an'i Hadadehezera, dia nandrindra fihavanana tamin'i Davida ka nanoa azy. Ary tsy nety hamonjy ny Hamonita intsony ny Sirianina.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0938