1 Samoela

Toko 1 Tao Rama, tany amin'ny faritra be tendrombohitra any Efraima, dia nisy lehilahy anankiray anisan'ny taranak'i Tsofo. Io lehilahy io dia natao hoe Elkana, zanak'i Jerohama, zafikelin'i Eliho, zafiafin'i Toho ary zafindohalik'i Tsofo.
Toko 2 Ary i Hana nanao tonom-bavaka toy izao: Feno hafaliana ny foko noho ny amin'ny TOMPO; mitraka koa ny lohako noho ny aminy. ary ihomehezako ny fahavaloko. Faly aho satria novonjen'ny TOMPO;
Toko 3 Fa i Samoela kely kosa nanompo ny TOMPO teo ambany fitantanan'i I Hely. Tamin'izany fotoana izany, dia efa nahalana ny fitenenan'ny TOMPO mivantana tamin'olona ary efa vitsy koa ny fahitana avy aminy.
Toko 4 Ary i Samoela nampita izany teny izany tamin'ny vahoaka Israely tsivakivolo. Indray andro dia nandeha niady tamin'ny Filistinina ny Israelita ka nitoby teo akaikin'i Ebena-Hezera; ny Filistinina kosa nitoby tao Afeka.
Toko 5 Azon'ny Filistinina ary ny Vatamasin'Andriamanitra ka nentiny nankany Asdoda avy tao Ebena-Hezera.
Toko 6 Tany amin'ny tanin'ny Filistinina nandritra ny fito volana ny Vatamasin'ny TOMPO.
Toko 7 Tonga naka ny Vatamasin'ny TOMPO ny mponin'i Kiriata-Jeharima ka nitondra azy ho ao an-tranon'i Abinadaba teo amin'ny havoana iray. Dia natokan'izy ireo ho mpiambina ny Vatamasin'ny TOMPO i Elihezera zanakalahin'i Abinadaba.
Toko 8 Rehefa antitra i Samoela, dia ireo zanany no nataony ho mpanapaka ny vahoaka Israely.
Toko 9 Tamin'izany fotoana izany, dia nisy lehilahy tsongoin'olom-bolo avy amin'ny fokon'i Benjamina natao hoe Kisy. Izy dia zanakalahin'i Abiela sy zafikelin'i Tserora ary zafiafin'i Bekorata sy zafindohalik'i Afia.
Toko 10 Dia nandray tavoahangy kely feno diloilo i Samoela ka nandraraka izany teo an-dohan'i Saoly. Ary nanoroka an'i Saoly izy sady nanao hoe: Ny TOMPO mihitsy no nanokana anao ho filohan'ilay vahoakany.
Toko 11 Tonga nanafika ny tananan'i Jabesy any Gilehada i Nahasy mpanjakan'ny Hamonita ka nanao fahirano azy. Dia hoy ny mponin'i Jabesy taminy: Manaova fanekena aminay, fa vonon-kanompo anao izahay.
Toko 12 Ary hoy i Samoela tamin'ny vahoaka israelita rehetra: Indro efa nekeko avokoa izay rehetra nangatahinareo tamiko: nanendry mpanjaka hanjaka eo aminareo aho.
Toko 13 Nifantina miaramila telo arivo lahy tamin'ny Israelita i Saoly, ka ny roa arivo lahy dia teo ambany fifehezany tao Mikmasy sy tany an-tendrombohitr'i Betela, fa ny arivo lahy kosa dia nofehezin'i Jonatana tao Gibehan'i Benjamina. Ary ny vahoaka sisa dia nasain'i Saoly nody any aminy avokoa.
Toko 14 Indray andro, dia hoy i Jonatana zanakalahin'i Saoly tamin'ny zatovolahy mpitondra ny fitaovam-piadiany: Andeha hotafihintsika ny tobin'ny miaramila Filistinina ery ampita ery. Nefa tsy nampandre an-drainy i Jonatana.
Toko 15 Hoy i Samoela tamin'i Saoly indray andro: Izaho no nirahin'ny TOMPO hanokana anao ho mpanjakan'ilay Israely vahoakany; koa ankehitriny henoy ny tenin'ny TOMPO.
Toko 16 Hoy ny TOMPO tamin'i Samoela: Mandra-pahoviana ihany no halahelovanao an'i Saoly, nefa na Izaho aza efa nanda azy tsy ho mpanjakan'i Israely intsony? Raiso ny diloilonao, dia mandehana; fa irahiko ho any amin'i Jisay any Betlehema ianao, satria efa nifidy anankiray tamin'ny zanany aho mba ho mpanjaka.
Toko 17 Namory ny miaramilany hiatrika ady tao Sokao any Joda ny Filistinina, ka nitoby tao Efesa-Damima anelanelan'i Sokao sy Hazeka.
Toko 18 Rehefa vita ny resak'i Saoly sy i Davida, dia voasinton'i Davida ny fon'i Jonatana, fa tiany tahaka ny itiavany ny tenany i Davida.
Toko 19 Nampahafantarin'i Saoly an'i Jonatana zanany sy ireo minisitra rehetra ny fikasany hahafaty an'i Davida. Nefa i Jonatana tia fatratra an'i Davida,
Toko 20 Nitsoaka avy tao Naiota akaikin'i Rama i Davida, ka nankany amin'i Jonatana zanakalahin'i Saoly izay nanontaniany hoe: Inona no nataoko an-drainao, inona no fahadisoako, ary inona no heloko teo anatrehany no dia mifofo ny aiko izy?
Toko 21 Dia lasa nandeha i Davida, fa i Jonatana kosa nody any an-tanana.
Toko 22 Niala avy teo i Davida, dia nandositra niery tao an-johin'i Hadolama. Raha nahafantatra izany ny rahalahiny sy ny fianakavian-drainy rehetra, dia nirohotra nankany aminy avokoa.
Toko 23 Indray andro dia nisy nampandre an'i Davida fa notafihin'ny Filistinina ny tananan'i Kehila ka norobainy izay teo am-pamoloana sy tany an-tsompitra.
Toko 24 Avy teo i Davida dia niakatra tany amin'ny toerana be harambato, tany Haina-Gedy, ary nipetraka tao.
Toko 25 Tamin'izay no maty i Samoela; ary dia nivory ny Israelita rehetra mba hiara-misaona azy. Nalevina tao amin'ny fonenany tao Rama izy. Rehefa izany, dia lasa nankany an-taniefitr'i Parana i Davida.
Toko 26 Tonga tao amin'i Saoly tany Gibeha ny mponin'i Zifa, ka nanao taminy hoe: Moa tsy fantatrao ve fa miery any amin'ny havoanan'i Hakila, tandrifin'ny faritra be lobolobo i Davida!
Toko 27 Hoy i Davida anakampo: Ho fatin'ny tanan'i Saoly ihany aho indray andro any. Koa ny tsara indrindra amiko dia tsy misy afa-tsy ny mandositra any amin'ny tanin'ny Filistinina. Hatsahatr'i Saoly ny fitadiavany ahy manerana ny faritanin'i Israely, ka dia ho afa-doza aminy aho.
Toko 28 Tamin'izany andro izany dia nangonin'ny Filistinina ho tafika tokana ny miaramilany mba hiady amin'i Israely. Ary hoy i Akisy tamin'i Davida: Fantatrao tsara fa hiantafika hiaraka amiko ianao sy ny olonao.
Toko 29 Namory ny miaramilany rehetra tao Afeka ny Filistinina, raha nitoby akaikin'ny loharano iray tao Jizrehela kosa ny Israelita.
Toko 30 Ny afakampitso, rehefa tonga tany Tsiklaga i Davida sy ny olony, dia notafihin'ny Hamalekita ny atsimon'i Joda sy i Tsiklaga, noravan'izy ireo sy nodorany ny tanana.
Toko 31 Ary niady tamin'i Israely ny Filistinina; dia nandositra azy ny Israelita ka faty maro no nitsitsitra teny an-tendrombohitr'i Gilboa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0505