1 Samoela

Toko faha-14

1 Indray andro, dia hoy i Jonatana zanakalahin'i Saoly tamin'ny zatovolahy mpitondra ny fitaovam-piadiany: Andeha hotafihintsika ny tobin'ny miaramila Filistinina ery ampita ery. Nefa tsy nampandre an-drainy i Jonatana.

2 I Saoly tamin'izay dia nipetraka teo an-tsisin'i Gibeha, teo ambanin'ny ampongabendanitr'i Migrona niaraka tamin'ny miaramila tokony ho eninjato.

3 Nisy mpisorona iray nisalotra efoda teo, dia i Ahia zanakalahin'i Ahitoba izay rahalahin'i Ikaboda. (Ity Ikaboda ity dia zanakalahin'i Pinehasa ary zafikelin'i Hely, izay mpisoron'ny TOMPO tao Silao). Tsy nisy nahafantatra ny miaramila fa lasa i Jonatana.

4 Mba hahatrarany ny andiana miaramila filistinina, dia nitsofoka teo anelanelan'ny harambato marani-doha roa atao hoe Botsetsa sy Sene i Jonatana;

5 ny voalohany dia nijoro teo amin'ny lafiny avaratra, manatrika an'i Mikmasy, ny faharoa kosa tamin'ny lafiny atsimo, manolotra an'i Geba.

6 Dia hoy izany i Jonatana tamin'ny mpanompony: Andeha hotafihintsika ny tobin'ireo tsy mifora ireo, sao mba homba antsika ihany ny TOMPO, fa tsy misy manakana AZY tsy hanome antsika ny fandresena, na maro isika na vitsy.

7 Hoy kosa ilay mpanompo namaly azy: Ataovy izay mahadiavolana ny fonao; alao hery, fa vonona hanaraka anao aho na aiza na aiza alehanao.

8 Dia hoy ihany i Jonatana: Hanatona moramora ireo olona ireo isika ka hiseho aminy.

9 Raha miteny amintsika izy hoe: Aoka! Andraso fa ho eny aminareo izahay, dia hijanona eo amin'izay nisy antsika isika, ka tsy hiakatra eny aminy.

10 Fa raha tahiny kosa izy manao amintsika hoe: Miakara ety aminay, dia hiakatra isika, satria izay no famantarana ho antsika fa natolotry ny TOMPO horesentsika ireo.

11 Dia nanolo-tena ho hitan'ny Filistinina izy roa lahy, ary hoy ny Filistinina: Indreo ny Hebreo fa mivoaka ny lavaka fiereny.

12 Niantso mafy an'i Jonatana sy ny mpanompony ireo miaramila filistinina ka nanao hoe: Miakara mankaty aminay, fa misy zavatra holazainay aminareo. Dia hoy i Jonatana tamin'ny mpanompony: Miakara manaraka ahy fa efa natolotry ny TOMPO horesen'i Israely ireo.

13 Dia niakatra i Jonatana, ka namikitra tongotra aman-tanana, ary nanaraka azy ny mpanompony. Nasian'i Jonatana ireo Filistinina ka lavo ary novitain'ilay mpanompo nanaraka azy kosa.

14 Io famelezana voalohany nafitsok'i Jonatana sy ny mpanompony io, dia nahafatesana Filistinina roapolo lahy, voavono tao anatin'ny faritra sahabo ho ampahefatry ny hekitara.

15 Nihorohoro ny Filistinina tafajanona tao an-toby sy ny mponina rehetra teny manodidina; tera-kovitra ihany koa mbamin'ny miaramila lohalalana sy ny mpanao vy very ny ainy. Nihovitrovitra ny tany; ka dia nisy fangitakitahana lehibe dia lehibe.

16 Tazan'ny mpitilin'i Saoly, avy tao Gibehan'i Benjamina, ny vahoaka filistinina nifanaritaka izaitsizy.

17 Ka hoy i Saoly tamin'ireo miaramilany: Ataovy ny fiantsoana anarana, ka jereo izay nitsoaka an-daharana. Dia natao ny fiantsoana anarana, ary tsapa ny tsy nahateo an'i Jonatana sy ilay mpitondra ny fitaovam-piadiany.

18 Dia hoy i Saoly tamin'i Ahia mpisorona: Ento aty ny Vatamasin'ny Tompo. (Tamin'izany andro izany manko dia teo amin'ny tobin'ny Israelita ny Vatamasin'ny Tompo.)

19 Raha mbola niteny tamin'ny mpisorona i Saoly, dia nihamafy ny kotaba tao amin'ny tobin'ny Filistinina. Ka hoy i Saoly tamin'i Ahia: Aoka ihany, tsoahy ny tananao.

20 Novorin'i Saoly ny tafiny manontolo mba handeha hiady amin'ny Filistinina izay efa nifanjevo sy nifamono ho faty tamin'ny sabatra.

21 Ny Hebreo sasany izay nanompo ny Filistinina taloha sady niara-niakatra taminy ho any an-toby, dia nihodina nankamin'i Israely notarihin'i Saoly sy Jonatana.

22 Fa ny Israelita rehetra kosa izay niery tany an-tendrombohitr'i Efraima, raha nahare fa nandositra ny Filistinina, dia mba nanenjika azy ireo koa ka niady taminy.

23 Toy izany no nanomezan'ny TOMPO fandresena ho an'i Israely tamin'izay andro izay. Nitatra ankoatran'i Bety-Avena ny ady.

24 Reraka mafy ny Israelita tamin'io andro io, satria efa norahonan'i Saoly tamin'ny fampitandremana hoe: Ho voaozona anie izay manendry hanina alohan'ny hariva mandra-pahato ny valifatiko amin'ny fahavalo! Dia tsy nisy sahy nanendry hanina ny olon-drehetra.

25 Tonga tao amin'ny ala iray feno tantely nihanaka hatreny amin'ny tany ny besinimaro.

26 Rehefa tafiditra ny ala izy ireo, dia indro hitany ny tantely izay efa mitsororoka fotsiny; saingy tsy nisy sahy nikasika nihinana na iray aza fa natahotra ny ozona.

27 Nefa i Jonatana tsy mba nahafantatra ny fianianana nampanaovin-drainy ny besinimaro; koa avy hatrany dia nanatsoboka ny lohatehina teny an-tanany tamin'ny tantely izy ary nanao izany am-bava. Dia tonga nazava tery ny fijeriny.

28 Fa hoy ny miaramila iray taminy: Ny rainao anie efa nampianiana mafy ny vahoaka omban'ny fampitandremana hoe: Ho voaozona anie izay manendry hanina anio! Izany no nampahareraka ny vahoaka.

29 Dia hoy i Jonatana hoe: Efa nampidi-doza ny firenena ny raiko! Koa jereo fa toa nihanahazo hery aho hatramin'ny nihinanako kely tamin'ny tantely teo.

30 Tsy ho latsak'izany koa androany raha mba navela nihinana ny remby azony tamin'ny fahavalony ny miaramila, dia ho nihoa-pampana ny fahavoazan'ny Filistinina.

31 Tamin'io andro io dia resin'ny Israelita ny Filistinina ka nenjehiny nanomboka tao Mikmasy ka hatrany Aialona. Torovana loatra ny vahoaka,

32 koa avy dia niantoraka tamin'ireo remby izy; nalainy avokoa na ondry na omby na zanak'omby, dia novonoiny ary nohaniny teo amin'ny toerana nandatsahany ny rany ihany.

33 Dia nisy nitatitra tamin'i Saoly fa manota amin'ny TOMPO ny olona satria mihinan-kena eo amin'ny nandatsahany ra azy. Ary hoy i Saoly hoe: Mpamadika ianareo! Izao ankehitriny izao dia manakodiava vato lehibe mankaty amiko.

34 Avy eo dia miparitaha any amin'ny vahoaka ka asaivo mankaty amiko tsirairay izy miaraka amin'ny ombiny aman'ondriny avy. Hovonoiny eto izany ka hohaniny, mba tsy hanotany amin'ny TOMPO amin'ny fihinanana izany eo amin'ny toerana andatsahan-dra azy. Tamin'iny hariva iny dia samy nitondra ny bibiny avy ny olona ka namono azy tamin'io toerana io.

35 Toy izany no nanorenan'i Saoly alitara ho an'ny TOMPO. Io no alitara voalohany izay naoriny ho AZY.

36 Avy eo dia hoy i Saoly hoe: Andeha hanaovantsika latsaka alina ny Filistinina ka horobaintsika mandra-paharain'ny andro, ary dia tsy havelantsika hisy miangana na iray aza. Ka hoy ny navalin'ny miaramila azy: Ataovy izay mahadiavolana ny fonao. Fa hoy kosa ny mpisorona hoe: Andeha isika aloha haka hevitra amin'Andriamanitra.

37 Dia nanontany an'Andriamanitra i Saoly hoe: Hidina hamely ny Filistinina ve aho? Hatolotrao horesen'i Israely ve izy? Nefa tsy namaly azy Andriamanitra tamin'izay andro izay.

38 Dia hoy i Saoly tamin'ny filohan'ny vahoaka: Avia aty ianareo rehetra ka fantaro tsara izay fahotana natao androany.

39 Velona ny TOMPO mpamonjy an'i Israely ka mianiana aminy aho, fa tsy maintsy hatao maty izay nanao izany, na dia i Jonatana zanako aza. Tsy nisy namaly azy ny vahoaka na iray aza.

40 Fa hoy indray i Saoly tamin'ny Israelita rehetra teo: Mitsangana ianareo ety ankilany, fa izaho sy i Jonatana zanako kosa etsy andaniny. Dia hoy ny miaramila taminy: Ataovy izay sitraky ny fonao.

41 Ka hoy i Saoly hoe: Ry TOMPO Andriamanitr'i Israely o, nahoana no tsy novalianao aho anikeheo? Ry TOMPO Andriamanitr'i Israely o, valio amin'ny antsapaka masina aho. Raha avy tamin'i Jonatana na tamiko ny fahadisoana, dia valio amin'ny Orima; fa raha avy amin'ny miaramila kosa, dia valio amin'ny Tomima. I Jonatana sy i Saoly no voatendrin'ny antsapaka, fa ny vahoaka kosa afaka madiodio. 42 Ka hoy i Saoly hoe: Aoka hatao antsapaka izaho sy i Jonatana zanako. Koa dia i Jonatana no azo.

43 Ary hoy i Saoly taminy: Tantarao amiko izay nataonao. Dia notantarain'i Jonatana azy izany ka hoy izy: Nihinana tantely kely tamin'ny lohatehina teny amiko aho. Koa inty aho fa vonon-ko faty.

44 Ary hoy i Saoly hoe: Enga anie hosazin'Andriamanitra mafy tokoa aho, raha toa ka tsy hatao maty ianao, ry Jonatana!

45 Fa hoy ny miaramila tamin'i Saoly: Ho faty hoe i Jonatana? Dia ilay nahatonga izao fandresena lehibe azon'i Israely izao! Sanatria azy izany! Fa velona ny TOMPO ka mianiana izahay fa tsy hisy singambolony na iray aza avelanay hilatsaka amin'ny tany, satria Andriamanitra mihitsy no nanampy azy tamin'izay nataony androany! Izany no nanafahan'ny miaramila an'i Jonatana, ka dia tsy maty izy.

46 Ary natsahatr'i Saoly ny fanenjehana ny Filistinina, koa afaka nody tany amin'ny taniny izy ireny.

47 Rehefa tonga mpanjakan'i Israely i Saoly, dia niady tamin'ireo fahavalony rehetra izay nanodidina azy, izany hoe ny Moabita, ny Hamonita, ny Edomita, ny fanjakan'i Tsoba ary ny Filistinina. Fandresena hatrany no azony tamin'izay rehetra niadiany.

48 Niady tamin-kerim-po fatratra ka nandresy ny Hamalekita koa izy, ary dia nahafaka an'i Israely tamin'izay nandroba azy

49 Nanan-janaka lahy i Saoly, dia i Jonatana sy i Jisvy ary i Melkisa; ny anaran-janany vavy roa kosa dia ireto: i Meraba ny zokiny, ary i Mikala ny zandriny.

50 Ny anaram-badin'i Saoly kosa dia i Ahinohama, zanakavavin'i Ahimahatsa. Ny jeneralin'ny tafiny dia Abinera, zanakalahin'i Nera rahalahin-drain'i Saoly.

51 I Kisy rain'i Saoly sy i Nera rain'i Abinera dia samy zanakalahin'i Abiela.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0657