1 Samoela
Toko faha-2
1 Ary i Hana nanao tonom-bavaka toy izao: Feno hafaliana ny foko noho ny amin'ny TOMPO; mitraka koa ny lohako noho ny aminy. ary ihomehezako ny fahavaloko. Faly aho satria novonjen'ny TOMPO;2 tsy misy masina tahaka AZY, ary tsy misy vatolampy tahaka an'Andriamanitsika. Eny, Izy irery ihany no TOMPO.
3 Atsaharo ny teny an'avona sy ny vava tsy ambina rehetra, fa Andriamanitra mahalala ny zava-drehetra ny TOMPO; Izy no mitsara ny ataon'ny olona.
4 Tapaka ny tsipikan'ny mahery fo fa ny osa kosa efa mihamatanjaka.
5 Mikarama hahazoana mofo ireo voky taloha, fa ny noana kosa efa manan-kohanina. Impito niteraka ny vehivavy momba, fa ireo mpiteraka kosa nitsaha-jaza.
6 Ny TOMPO no mahafaty sy mahavelona; mampidina ny olona any amin'ny toeran'ny maty Izy sady manala azy avy any ihany koa.
7 Ny TOMPO no mampahantra sy mampanan-karena; mampietry ny olona Izy nefa koa manandratra azy.
8 Izy no manarina ny fadiranovana hiala amin'ny vovoka ary mampitsangana ny mahantra hiala amin'ny fako mba hanome azy toeram-boninahitra ka hampitoetra azy miaraka amin'ny mpitondra. Fa an'ny TOMPO ny tany tontolo satria Izy no nametraka azy eo amin'ny andry fiorenany.
9 Tsinjoviny ny fiainan'ireo mpivavaka aminy, fa ny olon-dratsy kosa hovereziny any amin'ny haizina; satria tsy amin'ny herin'ny tenany no hahazoan'ny olona fandresena.
10 Homontsanin'ny TOMPO ireo fahavalony; fa kotrokorana avy any an-danitra no indro hamelezany azy ireny, satria IZY no hitsara ny tany tontolo. Hanome hery ny mpanjakan'ny vahoakany Izy ary hampitombo fahefana an'ilay Mesiany.
11 Taorian'izany dia nody tany Rama i Elkana, fa i Samoela kely kosa nijanona tao Silao mba hanompo ny TOMPO teo anatrehan'i Hely mpisorona.
12 Ireo zanakalahin'i Hely dia olona ratsy fanahy tsy mba niraharaha akory ny TOMPO.
13 Fa na dia mpisorona aza izy roa lahy, dia izao no fanaony tamin'ny vahoaka: raha nisy olona nanao sorona, dia avy ny mpanampy ny mpisorona ka manatona ny hena handroina, miaraka amin'ny fitrebika telo rantsana eny an-tanany;
14 dia atsobony ao anaty vilany na saba ny nongo fahandroan-kena, ka izay rehetra azon'ny fitrebika dia alain'ny mpisorona ho azy. Ary izany no fanaon'ireo zanakalahin'i Hely tamin'ny Israelita rehetra izay tonga tao Silao.
15 Afa-tsy izany, raha tsy mbola voadoro ny tavin-kena, dia tonga ny mpanampy ny mpisorona ka milaza amin'ilay mpanao sorona hoe: Omeo hena hatsatsika aho ho an'ny mpisorona; fa tsy hekeny ny hena masaka avy aminao, fa ny manta ihany.
16 Ary raha misy manao aminy hoe: Aoka aloha hodorana ny taviny; izay ianao vao maka izay tianao, dia hoy ilay mpanampy ny mpisorona aminy: Tsia, omeo ahy izao ankehitriny izao ihany; fa raha tsy izany, dia halaiko an-keriny.
17 Ka tena lehibe dia lehibe teo imason'ny TOMPO ny fahotan'ireo zanakalahin'i Hely, satria notsiratsirain'izy roa lahy ny sorona naterina ho AZY.
18 Fa i Samoela kely kosa nisalotra efoda rongony ka nanatanteraka ny fanompoam-pivavahana teo anatrehan'ny TOMPO.
19 Isan-taona ny renin'i Samoela dia nanjaitra akanjo kely izay fentiny ho an-janany rehefa niaraka tamin'ny vadiny nankany Silao hanatitra ny sorona fanao isan-taona izy.
20 Nitsodrano an'i Elkana mivady i Hely, ka hoy izy tamin'ny lahy: Ny TOMPO anie hanome taranaka anao avy amin'ity vehivavy ity, ho solon'ilay efa nomeny AZY! Dia lasa niverina nody izy mivady.
21 Ary notahin'ny TOMPO i Hana, dia nanan-janaka ary niteraka lahy telo sy vavy roa. Fa i Samoela kosa tamin'izay dia nitombo teo anatrehan'ny TOMPO.
22 Ary efa tena antitra be i Hely. Rehefa reny avokoa izay nataon-janany tamin'ny Israelita, indrindra fa ny nandriany tamin'ireo vehivavy niasa teo amin'ny fidirana ny Tranolay fihaonana amin'Andriamanitra,
23 dia hoy izy tamin-janany: Nahoana ianareo no manao izany zavatra izany? Reko tamin'olona avokoa ange ny fitondrantena ratsy ataonareo.
24 Atsaharonareo izany, rey anaka, fa tsy tsara mihitsy izay reko momba anareo amin'ny vahoakan'ny TOMPO.
25 Raha diso amin'ny olona toa azy ny olona iray, dia Andriamanitra no hitsara ny adiny; fa raha diso amin'ny TOMPO kosa ny olona iray, dia mba iza ary no hitsara? Tsy noraharahain'izy ireo anefa izany tenin-drainy izany, satria efa sitraky ny TOMPO rahateo ny hahafaty azy.
26 Ary nitombo tena i Samoela kely sady nandroso nahatehotia tamin'ny TOMPO sy ny olona.
27 Ary tonga tao amin'i Hely ny mpaminany iray ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'ny TOMPO: Raha mbola nandevozin'ny Farao tany Ejipta ny razanao, dia fantatrao tsara ny efa nisehoako taminy:
28 eny, tamin'ny fokon'i Israely rehetra, dia ny razambenao Aharona no nofidiko ho mpisoroko, hitondra ny sorona eo amin'ny alitarako ary handoro vovo-javamanitra ary hisalotra efoda hanontaniana Ahy. I Aharona sy ny taranany aza dia nomeko anjara tamin'ny sorona naterin'ny Israelita.
29 Koa nahoana no hitsakitsahinareo ny sorona sy ny fanatitra izay nodidiako hatao ao amin'ny Toeramasina fonenako. Ary nahoana ny zanakao indray no omenao voninahitra mihoatra noho Izaho, satria ianareo mampahatavy ny tenanareo amin'izay tsara indrindra amin'ny fanatitra rehetra ataon'ny Israelita vahoakako.
30 Noho izany, ny TOMPO Andriamanitr'i Israely dia miteny hentitra hoe: Efa nampanantenaiko fa ny fianakavianao sy ny tera-drainao no ho mpisoroko mandrakizay; nefa ankehitriny dia laviko tanteraka, teny hentitra avy amiko izany; fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manimbazimba Ahy no ho afa-baraka.
31 Eny, avy ny fotoana izay handringanako ny matanjaka eo amin'ny fianakavianao sy eo amin'ny tera-drainao, ka tsy hisy lahy ho tratra antitra intsony aminareo.
32 Hahita mpandrafy hanao fandraharahana ao amin'ny Toeramasina fonenako ianao ary koa hahita ny soa rehetra hataony amin'i Israely; fa ny taranakao sisa rehetra kosa tsy hisy lahy ho tratra antitra intsony.
33 Nefa dia hotanako ihany ny iray amin'ny taranakao ho eo anilan'ny alitarako mba hokikisan'ny fialonana sy ny fahoriam-panahy izy; fa ny sisa rehetra kosa dia ho faty tanora.
34 Ary ho porofon'ny teny voalazako taminao izay hanjo ny zanakao roa lahy, dia i Hofny sy i Pinehasa izany: andro iray ihany no hahafatesan'izy mirahalahy.
35 Avy eo Aho dia hifidy mpisorona iray mahatoky ho Ahy, mpisorona izay hiasa araka ny sitrapoko; ary homeko taranaka izy mba ho mpisorona mifandimby tsy an-kijanona, eo anatrehan'ny mpanjaka voahosotro.
36 Ary izay sisa amin'ny fianakavianao dia handohalika eo anatrehan'ny mpisorona mba hahazo vola kely sy tapa-mofo, ka hanao aminy hoe: Mba miangavy re, tompoko, omeo izay asa azoko anampiana ny mpisorona aho, mba sitrany ahay mofokely hohaniko.