1 Samoela
Toko faha-17
1 Namory ny miaramilany hiatrika ady tao Sokao any Joda ny Filistinina, ka nitoby tao Efesa-Damima anelanelan'i Sokao sy Hazeka.2 I Saoly sy ny miaramilan'i Israely koa dia tafangona ary nitoby tao amin'ny lohasaha Ela, efa vonona hiatrika ady amin'ny Filistinina.
3 Samy nitana tendrombohitra nifanao andaniny sy ankilany avy ny Filistinina sy ny Israelita, ka ny lohasaha no nampisaraka azy ireo.
4 Dia nisy rapeton'olona nivoaka ny tobin'ny Filistinina mba hihantsy ady amin'ny Israelita; ny anarany dia i Goliata, ary avy any Gata izy. Nirefy tokony ho telo metatra izy.
5 satroka varahina aro loha sy fonon-dranjo varahina no nanaovany, ary akanjo misy kirana varahina milanja 60 kilao no aro tena teny aminy. Nisamboady lefom-barahina izy.
7 Nitondra lefona iray koa izy ka ny zarany dia lehibe toy ny voditenon'ny mpanenona ary ny lelany dia vy mihoatra ny fito kilao. Nisy miaramila iray mpitondra ny ampingany ka mialoha azy.
8 Dia nijanona i Goliata ary nitodika tamin'ny miaramila israelita sady niantsoantso hoe: Nahoana ianareo no vory atrika hiady? Filistinina aho, ary ianareo kosa andevon'i Saoly. Mifidiana ianareo lehilahy iray hidina ety hiady amiko.
9 Fa raha toa resiny aho ka matiny, dia ho andevonareo izahay; fa raha resiko kosa izy ka matiko, dia ianareo kosa no ho andevonay ka hanompo anay.
10 ka hoy aho hoe: Efa nihaika anareo miaramila israelita aho androany; ka omeo lehilahy iray aho mba hiady amiko.
11 Raha nandre izany tenin'ilay Filistinina izany i Saoly sy ny miaramilany rehetra, dia nivadi-po sy natahotra mafy.
12 I Davida dia zanakalahin'i Jisay avy amin'ny terak'i Efrata, izay nonina tany Betleheman'i Joda; nanan-janaka valo mirahalahy i Jisay izay efa tena antitra tamin'ny andron'i Saoly.
13 Ny zanany telolahy zokiny, i Eliaba sy i Abinadaba ary i Sama, dia voaantso miaramila ka niara-niantafika tamin'i Saoly. Fa i Davida kosa, ilay zandriny indrindra,
15 dia lasa nanompo an'i Saoly ary niverina tsindraindray mikarakara ny ondrin-drainy, tany Betlehema.
16 Nandritra ny efapolo andro, dia niseho teo anatrehan'ny tafik'i Israely marain-tsy hariva i Goliata ilay Filistinina.
17 Indray andro dia hoy i Jisay tamin'i Davida zanany: Raiso ity lango folo kilao ity sy ireto mofo folo ireto ho an'ny rahalahinao, ka ento haingana any an-toby ho azy ireo.
18 Ento koa ireto fromazy folo ireto ho an'ny komandin'ny antokon-tafika. Dia jereo ireo rahalahinao na mba nanao ahoana ihany izay izy ireo any. Ho hitanao raha toa ka salama tsara izy ireo, ary dia hitondranao vaovao tsara momba azy ireo aho.
19 Ary ny hahitanao azy telo mirahalahy dia miaraka amin'i Saoly sy ny miaramila israelita rehetra, eo amin'ny lohasaha Ela sady miady amin'ny Filistinina.
20 Ny ampitso vao maraina dia napetrak'i Davida tamin'ny mpiandry hafa ny ondriny. Noraisiny ny entany, dia lasa izy araka ny tenin'i Jisay, ary tonga tany an-toby. Tamin'izay indrindra ny miaramila no milahatra hivoaka hiady sady velona hiakan'ady.
21 Ary ny Israelita sy ny Filistinina samy vory atrika imasoimaso, efa vonon-kiady.
22 Natolotr'i Davida ny mpiambina ireo entana nentiny, ary dia lasa izy nilomay nankeny am-bava ady nanontany izay vaovao momba ireo rahalahiny.
23 Raha mbola niresaka tamin'ny rahalahiny teo i Davida, dia indro i Goliata, ilay Filistinina avy any Gata, fa nandroso teo anoloan'ny tafiny sady namerina ny fihantsiany mahazatra azy. Ary ren'i Davida izany.
24 Raha vao nahita an'i Goliata anefa ny Israelita rehetra, dia mihemotra satria matahotra mafy izy ireo;
25 fa hoy izy samy izy hoe: Hitanareo ve io lehilahy miakatra io. Hihaika antsika Israelita no anton'ny niakarany. Koa izay maharesy azy io dia hataon'ny mpanjaka tretrika tokoa amin'ny hareny, sady homeny ho vadiny ny zanany vavy ary ny fianakaviany hahazo tombontsoa manokana eo amin'i Israely.
26 Dia hoy i Davida tamin'ny miaramila iray teo akaikiny: Hatao ahoana tsara hoe izay maharesy io Filistinina io ka mahafaka an'i Israely amin'izao fahafaham-barakany izao? Fa iza moa io Filistinina mpanompo sampy io no sahy mihantsy ny tafik'ilay Andriamanitra velona?
27 Dia naverin'ny olona tamin'i Davida indray fa izany sy izany no hataon'ny mpanjaka amin'izay maharesy an'i Goliata.
28 Fa i Eliaba zokiny lahimatoa kosa, raha nandre azy tafaresaka tamin'ny miaramila, dia nisafoaka tamin'i Davida ka nanao hoe: Inona moa no ataonao aty? Iza no namelanao ireo ondrinao vitsivitsy any an-taniefitra? Fantatro tsara ny fieboeboanao sy ny haratsiam-panahinao, fa hijery ady no nahatongavanao.
29 Ary hoy i Davida hoe: Fa inona izao no nataoko? Moa tsy mahazo manontany ve aho?
30 Dia navelany teo ny zokiny, fa lasa izy nanontany miaramila hafa indray, ary nitovy hatrany ny valin-teny azony.
31 Rehefa ren'ny olona fa voasarik'izany toe-javatra izany i Davida, dia nambarany tamin'i Saoly izay nampiantso azy avy hatrany.
32 Ka hoy i Davida tamin'i Saoly: Tompokolahy, aoka tsy hisy ho ketraka noho ny io Filistinina io ny olona, fa ny tenako mihitsy no handeha hiady aminy.
33 Hoy kosa i Saoly tamin'i Davida: Aoka itsy, anaka, tsy azonao atao ny hiady amin'io Filistinina io. Mbola zaza loatra ianao nefa izy dia efa miaramila hatramin'ny fahatanorany.
34 Fa hoy ny navalin'i Davida hoe: Tompokolahy, raha miandry ny ondrin-draiko aho, ka nisy liona na bera tonga maka amin'ireo,
35 dia nanenjika azy aho ka mikapoka azy ary manaisotra ny haza mby am-bavany; ary raha miantsambotra amiko izy, tonga dia raisiko amin'ny vavany, dia vonoiko ho faty.
36 Raha izany no nahafatesan'ny mpanomponao ny liona sy ny bera, dia ho tahaka izany koa no hanjo io Filistinina mpanompo sampy io, satria nihantsy ny tafik'ilay Andriamanitra velona izy.
37 Ny TOMPO izay efa niaro ahy tamin'ny hohon'ny liona sy ny bera, dia hanafaka ahy koa amin'ny tanan'io Filistinina io. Dia hoy i Saoly tamin'i Davida: Mandehana ary, ka homba anao anie ny TOMPO!
38 Nomen'i Saoly hanaovan'i Davida ny fitafiany fentiny miady dia ny satroka varahina aro loha izay napetrany teo an-dohan'i Davida, ary akanjo varahina aro tena.
39 Mbola nafatotr'i Davida tamin'ny akanjony koa ny sabatr'i Saoly, ary dia nanandrana namindra izy, nefa tsy afaka, satria tsy mbola zatra nitondra ireny, ka dia hoy izy tamin'i Saoly: Tsy mba afa-mamindra amin'ireto zavatra tsy nahazatra ahy ireto aho. Ary nesorin'i Davida teny aminy avokoa ireny.
40 Noraisiny ny tehiny, dia lasa izy nifantina vato kilonjy dimy tery amoron'ny ranon-driaka, ka nataony tao anaty kitapony fitondra miandry ondry. Nataony an-tanana ny antsamotadiny, dia roso izy hiatrika ilay Filistinina.
41 i Goliata etsy andaniny, ialohavan'ilay mpitondra ny ampingany, sady manatona tsikelikely an'i Davida.
42 Dia nandinika an'i Davida ilay Filistinina ka naneso azy, satria hitany fa mbola tanora izy no mazava endrika ary tsara tarehy.
43 Ary hoy i Goliata tamin'i Davida: Alika angaha aho no hatonin'ialahy amin'ny tehina? Ho voaozona anie ialahy amin'ny alalan'ireo andriamanitray!
44 Avia aty, fa homeko ny voro-manidina sy ny bibidia ny nofon'ialahy.
45 Dia hoy ny navalin'i Davida azy: Manatona ahy amin'ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy ianao, izaho kosa manatona anao amin'ny anaran'ny TOMPOn'izao rehetra izao, Andriamanitry ny tafik'i Israely, Izay efa nohantsinao.
46 Anio ihany no hanoloran'ny TOMPO anao ho eo am-pelatanako, hahafaty anao aho ka hanapaka ny lohanao. Anio koa dia homeko hohanin'ny voro-manidina sy ny bibidia ny fatin'ny miaramila filistinina. Ary ho fantatry ny tany tontolo fa manana Andriamanitra tokoa i Israely.
47 Dia ho fantatry ny Fiangonan'i Israely tsivakivolo koa fa tsy mba mila sabatra na lefona ny TOMPO hanomezam-pandresena. An'ny TOMPO ny ady, koa dia hatolony ho eo an-tananay ianareo.
48 Raha vao nanomboka nihetsika hanatona an'i Davida ilay Filistinina, dia nihazakazaka mafy i Davida hitsena azy.
49 Nandray vato tao anaty kitapony i Davida ary nandefa izany tamin'ny antsamotady ka nahavoa ilay Filistinina teo an-tampon-kandriny. Tafalentika teo ilay vato ka nidaraboka niankohoka tamin'ny tany izy.
50 Toy izany no nandresen'i Davida an'i Goliata ka namonoany azy tamin'ny antsamotady sy ny vato, fa tsy mba tamin'ny sabatra.
51 Dia nihazakazaka nankeny amin'i Goliata i Davida ka nanatsoaka ny sabatr'i ilay rapeto tamin'ny tranony ary nanapaka ny lohany. Koa rehefa hitan'ny Filistinina fa maty ilay maherifony, dia nitsoaka nandositra izy ireo.
52 Tafatsangana ny miaramilan'i Israely sy i Joda ka nanao hiakan'ady sady nanenjika ny Filistinina hatrany am-bavahadin'i Gata sy i Hekrona. Ary ny fatin'ny Filistinina niampatrampatra teny an-dalan'i Saharaima ka hatrany Gata sy i Hekrona.