1 Samoela
Toko faha-15
1 Hoy i Samoela tamin'i Saoly indray andro: Izaho no nirahin'ny TOMPO hanokana anao ho mpanjakan'ilay Israely vahoakany; koa ankehitriny henoy ny tenin'ny TOMPO.2 Izao ary no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao: Tsaroako ny nanaovan'ny Hamalekita ny vahoaka israelita fony izy ireo nakarina niala tany Ejipta, dia ny nanakanany ny lalany izany.
3 Koa ankehitriny, mandehana tafiho ny Hamalekita, ary levony avokoa izay rehetra ananany fa aza asiana miangana sy indrafo. Vonoy ho faty avokoa na lehilahy na vehivavy, na ankizy na zaza minono, na omby na ondry, na rameva na boriky.
4 Nohetsehin'i Saoly ny tafiny, dia nalahany tao Telaima, ka nahitany miaramila an-tongotra andiany roanjato, ary koa vatan-dehilahy andiany folo avy amin'i Joda.
5 Dia nandroso hatrany amin'ny tananan'ny Hamalekita i Saoly ary nanotrika ady am-pitaka tao an-dohasaha.
6 Hoy izy tamin'ny Kenita: Mandehana ianareo ka ilaozy ny Hamalekita, fandrao haringako miaraka aminy koa ianareo; fa mba nanisy soa ny Israelita ihany manko ianareo, raha niala tany Ejipta izy. Dia nisaraka tamin'ny Hamalekita ny Kenita.
7 Ary i Saoly nandresy ny Hamalekita nanomboka teo Havila ka hatrany Sora, atsinanan'i Ejipta.
8 Nataony jinja fary tamin'ny sabatra ny vahoaka rehetra, afa-tsy i Agaga mpanjakany izay natao sambobelona.
9 Fa i Saoly sy ny miaramila kosa nitsimbina ny ain'i Agaga mbamin'izay tsara indrindra amin'ny biby fiompy, toy ny omby aman'ondry, mifahy na tsia, izany hoe rehefa biby tsara rehetra misy vidiny. Fa izay tsy misy vidiny sy tsy ilaina kosa dia samy naringany avokoa.
10 Ary izao no tenin'ny TOMPO tamin'i Samoela:
11 Tena nanenenako ny nanaovako an'i Saoly ho mpanjaka, satria nivadika tamiko izy ka tsy nanaraka ny teniko. Tezitra sady nalahelo i Samoela, ka nitaraina mafy tamin'ny TOMPO ny alina tontolo.
12 Ny ampitso vao maraina, dia lasa nitady an'i Saoly i Samoela. Nisy nampandre an'i Samoela fa tonga tao Karmela i Saoly, dia nanangana tsangambato ho an'ny tenany ary lasa indray nidina hatrany Gilgala.
13 Rehefa tonga teo amin'i Saoly i Samoela, dia nilazany hoe: Hitahy anao anie ny TOMPO! Efa narahiko ny tenin'ny Tompo.
14 I Samoela kosa nanontany azy hoe: Fa inona ary izany ondry mibarareoka sy omby mimama reko izany?
15 Ka hoy ny navalin'i Saoly: Nentin'ny miaramila avy tany amin'ny Hamalekita izany; satria ny biby tsara tsy mba nokasihiny fa hatao sorona ho an'ny TOMPO Andriamanitrao. Ny sisa rehetra kosa dia naringany avokoa.
16 Fa hoy i Samoela tamin'i Saoly: Aoka izay, fa hambarako anao izay nolazain'ny TOMPO tamiko halina. Ary hoy izy taminy: Ambarao ary!
17 Dia hoy i Samoela hoe: Na dia nihevitra ny tenanao ho tsy nanao ahoana aza ianao taloha, dia efa tonga filohan'ny fokon'i Israely, fa ny TOMPO efa nanosotra anao ho mpanjakan'i Israely.
18 Ary IZY efa nanoro lalana anao handeha hamongotra tanteraka ireo Hamalekita mpanota ireo ary hiady aminy mandra-paharingany.
19 Koa nahoana no tsy nohenoinao ny tenin'ny TOMPO, fa avy hatrany ianao dia niantoraka tamin'ny remby, ary nanao izay nampalahelo ny TOMPO?
20 Fa hoy i Saoly tamin'i Samoela: Efa nanaiky ny tenin'ny TOMPO aho, ary efa nanaraka izay natorony ahy. Efa novonoin-ko faty avokoa ny Hamalekita, afa-tsy i Agaga mpanjakany ihany izay nentiko eto;
21 fa ny miaramila kosa, raha nanavaka ireo biby izay tsara indrindra tokony ho naringana, dia ny hanolorana azy ho sorona ho an'ny TOMPO Andriamanitrao eto Gilgala.
22 Dia hoy indray i Samoela hoe: Moa sitraky ny TOMPO mihoatra noho ny fankatoavana AZY ve ny sorona dorana manontolo sy sorona hafa? Tsia! Fa tsara noho ny sorona rehetra ny fankatoavana AZY ary tsara noho ny jaboran'ondrilahy ny fanekena Azy.
23 Fa ratsy toy ny sikidy ny fikomiana aminy, ary ratsy toy ny fanompoan-tsampy ny tsy fanekena Azy. Koa satria nanda ny tenin'ny TOMPO ianao, dia mba laviny kosa tsy ho mpanjaka intsony.
24 Ka hoy ny navalin'i Saoly azy: Efa nanota tokoa aho, satria nandika ny didin'ny TOMPO sy ny teninao. Natahotra ny miaramila manko aho, ka nanaraka ny teniny.
25 Ankehitriny, miangavy anao re aho, mamela ny heloko ka miverena miaraka amiko mba hahazoako miankohoka eo anatrehan'ny TOMPO.
26 Hoy kosa i Samoela taminy: Tsia, tsy hiverina hiaraka aminao aho, satria efa nanda ny tenin'ny TOMPO ianao, ka dia laviny koa tsy ho mpanjakan'i Israely intsony.
27 Ary raha nihodina handeha iny i Samoela, dia nohazonin'i Saoly tamin'ny rebareban'akanjony, izay rovitra niendaka tery.
28 Dia hoy i Samoela taminy: Tahaka izany koa androany no hanendahan'ny TOMPO aminao ny fanjakan'i Israely mba homeny ho an'ny hafa izay mendrika kokoa noho ianao.
29 Fa ny TOMPO, Ilay Herin'i Israely, dia tsy mba mandainga na miova hevitra. Tsy olombelona Izy ka hiova hevitra.
30 Fa hoy ihany i Saoly hoe: Efa diso aho, kanefa aoka re mba homenao voninahitra eo anatrehan'ny loholon'ilay Israely vahoakako ihany aho; miverena miaraka amiko mba hahazoako eo anatrehan'ny TOMPO Andriamanitrao.
31 Ary i Samoela nandidy mba hoentina eo aminy i Agaga mpanjakan'ny Hamalekita.
32 Dia tonga teo aminy tamim-pahatokiana i Agaga, satria hoy izy anankampo hoe: Marina fa tsy misy tokony hatahorako fahafatesana intsony.
33 Nefa hoy i Samoela taminy: Ny sabatrao no tsy nananan'ny vehivavy maro ny zanany. Dia notetehin'i Samoela tamin'ny sabatra teo anatrehan'ny TOMPO tao Gilgala i Agaga.
34 Niverina nankany Rama i Samoela, fa i Saoly kosa nody tany an-tranony tao Gibeha.
35 Ary i Samoela tsy nahita an'i Saoly intsony mandra-pahafatiny; fa nitomany an'i Saoly i Samoela, satria ny TOMPO efa nanenina noho ny nifidianany azy ho mpanjakan'i Israely.