1 Samoela
Toko faha-11
1 Tonga nanafika ny tananan'i Jabesy any Gilehada i Nahasy mpanjakan'ny Hamonita ka nanao fahirano azy. Dia hoy ny mponin'i Jabesy taminy: Manaova fanekena aminay, fa vonon-kanompo anao izahay.2 Fa hoy ny navalin'i Nahasy azy: Sitrako ny hanao fanekena aminareo raha toa ka hopotseriko avokoa ny masonareo ankavanana; fa ny hahafa-baraka an'i Israely manontolo mihitsy no tadiaviko.
3 Hoy kosa ireo loholon'i Jabesy taminy: Omeo fito andro izahay hahafahanay mandefa iraka manerana ny faritanin'i Israely; fa raha tsy misy mamonjy anay, dia hitolo-batana aminao izahay.
4 Rehefa tonga tany Gibeha tananan'i Saoly ireo iraka ka nitantara ny vaovao misy, dia samy nigogogogo nitomany ny vahoaka rehetra.
5 Tamin'izay indrindra no tonga avy any an-tsaha niroaka ny ombiny i Saoly, ka nanontany izay anton-javatra nampitomany ny olona. Dia nitaterana izay voalazan'ny iraka avy any Jabesy izy.
6 Raha nandre izany i Saoly, dia nilatsahan'ny Fanahin'Andriamanitra, ary nirehi-pahatezerana mafy.
7 Naka omby roa izy, ka notetitetehiny madinika izany, ary nasainy nentin'ireo iraka manerana ny faritan'i Israely, miaraka amin'izao fampitandremana hoe: Ho toy izao anie ny hanjo ny ombin'izay tsy manaraka an'i Saoly sy i Samoela hiady! Azon-korohoro ny amin'izay mety hataon'ny TOMPO ireo Israelita ka niainga hiady toy ny olona iray ihany.
8 Nampanaovin'i Saoly matso tao Bezeka izy ireo, dia noisainy ka nahatratra andiany telonjato ny avy amin'ireo foko tavaratra ary andiany telopolo ny avy amin'ny fokon'i Joda.
9 Ireo iraka avy any Jabesy Gilehada kosa dia nasaina nilaza tamin'ny mponina any aminy hoe: Rahampitso rehefa antoandrobenanahary iny, dia ho voavonjy ianareo Dia lasa ny iraka nanambara izany vaovao izany tamin'ny mponin'i Jabesy, izay faly aoka izany
10 sady niteny tamin'ny Hamonita hoe: Rahampitso dia hitolo-batana aminareo izahay ka ataovy aminay izay tianareo hatao.
11 Ny ampitso dia nozarain'i Saoly ho antoko telo ny tafiny izay niditra tao amin'ny tobin'ny fahavalo talohan'ny madiva haraina ary namely ny Hamonita hatramin'ny mitataovovonana. Ny sisa tsy maty dia niparitaka tsy afa niara-droa akory.
12 Ary hoy ny vahoaka israelita tamin'i Samoela: Aiza moa ireo olona nilaza fa tsy tokony hanjaka aminay i Saoly? Atolory anay ireny fa hataonay maty tokoa!
13 Fa hoy kosa i Saoly hoe: Tsy tokony hisy olona hovonoina ho faty amin'ny andro toy izao, satria androany no nanomezan'ny TOMPO fandresena ho an'i Israely.
14 Dia hoy i Samoela tamin'ny vahoaka israelita: Andeha isika hankany Gilgala hanamafy orina ny maha mpanjaka an'i Saoly.
15 Dia lasa nankany Gilgala ny vahoaka rehetra. Ary tany, tao amin'ny Toeramasina, no nanambarana ampahibemaso indray teo anatrehan'ny TOMPO, ny maha mpanjaka an'i Saoly; tany koa no nanaovany sorom-pihavanana amin'ny TOMPO. Ary dia nifaly aoka izany i Saoly sy ny mponina rehetra tao Israely.