1 Samoela

Toko faha-13

2 Nifantina miaramila telo arivo lahy tamin'ny Israelita i Saoly, ka ny roa arivo lahy dia teo ambany fifehezany tao Mikmasy sy tany an-tendrombohitr'i Betela, fa ny arivo lahy kosa dia nofehezin'i Jonatana tao Gibehan'i Benjamina. Ary ny vahoaka sisa dia nasain'i Saoly nody any aminy avokoa.

3 Novonoin'i Jonatana ho faty ny governora filistinina izay tao Geba, ary fantatry ny Filistinina izany. Nasain'i Saoly notsofina nanerana ny taniny tontolo ny anjomara satria hoy izy anakampony hoe: Aoka ho fantatry ny Hebreo izany!

4 Koa dia fantatry ny Israelita rehetra fa novonoin'i Saoly ho faty ny governora filistinina iray; ary nahatonga ny fahatezeran'ny Filistinina tamin'i Israely izany. Dia nivory nanaraka an'i Saoly tany Gilgala ny tafiny.

5 Ny Filistinina kosa tetsy an-danin'izany dia vory lanona mba hiady amin'i Israely: nanana kalesy telo alina sy mpitaingin-tsoavaly enina arivo, ary miaramila betsaka tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina izy ireo, ary tonga nitoby tao Mikmasy, atsinanan'i Bety-Avena.

6 Rehefa hitan'ny Israelita fa tandidomin-doza izy, dia lasa ny olona niery tany anaty zohy, sy tany anaty kirihitra, tany amin'ny harambato sy tany ambanin'ny tany, ary tany an-dava-pantsakana.

7 Ny Hebreo sasany aza tafita an'i Jordana mba hialokaloka any amin'ny tanin'i Gada sy i Gilehada. Mbola tany Gilgala i Saoly tamin'izay, ary rano an-dravina ny miaramila rehetra nanaraka azy.

8 Fito andro no niandrasany ny fe-potoana nomen'i Samoela, nefa i Samoela tsy tonga tany Gilgala. Nanomboka niparitaka nandao an'i Saoly ny miaramilany.

9 Koa nodidian'i Saoly hoentina eo aminy ny biby hatao sorona dorana manontolo sy ny sorom-pihavanana, ary dia ny tenany mihitsy no nanolotra ny sorona dorana manontolo.

10 Vao vita ny sorona nataony, dia tonga i Samoela; ary nanatona hitsena azy i Saoly mba hiarahaba azy.

11 Dia hoy i Samoela nanontany azy: Fa inona no nataonao? Ka novalian'i Saoly hoe: Rehefa hitako fa niparitaka nandao ahy ny miaramilako, ary ianao koa tsy tonga tamin'ny fotoana nifanomezana, nefa ny Filistinina efa vory lanona tao Mikmasy,

12 dia noheveriko fa ankehitriny dia ho avy hanafika ahy aty Gilgala ny Filistinina; nefa izaho ity tsy mbola nahazo ny fanambinan'ny TOMPO, koa dia ny tenako mihitsy no nandray andraikitra nanatitra ny sorona dorana manontolo.

13 Ary hoy i Samoela tamin'i Saoly: Nanaonao foana tahaka ny olona adala ianao! Tsy notandremanao akory ny didy nomen'ny TOMPO Andriamanitrao anao. Fa raha mba nataonao anefa izany, dia ho nampanjakain'ny TOMPO mandrakizay tamin'i Israely ianao sy ny taranakao.

14 Ankehitriny kosa dia tsy haharitra ny fanjakanao. Ny TOMPO efa nifidy olona izay tiany ary nanendry azy ho filohan'ny vahoakany, satria ianao tsy nitandrina ny didiny.

15 Nandao an'i Gilgala i Samoela ka nanohy ny diany. Ny miaramila sisa kosa nanaraka an'i Saoly, rehefa niala tao Gilgala ity mpanjaka mba hanatona ireo miaramilany hafa tany Gibehan'i Benjamina. Noisain'i Saoly ny miaramila mbola tafaraka taminy, ka nisy lehilahy tokony ho eninjato eo ho eo.

16 Nitoby tao Gibehan'i Benjamina i Saoly sy ny zanany ary ireo miaramila niara-dia taminy, fa ny Filistinina kosa tao Mikmasy.

17 Indray andro dia nisy mpanao vy very ny ainy nivoaka avy tamin'ny tobin'ny Filistinina, ka nizara telo izy ireo. Ny andiany voalohany nihazo ny lalana mankany Hofra ao amin'ny faritr'i Sohala,

18 ny andiany faharoa ny mankany Bety-Horona, ary ny fahatelo ny mankany amin'ny sisin-tany dia ny lalana mandondona ny lohasahan'i Tsebohima tandrifin'ny taniefitra.

19 Tamin'izany, dia tsy nahitana mpanefy teo amin'ny tanin'i Israely, satria natahotra ny Filistinina sao mahavita sabatra aman-defona ny Hebreo.

20 Noho izany dia samy nankany amin'ny Filistinina ny Israelita mba hanasa ny lelan'angadinombiny, ny lapikany sy ny famakiny ary ny angadiny.

21 Ny fanasana lelan'angadinomby na lapika, na famaky, na angady na ny fanindronan'omby dia mitentina androatokon'ny sekela volafotsy.

22 Koa tamin'ny andro nipoahan'ny ady dia tanam-polo no nentin'ny miaramila israelita; i Saoly sy i Jonatana zanany ihany no mba nanana sabatra sy lefona.

23 Nisy andiana miaramila filistinina naka toerana teo amin'ny hadilalan'i Mikmasy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1449