1 Samoela

Toko faha-5

1 Azon'ny Filistinina ary ny Vatamasin'Andriamanitra ka nentiny nankany Asdoda avy tao Ebena-Hezera.

2 Dia nalainy ny Vatamasina ka nampidiriny tao amin'ny tempolin'i Dagona andriamaniny ary napetrany teo anilan'ny sarivongan'i Dagona.

3 Ny ampitso, rehefa nifoha ny mponin'i Asdoda, dia nahita ny sarivongan'i Dagona nidaboka nihohoka tamin'ny tany teo anoloan'ny Vatamasin'ny TOMPO; natsangan'izy ireo izy ka napetrany indray tamin'ny toerany.

4 Ny ampitso maraina manaraka dia hitan'ny olona fa mbola nidaboka tamin'ny tany teo anoloan'ny Vatamasin'ny TOMPO indray ilay sarivongana; tapaka teo an-tokonam-baravarana ny lohany sy ny tanany roa, fa ny vatabeny ihany no tsy nanohinana.

5 Izany no tsy anitsahan'ny mpisoron'i Dagona sy izay rehetra miditra ao amin'ny tempoliny, ao Asdoda, ny tokonam-baravaran'i Dagona mandraka androany.

6 Tsy zakan'ny mponin'i Asdoda ny famaizana nafitsoky ny herin'ny TOMPO, fa sady nampitondra faisana azy izany no nahavoan-kitso azy mbamin'ireo mponina manodidina.

7 Rehefa nahita ny nahazo azy ny mponin'i Asdoda, dia nanambara hoe: Aoka tsy hitoetra eto amintsika ny Vatamasin'ilay Andriamanitr'i Israely, fa ny nafitsoky ny heriny efa nampitondra ny mafy antsika sy an'i Dagona andriamanitsika!

8 Dia nampiantso ireo andriana dimy filohan'ny Filistinina izy ireo mba hivory any aminy ka nanontany azy hoe: Hataonay ahoana ny Vatamasin'ilay Andriamanitr'i Israely? Dia hoy ireo filoha taminy: Aoka hafindra hankany Gata izany! Dia nafindra nankany Gata ilay Vatamasina;

9 nefa vantany vao tonga tany izany, dia namely ny mponina tao an-tanana ny herin'ny TOMPO ka nahatonga hotakotaka goavana. Nasian'ny Tompo izy rehetra ka voan'ny kitso avokoa, nanomboka tamin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra.

10 Dia nalefany nankany Hekrona ny Vatamasin'Andriamanitra; nefa nony tonga tany izany, dia niantsoantso mafy ny mponin'i Hekrona hoe: Nafindra aty aminay mba hahafaty anay mianakavy ny Vatamasin'ilay Andriamanitr'i Israely.

11 Mba nampiantsoan'izy ireo koa ireo andriana filohan'ny Filistinina ka nilazany hoe: Avereno any amin'izay toerana nisy azy any ny Vatamasin'ilay Andriamanitr'i Israely sao dia hahafaty anay rehetra. Fa hotakotaka mahatsiravina no tao an-tanana satria mafy dia mafy koa no nafitsoky ny herin'ny Tompo tao;

12 ka izay tsy maty dia voan'ny kitso, ary niakatra ny lanitra ny kiakia-pahoriany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.061