1 Samoela
Toko voalohany
1 Tao Rama, tany amin'ny faritra be tendrombohitra any Efraima, dia nisy lehilahy anankiray anisan'ny taranak'i Tsofo. Io lehilahy io dia natao hoe Elkana, zanak'i Jerohama, zafikelin'i Eliho, zafiafin'i Toho ary zafindohalik'i Tsofo.2 Nanam-bady roa izy, dia i Hana sy i Penina. I Penina dia nanan-janaka, fa i Hana kosa tsy mba niteraka.
3 Isan-taona i Elkana dia nandao an'i Rama tananany mba hivavaka sy hanao sorona amin'ny TOMPOn'izao rehetra izao tany Silao; mpisoron'ny TOMPO tao koa i Hofny sy i Pinehasa zanakalahin'i Hely.
4 Fanaon'i Elkana rehefa manao sorona ny manome anjara ho an'i Penina sy ny zanany rehetra;
5 fa i Hana kosa dia notolorany anjara manokana, satria tiany aoka izany izy na dia nataon'ny TOMPO momba aza.
6 Nitady hatrany izay hanorisorenana an'i Hana anefa ny rafivaviny, ka nandrabiraby azy noho io nanaovan'ny TOMPO azy momba io.
7 Ary isan-taona dia izany foana no zava-mitranga rehefa mba tonga ao an-tranon'ny TOMPO i Hana; nanao izay hampalahelo azy foana i Penina, ka nitomany sy tsy nety nihinan-kanina izy.
8 Dia hoy i Elkana vadiny taminy: Hana o, nahoana ange ianao no mitomany sy tsy mety mihinan-kanina? Nahoana koa ianao no malahelo toa izao, moa tsy mihoatra noho ny zanaka folo ve ny tenako aminao?
9 Indray andro, tao Silao, rehefa tapi-nisakafo ny olona, dia nitsangana i Hana fa i Hely mpisorona kosa nipetraka teo an-tokonam-baravaran'ny TOMPO.
10 Nalahelo mafy i Hana, ka sady nigogogogo nitomany no nanao tamin'ny Tompo izao vavaka
11 sy voady izao: Ry TOMPOn'izao rehetra izao o, mba jereo tokoa ny alaheloko ka tsarovy fa aza hadinoina; raha mba omenao zanakalahy anankiray aho, dia hatolotro ho ANAO kosa izy amin'ny androny rehetra; ka tsy hokasihin-kareza ny lohany.
12 Raha mbola naharitra nivavaka teo anatrehan'ny TOMPO i Hana, dia nodinihin'i Hely ny vavany;
13 nivavaka am-po izy, ka ny molony ihany no hita mihetsiketsika, fa tsy re akory izay feony. I Hely kosa efa nihevitra azy ho mamo,
14 ka nanao taminy hoe: Mbola haharitra ve ny fahamamoanao? Ndeha ampisindao aloha izany!
15 Dia novalian'i Hana hoe: Tsia, tompoko, tsy mamo aho. Malahelo fotsiny aho fa tsy nisotro divay na zava-pisotro mahamamo hafa akory. Mamboraka ny ato am-poko eto anatrehan'ny TOMPO aho.
16 Aza heverinao ho toy ny vehivavy ratsy fanahy aho; fa raha nivavaka ela aho, dia satria efa tsy tantiko intsony ny alahelom-poko sy ny fahoriam-panahiko.
17 Dia hoy i Hely hoe: Mandehana amim-piadanana, ary homen'ilay Andriamanitr'i Israely anao anie izay nangatahinao taminy!
18 Ary niteny indray i Hana hoe: Ho tsara fo amiko hatrany anie ianao! Dia lasa i Hana ary nihinan-kanina, ka mirana endrika tsy toy ny teo aloha.
19 Ny ampitso vao maraina, rehefa avy nivavaka tamin'ny TOMPO i Elkana sy ny fianakaviany, dia nody tany Rama. Ary i Elkana niray tamin'i Hana vadiny, ary nohenoin'ny TOMPO ny vavaka nataon-dravehivavy.
20 Dia bevohoka i Hana, ka tera-dahy, sady loa-bava hoe: Ny anarany dia hataoko hoe Samoela, satria nangatahiko tamin'ny TOMPO izy.
21 Dia niakatra nankany Silao indray i Elkana sy ny fianakaviany mba hanao ny sorona fanao isan-taona amin'ny TOMPO ary hanefa ny voadiny.
22 Tsy niaraka tamin'ny vadiny i Hana tamin'ity indray maka ity; fa hoy izy taminy: Aoka aloha hisara-nono ny zaza, vao hoentiko hiseho eo anatrehan'ny TOMPO, ary dia hitoetra eo mandrakizay izy.
23 Ary namaly azy i Elkana hoe: Tsara izany, ataovy izay fantatrao fa mety; mijanona ihany ary aty mandra-pisara-nono ny zaza. Hotanterahin'ny TOMPO anie ny fampanantenainy! Dia nijanona tao Rama nampinono ny zanany i Hana mandra-pisara-nono azy.
24 Ary rehefa nisara-nono ny zaza, dia nentiny nankany an-tranon'ny TOMPO tao Silao, na dia mbola vao mena vava aza. Ireto no nentin'izy mivady niaraka tamin'ny zaza: vantotr'ombilahy telo taona sy lafarinina iray gony ary divay eran'ny siny hoditra.
25 Novonoiny natao sorona ilay vantotr'omby, ary nentiny tany amin'i Hely ny zaza.
26 Dia hoy i Hana tamin'i Hely: Azafady tompoko, tsaroanao ve ilay vehivavy nitsangana teto indray andro tsy lavitra anao akory, ary nivavaka tamin'ny TOMPO? Raha marina fa velona koa ny ainao, dia izaho izy.
27 Ny hananako ity zaza ity no nivavahako; ary dia nomen'ny TOMPO ahy izay nangatahiko taminy.
28 Koa anjarako kosa ny manolotra azy ho an'ny TOMPO; eny, mandritra ny androny rehetra, dia ho an'ny TOMPO izy. Dia nivavaka tamin'ny TOMPO izy mianakavy.