1 Samoela
Toko faha-19
1 Nampahafantarin'i Saoly an'i Jonatana zanany sy ireo minisitra rehetra ny fikasany hahafaty an'i Davida. Nefa i Jonatana tia fatratra an'i Davida,2 ka nampitandrina azy hoe: Mihevitra ny hahafaty anao i Saoly raiko; koa mitandrema tsara ianao rahampitso maraina; miere amin'izay fiafenana azo antoka ka mitoera ao.
3 Hiainga hiaraka amin-draiko aho ka hanaraka azy any amin'ny saha hierenao. Hiresaka ny momba anao aminy aho, ka ho hitako eo izay ho fihetsiny, fa hampahafantariko anao.
4 Ary i Jonatana nandoka ny hatsaran'i Davida tamin-drainy, ka niteny hoe: Aza asianao ratsy i Davida mpanomponao, ry mpanjaka, fa tsy mba nanao izany taminao izy, sady ny soa ho anao hatrany no nikelezany aina.
5 Nivarotra aina mihitsy izy namono nahafaty an'i Goliata ilay Filistinina, ka dia fandresena lehibe ho an'i Israely no azo avy amin'ny TOMPO, ary faly ery ianao raha nahita izany. Koa nahoana ankehitriny no hanisy ratsy olona tsy manan-tsiny ianao ka hahafaty an'i Davida tsy amin'antony?
6 Resy lahatry ny tenin'i Jonatana i Saoly ka nanambara hoe: Velona ny TOMPO ka mianiana aho fa tsy hatao maty akory i Davida.
7 Dia nantsoin'i Jonatana i Davida ka nilazany izany resaka rehetra izany; avy teo i Davida dia nentiny nankany amin'i Saoly, ary nanompo ny mpanjaka toy ny teo aloha indray.
8 Nirongatra indray ny ady, dia lasa i Davida niady tamin'ny Filistinina ka nampitondra faisana mafy azy; hany herin'izy ireo dia ny nandositra teo anatrehany.
9 Indray andro dia tonga tamin'i Saoly ny fanahy ratsy nalefan'ny TOMPO, raha nipetraka tao an-tranony ka nihazon-defona izy. Teo am-pitendrena harpa i Davida tamin'izay.
10 Notorahan'i Saoly lefona hifantsika amin'ny rindrina i Davida, saingy nahay niala izy ka ny rindrina no voa. Afa-nandositra i Davida fa tsy maty fo aman'aina. Iny alina iny ihany,
11 i Saoly dia nandefa olona hiambina ny tranon'i Davida ary hamono azy ho faty ny ampitso maraina. Fa i Mikala vadin'i Davida kosa nampandre azy ka nanao taminy hoe: Raha tsy manavotra ny ainao izao alina izao ianao, dia ho faty tokoa rahampitso!
12 Dia nampidinin'i Mikala teo am-baravarankely i Davida ka afa-nandositra nanavotra ny ainy.
13 Nalain'i Mikala ny sampim-pianakaviana ka nampandriany teo am-parafaran'i Davida, dia nampiondaniny volon'osy ary norakofany lamba.
14 Koa rehefa tonga hisambotra an'i Davida ireo irak'i Saoly, dia hoy i Mikala tamin'izy ireo: Marary izy.
15 Fa nalefan'i Saoly hijery an'i Davida fanindroany ireo iraka sady nohafarany hoe: Ento aty amiko amin'ny farafara izy fa tsy maintsy matiko!
16 Dia niverina tany ireo iraky ny mpanjaka, kanjo indro sampy mandry eo am-parafara, miondana volon'osy, no hitany.
17 Ka hoy i Saoly tamin'i Mikala: Nahoana aho no nofitahinao toy izao? Ary nahoana no navelanao handositra ny fahavaloko? Fa izao no navalin'i Mikala azy: Izy mihitsy no niteny tamiko hoe: Avelao aho handeha, sao ho matiko eo ianao.
18 Toy izany no nahavoavonjy an'i Davida raha nandositra izy. Dia tonga tany amin'i Samoela tany Rama izy, ka nitantara taminy izay rehetra nafitsok'i Saoly azy. Ary nandeha tany Naiota izy mianaka ka niara-nonina tao.
19 Nisy nanambara tamin'i Saoly fa ao Naiota akaikin'i Rama i Davida.
20 Dia naniraka olona indray i Saoly hisambotra an'i Davida. Rehefa hitan'izy ireo anefa ny andiana mpaminany izay tarihin'i Samoela fa tsindrian-daona maminany, dia nohetsehin'ny Fanahin'Andriamanitra ireto irak'i Saoly, ka nanomboka naminany koa.
21 Raha vao ren'i Saoly izany vaovao izany, dia naniraka olon-kafa izy, nefa tsindrian-daona naminany ihany koa izy ireo. Naniraka andiany fahatelo indray i Saoly, ary dia mbola toy ny teo aloha ihany no niseho.
22 Farany dia izy tenany mihitsy no nankany Rama. Rehefa tonga teo amin'ny lavaka lehibe famorian-drano akaikin'i Seko izy, dia nanontany hoe: Aiza moa i Samoela sy i Davida? Ka hoy ny navalin'ny olona azy hoe: Any Naiota, akaikin'i Rama.
23 Dia lasa nankany Naiota akaikin'i Rama i Saoly. Teny an-dalana dia tonga taminy ny Fanahin'Andriamanitra, ka tsindrian-daona naminany mandra-pahatongany tany Naiota izy.
24 Nanala ny fitafiany tahaka ireo hafa izy, dia mba naminany teo anatrehan'i Samoela ihany koa, ary nidaboka tamin'ny tany sady nitanjaka iny andro sy alina manontolo izy. Izany no nanaovan'ny olona hoe: Mba tonga anisan'ny mpaminany koa ve i Saoly?