1 Samoela

Toko faha-27

1 Hoy i Davida anakampo: Ho fatin'ny tanan'i Saoly ihany aho indray andro any. Koa ny tsara indrindra amiko dia tsy misy afa-tsy ny mandositra any amin'ny tanin'ny Filistinina. Hatsahatr'i Saoly ny fitadiavany ahy manerana ny faritanin'i Israely, ka dia ho afa-doza aminy aho.

2 Koa lasa i Davida mbamin'ny eninjato lahy mpiara-dia aminy, nankany amin'i Akisy, zanakalahin'i Mahoka sady mpanjakan'i Gata.

3 Nitoetra tao amin'i Akisy tany Gata i Davida sy ny olony nombam-pianakaviana avy, mbamin'ireo vadin'i Davida roa, dia Ahinohama avy any Jizrehela sy i Abigaila vady navelan'i Nabala avy any Karmela.

4 Rehefa ren'i Saoly fa nandositra any Gata i Davida, dia nijanona tsy nitady azy intsony izy.

5 Indray andro dia hoy i Davida tamin'i Akisy: Raha tsara fo amiko tokoa ianao, dia aoka aho mba homena toerana iray amin'ny tanana any ambanivohitra hipetrahako. Fa mpanomponao aho ka nahoana no dia hiara-mitoetra aminao ato amin'ny renivohi-panjakana?

6 Iny andro iny ihany dia nomen'i Akisy azy ny tananan'i Tsiklaga. Izany no nahatonga an'i Tsiklaga ho an'ny mpanjakan'i Joda mandraka androany.

7 Herintaona sy efa-bolana no nitoeran'i Davida tao amin'ny tanin'ny Filistinina.

8 Avy tao i Davida sy ny olony no niakatra nanafika ny Gesorita sy ny Girzita ary ny Hamalekita; fa ireo no mponina hatrizay tamin'izany faritra izany, dia hatrany Sora ka tafapaka any amin'ny sisin-tanin'i Ejipta.

9 Nosimban'i Davida ny taniny, ka tsy nisy lehilahy sy vehivavy niangana na iray aza. Nobaboiny ny ondry aman'osy, ny omby mbamin'ny boriky sy ny rameva, ary ny fitafiana; dia niverina tany amin'i Akisy izy.

10 Ka nony nanontany azy i Akisy hoe: Taiza avy no nanafihanareo androany?, dia novaliany hoe: Tany amin'ny faritra atsimon'i Joda na Tany amin'ny faritra atsimon'ny Jerahimeelita na koa Tany amin'ny faritra atsimon'ny Kenita.

11 Tsy nasian'i Davida lehilahy na vehivavy iray velona hoentina any Gata, sao dia hisy hiampanga azy hoe: Izao no nataon'i Davida. Toy izany hatrany no fanaon'i Davida nandritra ny fotoana nitoerany tany amin'ny tanin'ny Filistinina.

12 Natoky an'i Davida i Akisy, satria nihevitra hoe: Efa nanamaimbo tena tamin'ny Israelita mpiray firenena aminy izy, ka dia ho mpanompoko mandrakizay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0681