1 Samoela

Toko faha-21

1 Dia lasa nandeha i Davida, fa i Jonatana kosa nody any an-tanana.

2 Tonga tany Noba tao amin'i Ahimeleka mpisorona i Davida. Tamy nitsena azy tamin-kovitra i Ahimeleka ka nanontany azy: Nahoana no mandeha irery tsy misy mpanaraka ianao?

3 Dia novalian'i Davida hoe: Ny mpanjaka no efa nanome baiko ahy hoe: Aoka tsy hisy hahafantatra mihitsy izao asa anirahiko anao izao! Izany no nanomezako fotoana ireo tovolahy namako ireo amina toerana iray.

4 Koa inona no sakafo misy ato aminao izao? Omeo mofo dimy na izay misy aho.

5 Fa hoy ilay mpisorona tamin'i Davida: Tsy manana mofo tsotra aho, fa mofo voatokana ho an'Andriamanitra ihany. Nefa azoko omena ihany ianao raha tahiny ka tsy niray tamim-behivavy ireo tovolahy ireo tato ho ato.

6 Ka hoy ny navalin'i Davida azy: Izany tokoa, fa tsy niray tamim-behivavy izahay, toy ny taloha ihany rehefa niantafika aho; ka masina ny kitapon'ireo tovolahy namako. Ary na dia tsy masina aza ity dia hiantafika indray maka ity, dia ho masina ihany izy anio amin'ny mofo hatao anaty kitapo.

7 Dia ny mofo masina tokoa no nanomezan'ny mpisorona ho an'i Davida, satria tsy nisy mofo hafa. Ireo mofo masina ireo dia mofo natolotra tamin'ny TOMPO ary avy eo dia nesorina tao amin'ny Toeramasina mba hosoloana mofo mafana.

8 Tamin'io andro io dia tonga teo anatrehan'ny TOMPO ny mpanompon'i Saoly anankiray, dia Doega, ilay Edomita lehiben'ny mpiandry ondrin'i Saoly.

9 Hoy indray i Davida tamin'i Ahimeleka: Manan-defona na sabatra ve ianao ato? Maika loatra ny iraka nampanaovin'ny mpanjaka ahy, dia tsy voaraiko intsony mbamin'ny sabatro sy ny fiadiako hafa.

10 Ka novalian'ity mpisorona hoe: Ao ny sabatr'i Goliata, ilay Filistinina, matinao tao an-dohasahan'i Ela, fa voafono lamba ao ivohon'ny efoda ao. Raha tianao ny hitondra azy io, dia ento; fa tsy manam-piadiana hafa izahay. Dia hoy i Davida hoe: Omeo ahy aty fa tsy misy tahaka iny akory.

11 Tamin'io andro io ihany i Davida dia niainga ka nandositra lavitra an'i Saoly, ary nankany amin'i Akisa mpanjakan'i Gata.

12 Hoy ny minisitr'i Akisa taminy: Tsy i Davida, mpanjakan'ny tanin'i Israely ve ity? Moa tsy izy ve ilay nohiraina sy nandihizan'ny olona hoe: I Saoly nahafaty an'arivoarivo, fa i Davida kosa nahafaty an'alinalina.

13 Nieritreritra izany teny izany tao am-pony i Davida ka natahotra mafy an'i Akisa mpanjakan'i Gata.

14 Dia nisary adala teo anatrehan'ny Filistinina i Davida ka nody nanao very saina tamin'izy ireo, fa nanao sarisary teo amin'ny lelam-baravarana ary nandraraka ivy teo amin'ny volom-bavany.

15 Dia hoy i Akisa tamin'ireo minisitra: Hitanareo tsara fa olona adala io! Ka nahoana no mbola entinareo aty amiko?

16 Mitady olona adala angaha aho no nitondranareo azy io hanondrana eto amiko! Tsia, tsy mba hidiran'io ny tranoko.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0972