1 Samoela
Toko faha-24
1 Avy teo i Davida dia niakatra tany amin'ny toerana be harambato, tany Haina-Gedy, ary nipetraka tao.2 Rehefa tafaverina avy niady tamin'ny Filistinina i Saoly, dia reny fa efa any an-taniefitr'i Haina-Gedy i Davida.
3 Ary i Saoly naka telo arivo lahy izay notsongaina tamin'i Israely manontolo, ka lasa nitady an'i Davida sy ny olony izay teo anoloan'ny Vatolampin'ny Osidia.
4 Raha tonga teo amin'ny valan'ondry nanamorona ny lalana i Saoly, dia sendra zohy, ka dia niditra tao mba hivoaka kely. Nefa i Davida sy ny olony dia efa tao anaty zohy tao.
5 Dia hoy ny olon'i Davida taminy: Izao no andro voalazan'ny TOMPO taminao hoe: Indro hatolotro eo an-tananao ny fahavalonao, ka ataovy aminy izay fantatrao fa mety. Dia nitsangana i Davida ka nitsaitsaika nanapaka moramora ny moron-tongotr'akanjon'i Saoly.
6 Nefa taorian'izany dia nidobodoboka mafy ny fon'i Davida noho ny nanapahany ny morotongotr'akanjon'i Saoly.
7 Koa hoy izy tamin'ny olony: Ho sanatriaviko ary hisakanan'ny TOMPO ahy anie ny haninji-tanana amin'ny mpanjakako, satria Izy TOMPO ihany no efa nifidy azy ho mpanjaka.
8 Izany teny izany no nanakanan'i Davida ny olony ka tsy namelany azy ireo hamely an'i Saoly. Dia nandao ny zohy i Saoly ary nanohy ny diany.
9 Taorian'izany dia nitsangana ihany koa i Davida, nivoaka ny zohy sady niantso mafy an'i Saoly hoe: Ry mpanjaka tompoko o! Nitodika nijery i Saoly, dia niankohoka ho mari-panajana azy i Davida.
10 Ary hoy i Davida tamin'i Saoly: Nahoana ianao, ry mpanjaka, no dia mihaino izay vavan'olona milaza fa mitady hanisy ratsy anao aho?
11 Kanefa ny masonao mihitsy no mahita androany, fa ny TOMPO efa nanolotra anao ho eo am-pelatanako tao an-johy. Nasain'ny olona hovonoin-ko faty ianao, nefa niantra anao aho, fa hoy aho hoe: Tsy haninji-tanana amin'ny mpanjakako aho, satria ny TOMPO no efa nifidy anao ho mpanjaka.
12 Jereo koa, ry mpanjakako o! Eny, jereo fa ity an-tanako ity ny morontongotr'akanjonao. Koa raha nanapaka ny akanjonao fotsiny aho fa tsy namono nahafaty anao, dia aoka ho fantatrao fa tsy olon-dratsy na mpikomy aho, ary tsy mba nanota taminao! Ianao no manao haza lambo ahy sady mifofo ny aiko.
13 Ny TOMPO anie no hitsara ahy sy ianao, ka hamaly anao noho ny ratsy nataonao tamiko! Fa izaho kosa tsy haninji-tanana aminao.
14 Araka ny lazain'ny ohabolan'ntaolo, dia ny olon-dratsy no ipoiran'ny faharatsiam-panahy, fa izaho kosa tsy haninji-tanana aminao.
15 Amin'iza moa no iadianao, ry mpanjakan'i Israely? Izaho izay amboa maty sy parasy kely ity ve no enjehinao?
16 Aoka ny TOMPO no ho mpitsara ka dia hitsara ahy sy ianao! Aoka handinika ny amiko Izy ka hiaro ahy ary hanafaka ahy amin'ny fanenjehanao!
17 Rehefa vita izany tenin'i Davida tamin'i Saoly izany, dia nanontany azy i Saoly hoe: Feonao tokoa ve izany, ry Davida zanako o! Ary dia nigogogogo nitomany i Saoly.
18 Dia hoy indray izy tamin'i Davida: Marina ny anao, anaka, fa izaho no tena diso, satria ianao nanao soa tamiko fa izaho kosa nanao izay ratsy taminao.
19 Nasehonao tamiko androany ny hatsaram-ponao, fa tsy novonoinao ho faty aho na dia efa natolotry ny TOMPO teo an-tananao aza aho.
20 Raha misy olona mahatratra ny fahavalony, moa avelany handeha soa aman-tsara ve izy? Sanatria! Koa hamaly fitia anao anie ny Tompo noho izay nataonao tamiko androany.
21 Ankehitriny, fantatro fa ianao no ho mpanjaka ary hitoetra eo an-tananao ny fanjakan'i Israely.
22 Koa mianiana amiko amin'ny TOMPO ianao ankehitriny, fa tsy handringana ny taranako mandimby ahy ianao ary tsy hamono ny anarako tsy ho isan'ny taranaky ny raiko.
23 Dia nianiana izany tamin'i Saoly i Davida. Ary i Saoly nody tany aminy, fa i Davida sy ny olony kosa niverina niakatra tany amin'ny fiereny.