1 Samoela
Toko faha-28
1 Tamin'izany andro izany dia nangonin'ny Filistinina ho tafika tokana ny miaramilany mba hiady amin'i Israely. Ary hoy i Akisy tamin'i Davida: Fantatrao tsara fa hiantafika hiaraka amiko ianao sy ny olonao.2 Ka hoy ny navalin'i Davida azy: Eny, tompokolahy, ho hitanao eo moa izay haiko hatao. Ary hoy indray Akisy tamin'i Davida: Eny ary, fa dia ianao no hataoko mpiambina ny tenako mandrakizay.
3 Rehefa maty i Samoela, dia nisaona azy ny Israelita rehetra, ary nandevina azy tao Rama tananany. Ary efa noraran'i Saoly tsy hatao amin'ny taniny ny famohazana angatra sy ny sikidy.
4 Indray andro dia vory lanona ny miaramila filistinina ka nitoby tao Sonema; dia novorin'i Saoly kosa ny miaramila israelita rehetra mba hitoby ao Gilboa.
5 Raha vao nahita ny tobin'ny Filistinina i Saoly, dia raiki-tahotra sady nivadi-po.
6 Te hanontany ny TOMPO izy nefa ny TOMPO tsy namaly azy na tamin'ny nofy, na tamin'ny orima, na tamin'ny mpaminany.
7 Koa dia nandidy ireo manamboninahiny i Saoly hoe: Itadiavo vehivavy mpamoha angatra aho hankanesako any aminy mba hanontaniako. Ary hoy ny mpanompony taminy: Misy vehivavy mpamoha angatra any Haina-Dora.
8 Dia nanova endrika i Saoly fa nisolo fitafy, ka nankany Haina-Dora niaraka tamin'ny lehilahy roa; ary alina izy ireo no tonga tao amin-dravehivavy, dia hoy i Saoly taminy: Anaovy majika amin'ny famohazana angatra aho, ka asehoy amiko izay hotononiko aminao.
9 Fa namaly azy ilay vehivavy hoe: Fantatro tsara izay nataon'i Saoly, dia ny namongorany hiala amin'ny tany ny mpamoha angatra sy ny mpisikidy. Koa nahoana no mamela-pandrika ahy haningotra ny aiko ianao?
10 Ary nianiana taminy sady nanonona ny anaran'ny TOMPO i Saoly ka nanao hoe: Velona ny TOMPO ka milaza marina aho fa tsy hampaninona anao akory izao raharaha izao.
11 Dia nanontany azy ilay vehivavy hoe: Iza ary no tianao hantsoiko hanketo aminao? Ka novaliany hoe: I Samoela antsoina hanketo amiko.
12 Nony nahita an'i Samoela ilay vehivavy, dia niantsoantso mafy ary nanao tamin'i Saoly hoe: Nahoana no dia nofitahinao aho? Hay i Saoly ianao!
13 Ka hoy ny mpanjaka taminy: Aza matahotra; fa inona no hitanao? Namaly kosa ravehivavy hoe: Matoatoa miakatra avy ao amin'ny tany no hitako.
14 Ary hoy ihany ny mpanjaka taminy: Manao ahoana izy izany? Dia hoy ravehivavy hoe: Lehilahy antitra misalotra akanjobe no miakatra. Fantatr'i Saoly fa i Samoela marina izay; koa dia niankohoka tamin'ny tany ho mari-panajana izy.
15 Nanontany azy kosa i Samoela hoe: Fa ahoana no kotabainao aho ka nampiantsoinao? Dia hoy ny navalin'i Saoly: Mafy ny manjo ahy, fa miady amiko ny Filistinina ary efa nandao ahy Andriamanitra ka tsy mamaly ahy intsony na amin'ny mpaminany na amin'ny nofy. Izany no nampiantsoako anao mba hampahafantatra ahy izay tokony hataoko.
16 Fa hoy i Samoela hoe: Nahoana no izaho no anontanianao? Kanefa ny TOMPO aza efa nandao anao ka tonga fahavalonao?
17 Fa ny TOMPO efa nanatanteraka izay nambarako avy taminy, dia ny nanalany teo an-tananao ny fanjakana ka nanomezany izany ho an'olon-kafa, dia i Davida.
18 Satria tsy nohenoinao ny feon'ny TOMPO tamin'ny tsy nandringananao tanteraka ny Hamalekita, dia izany no nanaovan'ny TOMPO izao taminao androany.
19 Ary hatolotry ny TOMPO eo an-tanan'ny Filistinina ianao mbamin'i Israely. Rahampitso ianao sy ny zanakao dia tafaraka amiko any amin'ny toeran'ny maty, ary ny tafik'i Israely hatolotry ny TOMPO eo an-tanan'ny Filistinina.
20 Raha vao nandre izany tenin'i Samoela izany i Saoly, dia nitsirara tamin'ny tany fa raiki-tahotra mafy. Manampy trotraka izany dia efa ambivitra ny heriny satria tsy nihinan-kanina tontolo andro sy tontolo alina izy.
21 Dia nanatona an'i Saoly ilay vehivavy ka nahita ny fahorian-tsainy. Koa dia hoy izy taminy: Efa nihaino anao aho mpanompovavinao, fa na dia maningotra ny aiko aza izany, dia notanterahiko ihany izay nangatahinao tamiko.
22 Ankehitriny dia mba henoy kosa ny teniko. Aoka aho handroso mofo kely hohaninao mba hampatanjaka anao alohan'ny hanohizanao ny dia.
23 Nanda tsy nety nihinana anefa i Saoly, saingy nikiry nanery azy kosa ireo mpanompony sy ilay vehivavy, koa dia nanaiky ihany izy tamin'ny farany. Dia niarina teo amin'ny tany izy ka nipetraka teo am-parafara.
24 Najedak'ilay vehivavy faingana ny zanak'omby mifahy iray tao aminy, dia naka lafarinina izy ka nopotseriny ary nendasiny ho mofo tsy misy leviora.
25 Narosony hohanin'i Saoly sy ireo mpanompony izany sakafo izany. Avy nihinana izy ireo, dia niainga ka lasa iny alina iny ihany.