1 Samoela
Toko faha-8
1 Rehefa antitra i Samoela, dia ireo zanany no nataony ho mpanapaka ny vahoaka Israely.2 I Joela no anaran-janany lahimatoa ary i Abia no anaran'ny zandriny; tany Beera-Seba izy ireo no nanao ny asa maha mpitondra azy.
3 Nefa izy roa lahy tsy mba nanahaka izay nataon-drainy, fa nanjary tia vola ka nandray tsolotra sy namilivily ny marina.
4 Noho izany, dia nivory ny loholona israelita rehetra, ka nankany amin'i Samoela any Rama.
5 Hoy ireo taminy: Indro, efa antitra ianao izao, ry Samoela, nefa ny zanakao tsy mba nanahaka anao, koa anendreo mpanjaka izahay hitondra anay, tahaka ny an'ny firenen-kafa rehetra.
6 Fa tsy nahafaly an'i Samoela izany nangatahan'izy ireo mpanjaka ho azy izany; koa dia nivavaka tamin'ny TOMPO izy.
7 Nefa hoy ny TOMPO tamin'i Samoela: Ekeo ny fangatahan'ny vahoaka amin'izay rehetra lazainy aminao; satria tsy ianao akory no laviny, fa Izaho mihitsy no tsy tiany ho mpanjakany intsony.
8 Nanomboka tamin'ny andro nanafahako azy tany Ejipta ka mandraka izao, dia tsy nitsaha-niodina tamiko izy fa nanompo andriamani-kafa; koa izay efa nataony tamiko no mbola ataony aminao koa ankehitriny.
9 Noho izany, dia ekeo ihany ny fangatahany; kanefa aza misoron-teny aminy ianao fa atoroy azy ny zon'izay ho mpanjakany.
10 Dia nitatitra ny teny rehetra nataon'ny TOMPO i Samoela ka nilaza tamin'ireo vahoaka nangata-mpanjaka hoe:
11 Ireto avy no zon'izay ho mpanjakanareo: ny zanakareo lahy dia halainy ka hataony miaramila mpitondra kalesin'ady sy mpitaingin-tsoavaly, na hataony mpihazakazaka eo alohan'ny kalesiny;
12 ny sasany hataony manamboninahitra mpibaiko rezimanta na vondron-tafika. Ny hafa hataony mpiasa ny taniny sy mpijinja ny vokany, na koa mpanefy fiadiana sy fitaovana momba ny kalesy.
13 Halainy koa ny zanakareo vavy ka hataony mpamboatra ranomanitra na mpahandro hanina na mpanao mofo.
14 Halainy ka homeny ny mpanompony izay tsara amin'ny sahanareo sy ny tanimboalobokareo ary ny taninolivanareo;
15 halainy koa ny ampahafolon'ny vokatry ny taninareo sy tanimboalobokareo ka homeny ny mpiasam-panjakany sy ny manamboninahiny. 16 Halainy ny mpanomponareo, ny matanjaka amin'ny tanoranareo, eny, hatramin'ny borikinareo aza, dia hampiasainy ho amin'ny tombontsoany.
17 Halainy koa ny ampahafolon'ny biby fiompinareo. Raha bangoina, dia ny tenanareo mihitsy no hoandevoziny.
18 Hitaraina amin'ny TOMPO ianareo amin'izany fotoana izay noho ny mpanjaka izay nofidinareo, saingy tsy nihaino anareo Izy.
19 Tsy noraharahain'ny Israelita anefa ny tenin'i Samoela, fa hoy izy ireo hoe: Tsy ahoanay izany, fa mba mila mpanjaka koa izahay
20 mba ho tahaka ireo firenen-kafa; ka ny mpanjakanay no hitsara anay sy ho mpitari-tafikay ary hiady hiaraka aminay.
21 Nohenoin'i Samoela ny teny rehetra voalazan'ny vahoaka israelita ka notateriny tamin'ny TOMPO.
22 Hoy kosa ny TOMPO tamin'i Samoela: Ekeo izay angatahiny aminao ka omeo mpanjaka izy. Taorian'izany, dia nasain'i Samoela nody any amin'ny tananany avy ny Israelita.