1 Samoela
Toko faha-31
1 Ary niady tamin'i Israely ny Filistinina; dia nandositra azy ny Israelita ka faty maro no nitsitsitra teny an-tendrombohitr'i Gilboa.2 Nilofo nanenjika an'i Saoly sy ireo zanany lahy ny Filistinina ka nahafaty an'i Jonatana sy i Abinadaba ary i Melkisa, izay samy zanakalahin'i Saoly.
3 Nanindry an'i Saoly ny fanafihana ka sendra ny mpandefa tsipika izy, ary natahotra mafy azy.
4 Dia hoy i Saoly tamin'ilay mpitondra ny fitaovam-piadiany: Raiso ny sabatrao ka trobaro aho, fandrao ireo mpanompo sampy ireo indray no ho avy hitrobaka ahy, ka hanao ahy ho fihomehezana. Fa tsy nanaiky ilay mpitondra ny fitaovam-piadiany satria natahotra mafy. Koa nalain'i Saoly ny sabatra, dia nianjerany.
5 Ary rehefa hitan'ilay mpitondra ny fitaovam-piadiany fa maty i Saoly, dia mba nianjerany koa ny sabany, ka niara-maty taminy izy.
6 Andro iray ihany izany no nahafatesan'i Saoly mbamin'ireo zanany telo lahy sy ny mpitondra ny fitaovam-piadiany ary ny miaramilany rehetra.
7 Rehefa hitan'ny Israelita izay teny an-dafy andrefan'ny lohasaha sy teny an-dafy andrefan'i Jordana fa nandositra ny tafik'i Israely sady maty i Saoly sy ny zanany, dia nandao ny tanana izy ka nandositra. Tonga kosa ny Filistinina ka nipetraka tao.
8 Ny ampitso, nony tonga ny Filistinina haka ny zavatra teny amin'ny faty, dia nahita an'i Saoly sy ny zanany telo lahy nitsitra teo an-tendrombohitr'i Gilboa.
9 Notapahiny ny lohan'i Saoly sady nalainy ny fiadiany ka nalefany hitety ny tanin'ny Filistinina hanambarana izany vaovao izany ao amin'ny Tempolin-tsampiny sy amin'ny vahoaka.
10 Avy eo dia napetrany tao an-tempolin'ny Hastoreta ny fitaovam-piadian'i Saoly; ary ny fatiny nahantony teo amin'ny mandan'i Bety-Seana.
11 Rehefa ren'ny mponin'i Jabesy-Gilehada ny nataon'ny Filistinina tamin'i Saoly,
12 dia niainga ny lehilahy maherifo rehetra ka nanao lava alina naka ny fatin'i Saoly sy ny fatin-janany teo amin'ny mandan'i Bety-Seana. Nony tafaverina tany Jabesy izy ireo, dia nodorany ny faty.
13 Nangoniny ny taolambalony ka naleviny tao ambanin'ilay hazo tamariska tao Jabesy; ary nifady hanina nandritra ny fito andro ny olona mba ho fisaonana.